46

1 Niainga niaraka tamin'izay rehetra nananany Israely ary nankany Beri-sheba. Tao no nanolorany fanatitra ho an'i Andriamanitr'Isaka rainy. 2 Niteny tamin'Israely tao anaty fahitana Andriamanitra ny alina, nanao hoe: "Jakoba, Jakoba." Hoy izy hoe: "Inty aho." 3 Hoy Izy hoe: "Izaho no Andriamanitra, Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina ho any Egypta, fa hataoko firenena lehibe any ianao. 4 Hiaraka aminao hidina ho any Egypta Aho, ary Izaho hitondra anao hiverina hiakatra tokoa ary ny tanan'i Josefa no hanirina ny masonao amin'ny tanany. 5 Niarina tao Beri-sheba i Jakoba. Nitondra an'i Jakoba rainy, ireo zanany, sy ireo vadiny, tamin'ny kalesy izay nalefan'i Farao mba hitondrana azy ireo ny zanak'Israely. 6 Nentin'izy ireo ny biby fiompiny sy ny fananan'izy ireo izay efa azony tao amin'ny tany Kanana. Niditra tao Egypta izy ireo, niaraka tamin'i Jakoba sy ireo taranany rehetra. 7 Nentiny niaraka taminy tany Egypta ireo zanany lahy sy ireo zafiny lahy, ireo zanany vavy sy ireo zafiny vavy, ary ireo taranany rehetra. 8 Ireto no anaran'ny zanak'Israely izay tonga tany Egypta, Jakoba sy ireo zanany: Robena, lahimatoan'i Jakoba; 9 ireo zanaka lahin'i Robena i Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy; 10 ireo zanak'i Simeona, dia i Jemoela, Jamina, Ohada, Jakina, Zohara, ary Saoly, ireo zanaka lahin'ilay vehivavy Kananita; 11 ireo zanaka lahin'i Levy dia i Gersona, Kehata, Merary. 12 Ireo zanaka lahin'i Joda: Era, Onana, Sela, Fareza, ary Zera (fa i Era sy Onana maty tany amin'ny tany Kanana). Ireo zanaka lahin'i Fazera dia i Hezrona sy Hamola. 13 Ireo zanaka lahin'i Isakara dia i Tola, Pova, Joba, ary Simrona; 14 Ireo zanaka lahin'i Zebolona dia Sereda, Elona, ary Jahalela. 15 Ireo ny zanaka lahin'i Lea izay naterany tamin'i Jakoka tany Padana-Arama, mbamin'i Dina zanany vavy. Niisa telo amby telopolo ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy. 16 Ireo zanaka lahin'i Gada dia i Zifiona, Hagy, Sony, Ezbona, Ery, Aroda, ary Arely. 17 Ireo zanaka lahin'i Asera dia Jimna, Jisva, Jisvy, ary Beria; ary i Sera no anabavin'izy ireo. Ireo zanaka lahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela. 18 Ireo no zanaka lahin'i Zilpa, izay nomen'i Labana an'i Lea zanaka vaviny. Ireo no zanany lahy naterany tamin'i Jakoba—enina ambin'ny folo no fitambarany. 19 Ireo zanaka lahin'i Rahely vadin'i Jakoba dia Josefa sy Benjamina. 20 Niteraka an'i Manase sy Efraima tamin'i Asenata, zanaka vavin'i Potifera mpisorona tao Ona i Josefa tany Egypta. 21 Ireo zanaka lahin'i Benjamina dia i Bela, Bakera, Gera, Asbela, Gera, Namana, Ehy, Rosy, Mopima, Hopima ary Arda. 22 Ireo no zanak'i Rahely naterany tamin'i Jakoba—efatra ambin'ny folo no fitambarany. 23 Ny zanaka lahin'i Dana dia i Hosima. 24 Ireo zanaka lahin'i Naftaly dia Jaziela, Gony, Jezera, ary Silema. 25 Ireo no zanaka lahy naterak'i Jakoba tamin'i Bila, izay nomen'i Labana an'i Rahely zanany vavy—fito ny fitambarany. 26 Ireo rehetra izay nankany Egypta niaraka tamin'i Jakoba, izay taranany, raha tsy isaina ireo vadin'ny zanany lahy, dia enina amby enimpolo ny fitambarany. 27 Fitopolo ny fitambaran'ny fianakanaviany nankany Egypta, niaraka tamin'ny zanaka lahin'i Josefa anankiroa izay naterany tany Egypta. 28 Nalefan'i Jakoba hialoha lalana azy mankany amin'i Josefa i Joda mba hanoro lalana azy ho any Gosena, ary dia tonga tany amin'ny tanin'i Gosena izy ireo. 29 Nanomana ny kalesiny Josefa ary lasa niakatra nitsena an'Israely rainy. Nahita azy izy, namihina ny vozony, ary nitomany ela teo amin'ny vozony. 30 Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Aoka ho faty amin'izay aho, satria efa nahita ny tavanao, fa mbola velona ianao." 31 Josefa niteny tamin'ireo rahalahiny sy ireo ankohonan-drainy hoe: "Hiakatra aho ary hilaza amin'i Farao, ka hiteny hoe: 'Efa tonga aty amiko ireo rahalahiko sy ireo fianakavian-draiko izay tany amin'ny tany Kanana. 32 Mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, satria mpikarakara biby fiompy izy ireo. Nentin'izy ireo ny ondry aman'osiny, ireo ombin'izy ireo, ary izay rehetra nananany.' 33 Ary rehefa miantso anareo Farao ary manontany hoe: 'Inona no asanareo?' 34 dia tokony hiteny ianareo fa: 'Ireo mpanomponao dia efa mpikarakara biby fiompy hatramin'ny fahazazanay ka hatramin'izao, dia izahay sy ny razanay.' Ataovy izany mba hafahanareo monina amin'ny tanin'i Gosena, satria fahavetavetana ho an'ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra."