9

1 Avy eo Andriamanitra nitso-drano an'i Noa sy ireo zanany lahy, ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Maroa fara, mihabetsaha, ary mamenoa ny tany. 2 Ny tahotra sy ny horohoro anao dia ho eo amin'ireo biby izay miaina ambonin'ny tany, ny voron'ny habakabaka, eo amin'ny zava-drehetra izay mandeha any ambanin'ny tany, ary amin'ny hazan-dranomasina rehetra. Atolotra eo an-tananao ireo. 3 Ny zava-drehetra izay miaina dia ho ataonareo sakafo. Ankehitriny Aho dia manolotra anareo ny zava-drehetra tahaka ny nanomezako anareo ireo zava-maniry maitso. 4 Saingy ianareo dia tsy tokony hihinana hena miaraka amin'ny ainy_izany dia ny ràny_ ao anatiny. 5 Fa ho an'ny rànareo, ny aina izay ao anatin'ny rànareo, dia hitaky ny vidiny Aho. Avy amin'ny tanan'ireo biby no hitakiko izany. Avy amin'ny tanan'ny olona izay namono ny rahalahiny no hitakiko ny saran'ny fiainan'izany olona izany. 6 Na iza na iza mandatsaka ain'ny olona iray, dia olona no andatsaka ny ainy, fa tamin'ny endrik'Andriamanitra no nanamboarany ny olona. 7 Raha ny aminareo, dia maroa fara ary mitomboa, miparitaha manerana ny tany ary mitomboa eo amin'izany." 8 Avy eo Andriamanitra niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy niaraka taminy, nanao hoe: 9 "Raha ny Amiko, dia henoy! Hanamafy ny fanekena nataoko taminareo sy ny taranakareo ao aorianareo Aho, 10 sy ireo biby manan'aina izay miaraka aminareo, ireo vorona, biby fiompy, ary ireo zava-manan'aina rehetra ambonin'ny tany miaraka aminareo, hatramin'ireo rehetra izay avy tao amin'ny sambo-fiara, hatramin'ny zava-manan'aina rehetra ambonin'ny tany. 11 Izao Aho dia hanamafy ny fanekeko nataoko taminareo, fa tsy hisy safo-drano hamotika ny nofo rehetra intsony. Ary tsy hisy safo-drano handrava ny tany intsony." 12 Hoy Andriamanitra hoe: "Izao no famantarana an'ilay fanekena izay ataoko eo Amiko sy eo aminareo ary ireo zava-manan'aina miaraka aminareo, ho an'ireo taranaka ho avy: 13 efa nametraka avana teny amin'ny rahona Aho, ary izany no ho famantarana ny fanekena eo Amiko sy ny tany. 14 Izany dia hitranga rehefa handrakotra ny tany amin'ny rahona Aho ary ho tazana eny amin'ny rahona ny avana, 15 avy eo dia ho tsaroako ny fanekeko, izay nisy tamiko sy taminareo ary ireo zava-manan'ainan'ny nofo rehetra. Tsy ho tonga safo-drano hanimba ny nofo rehetra intsony ireo rano. 16 Ny avana dia ho eny amin'ireo rahona ary hahita izany Aho, mba hahatsiarovana ny fanekena teo amin'Andriamanitra sy ireo zava-manan'ain'ny nofo rehetra izay eny ambonin'ny tany." 17 Avy eo Andriamanitra niteny tamin'i Noa hoe: "Io no famantarana an'ilay fanekena nataoko tamin'ny nofo rehetra izay ambonin'ny tany." 18 Ireo zanak'i Noa izay nivoaka tao amin'ilay sambo-fiara dia i Sema, Hama ary Jafeta. Hama dia rain'i Kanana. 19 Ireo telo ireo no zanak'i Noa, ary avy amin'izy ireo no nahafeno olona ny tany. 20 Nanomboka namboly i Noa, ary namboly voaloboka izy. 21 Nisotro ny sasany tamin'ireo divay izy ka mamo. Natory tsy nirakotra tao amin'ny lainy izy. 22 Avy eo Hama, rain'i Kanana, nahita ny rainy nitanjaka ka niteny tamin'ireo rahalahiny tany ivelany. 23 Ka naka akanjo lava i Sema sy Jafeta ary nametraka izany teo amin'ny sorok'izy ireo roa, ary nankao aorina nampitafy ny rain'izy ireo nitanjaka. Nitodi-doha izy ireo, ka tsy nahita ny fitanjahan'ny rain'izy ireo. 24 Rehefa taitra avy tamin'ny fahamamoany i Noa, dia nahafantatra ny nataon'ilay zanany faralahy taminy. 25 Ka hoy izy hoe: "Ho voahozona anie Kanana. Ho isan'ireo mpanompon'ireo rahalahiny anie izy." 26 Niteny koa izy hoe: "Hoderaina anie i Yaveh, Andriamanitr'i Sema, ary ho mpanompony anie i Kanàna. 27 Hanitatra ny fari-tanin'i Jafeta anie Andriamanitra, ary hamela azy hanorina ny tranony eo amin'ireo lain'i Sema. Ho mpanompony anie i Kanana." 28 Taorian'ny safo-drano, dia niaina dimampolo amby telonjato taona i Noa." 29 Ny fotoana niainan'i Noa dia dimanpolo amby sivinjato taona, ary nodimandry izy avy eo.