50

1 Ary nalahelo mafy Josefa ka dia nihohoka teo amin'ny tavan'ny rainy, sy nitomany teo aminy, ary nanoroka azy izy. 2 Nandidy ireo mpitsabo mpanompony i Josefa mba hanositra zava-manitra ny rainy. Ary dia nosoran'ireo mpitsabo zava-manitra i Israely. 3 Naka efapolo andro izy ireo, fa izany no fetr'andron'ny fanosorana. Nitomany azy nandritry ny fitopolo andro ireo Egyptian. 4 Rehefa tapitra ny andro fisaonana, dia niresaka tamin'ny tao an-tranon'i Farao i Josefa niteny hoe: "Raha mba efa nahita sitraka teo imasonareo aho, dia mba lazao re Farao hoe: 5 'Efa nampianiana ahy ny raiko, niteny hoe: "Indro, efa ho faty aho. Haleveno ao amin'ny fasana izay efa nohadiko ho ahy any amin'ny tany Kanana aho. Any no handevenanao ahy." Ankehitriny avelao aho hiakatra ary handevina ny raiko, ary hiverina aho avy eo.'" 6 Farao namaly hoe: "Mandehana ary haleveno ny rainao, araka ny nampianianany anao." 7 Niakatra handevina ny rainy Josefa. Niaraka nandeha taminy ireo mpanapak'i Farao rehetra— ireo olona ambony tao an-dapany, ary ireo lehiben'ny mpanapaka rehetra tao amin'ny tany Egypta, 8 mbamin'ireo ankohonan'i Josefa sy ireo rahalahiny rehetra, ary ny ankohonan-drainy. Fa ireo zanany, ireo ondry aman'osy, ary ny ombin'izy ireo kosa no navela tao amin'ny tany Gosena. 9 Niaraka taminy ihany koa ireo kalesy sy ireo mpitaingin-tsoavaly. Dia vahoaka maro be izany. 10 Rehefa tonga teo amin'ny famoloanan'i Goren-atada ampitan'i Jordana izy ireo, dia nisaona mafy sy tamin'ny fahoriana lehibe izy ireo. Nanao fisaonana fito andro ho an'ny rainy teo Josefa. 11 Nony hitan'ireo mponin'ny tany, Kananita, ny fisaonana teo amin'ny famoloanan'i Goren-atada, dia hoy izy ireo hoe: "Fotoana tena mampalahelo ho an'ireo Egyptiana izao." Izany no nahatonga ny toerana nantsoina hoe Abela-Mizraima, izay ao an-dafin'i Jordana. 12 Ary dia nataon'ireo zanany lahy tamin'i Jakoba araka izay nandidiany azy ireo. 13 Nolanjain'ireo zanany lahy nankany amin'ny tany Kanana izy ary nalevin'izy ireo tao an-dava-bato tao amin'ny sahan'i Makpela, akaikin'i Mamre. Novidian'i Abrahama ho toerana fandevenana ny lava-bato mbamin'ny saha. Novidiany tamin'i Efrona Hetita izany. 14 Rehefa voaleviny ny rainy, dia niverina tany Egypta i Josefa, izy, sy ireo rahalahiny, ary ireo rehetra izay niaraka taminy mba handevina ny rainy. 15 Rehefa hitan'ireo rahalahin'i Josefa fa maty ny rain'izy ireo, dia hoy izy ireo hoe: "Ahoana raha mbola mitàna hatezerana amintsika Josefa ary te-hamaly antsika ny amin'izay ratsy rehetra nataontsika taminy?" 16 Koa dia nandidy ny fanatrehan'i Josefa izy ireo, niteny hoe: "Efa nanome baiko ny rainao talohan'ny nahafatesany, niteny hoe: 17 'Lazao amin'i Josefa izao: "Mamelà re ny fandikanan-dalàna sy ny fahotan'ireo rahahalahinao tamin'izay ratsy nataon'izy ireo taminao.'" Ankehitriny dia mamelà re ireo mpanompon'Andriamanitry ny rainao." Nitomany i Josefa rehefa niresaka taminy izy ireo. 18 Nandeha ihany koa ireo rahalahiny ary nanohoka ny tavany teo anatrehany. Hoy izy ireo hoe: "Indreto, izahay mpanomponao." 19 Fa Josefa namaly azy ireo hoe: "Aza matahotra. Moa eo amin'ny toeran' Andriamanitra ve aho? 20 Fa ianareo, dia nihevitra ny hanao ratsy ahy, nefa Andriamanitra dia nihevitra izany ho amin'ny tsara, mba hiarovana ny ain'ny vahoaka maro, araka ny itanareo anio. 21 Koa ankehitriny aza matahotra. Hamatsy anareo sy ny zaza madinikareo aho." Nampionona azy ireo toy izany izy ary niresaka tam-pitiavana tamin'ny fon'izy ireo. 22 Nipetraka tany Egypta i Josefa, niaraka tamin'ny ankohonan-drainy. Niaina folo amby zato taona izy. 23 Nahita ireo zanak'i Efraima hatramin'ny taranaka fahatelo i Josefa. Nahita ireo zanak'i Makira zanaka lahin'i Manase ihany koa izy, izay natsangan'i Josefa. 24 Hoy Josefa tamin'ireo rahalahiny hoe: "Efa ho faty aho; fa ho tonga aminareo tokoa Andriamanitra ary hitarika anareo hiala eto amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay nianianany homena an'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba." 25 Ary Josefa nampianiana fianianana ny vahoakan'Israely. Hoy izy hoe: "Ho tonga aminareo tokoa Andriamanitra. Amin'izay fotoana izay dia tsy maintsy entinareo miala eto ny taolako." 26 Ary dia maty Josefa, rehefa 110 taona. Nosoran'izy ireo zava-manitra ary napetraka tao anaty vata-paty tany Egypta izy.