49

1 Avy eo nampiantso ireo zanany lahy Jakoba, ary niteny hoe: "Miangona ianareo, mba hafahako milaza aminareo izay hitranga aminareo amin'ny ho avy. 2 Mivoria ary mihainoa, ianareo ry zanaka lahin'i Jakoba. Mihainoa an'i Israely, rainareo. 3 Ry Robena, ianao no lahimatoako, ny maheriko, ary ny fiandohan'ny heriko, miavaka amin'ny fahamendrehana, ary miavaka amin'ny fahefana. 4 Tsy voafehy toy ny rano mandeha mafy, no tsy hahazo ny lohany ianao, satria niakatra teo amin'ny fandrian'ny rainao ianao. Avy eo nandoto izany ianao; niakatra teo amin'ny fandriako ianao. 5 Simeona sy Levy dia mpirahalahy. Ireo fitaovam-piadian'ny herisetra no sabatr'izy ireo. 6 Ry fanahiko, aza miditra ao amin'ireo filan-kevitr'izy ireo; aza miditra ao amin'ny fivorian'izy ireo, fa ny foko be voninahitra loatra raha ho an'izany. Fa tao anatin'ny hatezeran'izy ireo no namonoany olona. Ho fahafinaretana no nitraingoin'izy ireo omby. 7 Aoka hozonina ny hatezeran'izy ireo, fa nasiaka izany—ary ny faharomotan'izy ireo, fa loza be izany. Hizara azy ireo any amin'i Jakoba aho ary hampiely azy ireo any amin'i Israely. 8 Ry Joda, hidera anao ireo rahalahinao. Ho eo am-bozon'ireo fahavalonao ny tananao. Hiankohoka eo alohanao ireo zanaka lahin'ny rainao. 9 Joda dia zana-diona. Ry zanako lahy, niakatra tamin'ireo fandresenao ianao. Dia niondrika izy, nitampify toy ny liona, toy ny liona vavy. Iza no hahasahy hamoha azy? 10 Ny tehim-panjakana dia tsy hiala eo amin'i Joda, na ireo tehin'ireo mpanapaka eo anelanelan'ny tongony, mandra-pahatongan'i Silo. Hankatoa azy ireo firenena. 11 Namatotra ny ampondrany teo amin'ny voaloboka, ary ny zana-birikiny teo amin'ny voaloboka voasafidy, dia nanasa ireo fitafiany tao anatin'ny divay izy, ary ny akanjo lavany tao anatin'ny ràm-boaloboka. 12 Ho mainty toy ny divay ireo masony, ary ho fotsy toy ny ronono ireo nifiny. 13 Hipetraka eo amoron-dranomasina i Zebolona. Ho seranan'ireo sambo izy, ary hihitatra any Sidona ny fari-taniny. 14 Isakara dia ampondra matanjaka, mandry anelanelan'ireo valan'ondry. 15 Mahita toerana fialan-tsasatra tsara sy tany mahafinaritra izy. Hanondrika ny sorony ho amin'ny enta-mavesatra izy ary ho lasa mpanompo ho an'ny asa. 16 Hitsara ny vahoakany toy ny iray amin'ireo fokon'i Israely i Dana. 17 Ho bibilava akaikin'ny lalana i Dana, bibilava misy poizina eo amin'ny lalana izay manaikitra ireo ombelahin-tongotry ny soavaly, ka mianjera ny mpitaingina izany. 18 Miandry ny famonjenao aho, ry Yaveh. 19 Gada—hanafika azy ny andiany, fa hanafika azy ireo eo amin'ny ombelahin-tongon'izy ireo izy. 20 Ho tsara ny sakafon'i Asera, ary hamatsy hanim-py ny mpanjaka izy. 21 Naftaly dia diera vavy novahana, hanana biby tsara tarehy izy. 22 Josefa dia sampam-bokatra, sampam-bokatra akaiky lohataona, izay ny sampany dia mananika mihoatry ny fefy. 23 Ireo mpandefa tsipika dia hanafika azy ary hitifitra azy sy hampijaly azy. 24 Fa ny tsipikany dia hijanona hateza, ary ireo tanany dia hahay hanao noho ny tanan'ilay Maherin'i Jakoba, noho ny anaran'ny Mpiandry ondry, ny Vatolampin'i Israely. 25 Ny Andriamanitry ny rainao dia hanampy anao ary ny Andriamanitra Tsitoha hitahy anao amin'ireo fitahian'ny lanitra ambony, ireo fitahian'ny lalina izay nandry ambany, ary ireo fitahian'ny tratra sy kibo. 26 Ireo tso-dranon'ny rainao dia lehibe noho ireo fitahian'ireo tendrombohitra taloha na ireo zavatra irian'ireo havoana taloha. Ho eo an-dohan'i Josefa anie ireo, dia eo amin'ny satro-boninahitry ny lohan'ny printsin'ireo rahalahiny mihintsy. 27 Benjamina dia amboadia noana. Amin'ny maraina dia handrapaka ny haza izy, ary amin'ny hariva dia hizara ny voaroba izy." 28 Ireo no foko roa ambin'ny folon'i Israely. Izany no nolazain'ny rainy tamin'izy ireo rehefa nitso-drano azy ireo izy. Ny tsirairay avy dia notsofina rano tamin'ny fitsofan-drano mifanaraka avy. 29 Dia nandidy azy ireo izy ary nanao tamin'izy ireo hoe: "Efa andeha any amin'ny vahoakako aho. Aleveno miaraka amin'ireo razam-beko ao am-pasana izay ao amin'ny sahan'i Efrona Hetita aho, 30 ao amin'ny fasana izay ao amin'ny sahan'i Makpela, izay akaikin'i Mamre ao amin'ny tany Kanàna, ny saha izay novidian'i Abrahama ho toerana fandevenana tany amin'i Efrona Hetita. 31 Tao no nandevenan'izy ireo an'i Abrahama sy Saraha vadiny; tao no nandevenan'izy ireo an'Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao no nandevenako an'i Lea. 32 Ny saha sy ny fasana izay tao anatin'izany dia novidiana tamin'ireo vahoakan'i Heta. 33 Rehefa vitan'i Jakoba tamin'ireo zanany izany didy izany, dia namonkina ny tongony ho eny am-pandriana izy, dia niala aina, ary nandeha nankany amin'ny olony.