8

1 Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noa, ireo bibi-dia rehetra, ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao anatin'ilay sambo-fiara. Nampitsoka rivotra eran'ny tany Andriamanitra, ka dia nanomboka nihena ny rano. 2 Nakatona ny loharanon'ny lalina sy ny varavarakelin'ny lanitra, ary nitsahatra ny ranon'orana. 3 Nihena tsikelikely ny ranon'ny safo-drano, ary rehefa afaka dimampolo amby zato andro dia nihena ny rano. 4 Dia niantsona teo amin'ny tendrombohitr'i Aratata ny sambo-fiara tamin'ny volana faha-fito, tamin'ny andro faha-fito ambin'ny folon'ny volana. 5 Nihena hatrany ny rano hatramin'ny volana faha-folo. Tamin'ny andro voalohan'ny volana, dia niseho ny tampon'ny tendrombohitr. 6 Ary rehefa afaka efapolo andro dia novohain'i Noa ny varavarakelin'ny sambo-fiara izay namboariny. 7 Ary nandefa goaika anankiray tany ivelany izy, ary niverimberina nanidina izany ambara-pahamainan'ny rano tamin'ny tany. 8 Ary nandefa voromailala izy hizaha raha efa ritra ny rano tambonin'ny tany, 9 fa tsy nahita toerana nametrahany ny tongony ilay voromailala ka niverina tany aminy tao anatin'ilay sambo fiara satria mbola nandrakotra ny tany manontolo ny rano. Ary naninjitra ny tanany izy, ka nandray ilay voromailala ary nampiditra azy tao anaty sambo-fiara niaraka taminy. 10 Ary mbola niandry hafitoana indray izy ka nandefa ilay voromailala avy tao anaty sambo-fiara. 11 Niverina teo aminy ilay voromailala nony hariva. Indro! nisy ravin'oliva maitso vao notangosana teo ambavan'ilay voromailala. Koa dia fantatr'i Noa fa efa nidina ny rano tambonin'ny tany. 12 Mbola niandry hafitoana, izy ka namoaka ilay voromailala indray. Tsy niverina teo aminy intsony ilay vorona. 13 Tamin'ny faha-iraika amby eninjato taona, tamin'ny volana voalohany, tamin'ny andro voalohan'ny volana, no ritra ny rano teo ambonin'ny tany. Nesorin'i Noa ny tafon'ilay sambo-fiara, nijery tany ivelany, ary nahita fa, indro, maina ny tany. 14 Ary tamin'ny andro fahafito amby roampolo, tamin'ny volana faharoa, dia maina ny tany. 15 Hoy Andriamanitra tamin'i Noa hoe: 16 "Mivoaha ao anaty sambo-fiara, ianao, ny vadinao, ireo zanakao lahy, ary ireo vinantonao vavy miaraka aminao. 17 Ento mivoaka miaraka aminao ireo zava-manan'aina rehetra izay miaraka aminao izay avy tamin'ny nofo rehetra—dia ireo vorona, ireo biby, ary ireo zavatra mikisaka rehetra amin'ny tany—mba hitombo isa fatratra ho zava-manan'aina manerana ny tany ireo, Miteraha maro ary mihamaroa." 18 Dia nivoaka Noa sy ny vady aman-janany, mbamin'ny vinantovaviny niaraka taminy. 19 Ny zava-manan'aina rehetra, ny zavatra mikisaka rehetra, ary ny vorona rehetra, mbamin'izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin'ny tany, araka ny karazany avy, dia nandao ny sambo-fiara. 20 Nanamboatra alitara ho an'i Yaveh i Noa. Naka sasany tamin'ireo biby madio sy vorona madio izy, ary nanolotra fanatitra dorana teo amin'ny alitara. 21 Ary ren'i Yaveh ny hanitra ankasitrahana ka niteny tao am-pony hoe: "Tsy hanozona ny tany noho ny olombelona intsony Aho, na dia ratsy hatramin'ny fahazazany aza ny fisainan'ny fon'ny olona. Ary tsy handringana ny zava-manan'aina intsony Aho, tahaka izay nataoko. 22 Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny ririnina sy ny fahavaratra, ary ny andro sy ny alina."