47

1 Dia niditra Josefa ary niteny tamin'i Farao hoe: "Tonga avy any amin'ny tany Kanana ny raiko sy ireo rahalahiko, ireo andian'ondry, ny biby fiompy ary ny zavatra rehetra izay ananan'izy ireo. Indro, ao amin'ny tanin'i Gosena izy ireo." 2 Ary naka dimy tamin'ireo rahalahiny i Josefa ka nampahafantatra azy ireo tamin'i Farao. 3 Hoy Farao tamin'ireo rahalahiny hoe: "Inona no asanareo?" Hoy izy ireo tamin'i Farao hoe: "Mpiandry ondry ny mpanomponao, tahaka ireo razambenay ihany." 4 Ary hoy indray izy ireo tamin'i Farao hoe: "Tonga ho mpivahiny fotoana fohy amin'ity tany ity izahay. Tsy misy ahitra ho an'ny biby fiompin'ny mpanomponao, satria mamaivay ny mosary any Kanana. Koa ankehitriny ary, mba avelao re ny mpanomponao hitoetra eo amin'ny tanin'i Gosena." 5 Ary niresaka tamin'i Josefa i Farao, nanao hoe: "Tonga teto aminao ny rainao sy ny rahalahinao. 6 Eo anoloanao ny tany Egypta. Ampitoero ao amin'ny faritra tsara indrindra ny rainao sy ireo rahalahinao, dia ny tanin'i Gosena. Raha mahafantatra olona mahay amin'izy ireo ianao, dia ampitantano ny biby fiompiko ireo." 7 Avy eo dia nentin'i Josefa niditra i Jakoba ary nampahafantariny tamin'i Farao. Nitso-drano an'i Farao i Jakoba. 8 Hoy Farao tamin'i Jakoba hoe: "Hafiriana izay no nahavelomanao?" 9 Jakoba niteny tamin'i Farao hoe: "Telopolo amby zato izay no taonan'ny diako. Vitsy ary nangirifiry ny androm-piainako. Tsy mba lava tahaka ny an'ny razako ireo." 10 Ary nitso-drano an'i Farao i Jakoba ka nivoaka niala teo amin'ny fanatrehany. 11 Taorian'izany dia nampitoetra ny rainy sy ireo rahalahiny i Josefa. Nanome fari-tany ho azy ireo tao amin'ny tany Egypta izy, izay tany tsara indrindra, tao amin'ny tanin'i Ramesesa, araka ny nandidian'i Farao. 12 Nanome sakafo ho an-drainy, sy ireo rahalahiny, ary ny ankohonan-drainy rehetra i Josefa, araka ny isan'ny zanany avy. 13 Ary tsy nisy sakafo teo amin'ny tany rehetra; satria namaivay ny mosary. Simba ny tany Egypta sy Kanana nohon'ny mosary. 14 Nangonin'i Josefa tamin'ny alalan'ny fivarotana vary tamin'ireo mponina avokoa ny vola rehetra teo amin'ny tany Egypta sy ny tany Kanana. Avy eo dia nentin'i Josefa tao an-dapan'i Farao ny vola. 15 Rehefa lany avokoa ny volan'ny tany Egypta sy tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa avokoa ny Egyptiana rehetra nanao hoe: "Omeo hanina izahay! Nahoana izahay no dia ho faty eto anatrehanao satria lany ny volanay?" 16 Hoy Josefa hoe: "Raha lany ny volanareo, dia ento aty ny biby fiompinareo ary hanome hanina ho anareo aho ho solon'ny biby fiompinareo." 17 Koa dia nentin'izy ireo teo amin'i Josefa ny biby fiompin'izy ireo. Nomen'i Josefa hanina izy ireo ho takalon'ny soavaly, ny omby, ny ondry, ary ireo ampondra. Novokisany mofo izy ireo ho takalon'ny biby fiompiny tamin'izay taona izany. 18 Rehefa tapitra izany taona izany, dia tonga teo aminy indray izy ireo ny taona manaraka ary niteny hoe: "Tsy anafina amin'ny tomponay izahay fa lany tanteraka ny volanay, ary ny andian'ny biby fiompinay dia efa an'ny tomponay. Tsy misy na inona na inona tavela eo imason'ny tomponay, afa-tsy ny tenanay sy ny taninay. 19 Nahoana izahay no ho faty eo imasonao, izahay sy amin'ny taninay? Vidio izahay sy ny taninay ho takalon-kanina, ka ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay. Mba omeo voa izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny taninay." 20 Koa dia novidian'i Josefa ho an'i Farao ny tan'ny Egypta manontolo, satria nivarotra ny taniny avokoa ny Egyptiana rehetra fa namaivay tokoa ny mosary. Tamin'izay dia lasan'i Farao ny tany. 21 Raha ny amin'ny vahoaka, dia nataony andevo tany amin'ny ilan'ny sisin-tanin'i Egypta iray ka hatrany amin'ny ilany hafa izy ireo. 22 Ny tanin'ny mpisorona no hany tsy novidian'i Josefa, satria nomena tombony ireo mpisorona. Nihinana tamin'ny anjara nomen'i Farao azy izy ireo. Noho izany dia tsy nivarotra ny taniny izy ireo. 23 Ary hoy Josefa tamin'ny vahoaka hoe: "Indro, efa novidiako ho an'i Farao ianareo sy ny taninareo anio. Ary ity misy voa ho anareo, dia hamboly eo amin'ny tany ianareo. 24 Amin'ny fijinjana, dia tsy maintsy manome ny ampaha-diminy ho an'i Farao ianareo, ary ny ampahany efatra ho anareo manokana, mba ho masom-boly ho an'ny tany ary mba ho sakafo ho an'ny ankohonanareo sy ny zanakareo." 25 Ary hoy izy ireo hoe: "Nanavotra ny ainay ianao. Enga anie ka hahita fitia eo imasonao izahay. Ho mpanompon'i Farao izahay." 26 Koa dia nataon'i Josefa didy nihatra teo amin'ny tany Egypta izany hatramin'izao andro izao, fa ny iray ampaha-diminy dia an'i Farao. Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy lasan'i Farao. 27 Koa nipetraka tany amin'ny tany Egypta, tao amin'ny tanin'i Gosena i Israely. Nahazo fananana tany ny vahoakany. Namokatra be izy ireo ary nitombo isa fatratra. 28 Nitoetra tany amin'ny tany Egypta fito ambin'ny folo taona i Jakoba, ka fito amby efapolo amby zato taona ny androm-piainany. 29 Rehefa akaiky ny fotoana hahafatesan'Israely, dia niantso an'i Josefa zanany izy ary nanao taminy hoe: "Raha nahita fitia teo imasonao aho, dia apetraho eo ambanin'ny feko ny tananao, ary anehoy fahatokiana sy fahamendreham-pitokisana aho. Aza mba halevina eto Egypta re aho. 30 Rehefa mody mandry miaraka amin'ireo razako aho, dia hoentinao mivoaka an'i Egypta ary halevinao any amin'ny fasan'ny razambeko." Hoy Josefa hoe: "Hanao araka izay nolazainao aho." 31 Hoy Israely hoe: "Mianiana amiko," ary nianiana taminy i Josefa. Avy eo dia niankohoka teo an-doham-pandriany Israely.