24

1 Ary efa tena antitra tokoa Abrahama ary notahian'Andriamanitra tamin'ny zavatra rehetra. 2 Hoy Abrahama tamin'ny mpanompony, izay zokiny indrindra teo amin'ny ankohonany ary nanapaka teo amin'ny izay rehetra nananany hoe: "Apetraho eo ambanin'ny feko ny tananao 3 ary asaiko mianiana amin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany ianao, mba tsy haka vady ho an'ny zanako lahy avy amin'ireo zanaka vavin'ny Kananita, eo amin'ireo izay hanorenako ny fonenako. 4 Fa handeha ho any amin'ny fireneko ianao, any amin'ireo havako, ka makà vady ho an'Isaka zanako lahy." 5 Hoy ilay mpanompo taminy hoe: "Ahoana raha tsy vonona ny handeha hanaraka ahy ho aty amin'ity tany ity ilay vehivavy? Tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina any amin'ny tany niavianao ve aho?" 6 Dia hoy Abrahama taminy hoe: "Mahazò antoka ny tsy hitondranao ny zanako lahy hiverina any! 7 Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra, izay naka ahy avy tao an-tranon'ny raiko sy avy tany amin'ny tanin'ny havako, sady nampanantena ahy tamin'ny fianianana manetriketrika nilaza hoe: 'Omeko ho an'ny taranakao ity tany ity,' Izy no haniraka ny anjeliny hialoha anao, ary hahita vady ho an'ny zanako any ianao. 8 Saingy raha tsy vonona ny hanaraka anao ilay vehivavy, dia ho afaka amin'ny fianianako ianao. Tsy tokony hitondra ny zanako miverina any fotsiny ianao." 9 Koa nametraka ny tanany tao ambanin'ny fen'i Abrahama tompony ilay mpanompo, ary nianiana mahakasika izany raharaha izany. 10 Naka folo tamin'ny ramevan'ny tompony ilay mpanompo ary nandeha. Nitondra ireo karazam-panomezana rehetra avy tamin'ny tompony ihany koa izy. Niainga izy ka nandeha tany amin'ny faritr'i Arama Naharaima, tany amin'ny tanànan'i Nahora. 11 Nataony nipetraka teny ivelan'ny tanàna teo akaikin'ny fatsakan-drano ireo rameva. Hariva tamin'izany, fotoana fivoahan'ny vehivavy hatsaka rano. 12 Hoy izy avy eo hoe: "Yaveh, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, omeo ahy anio ny fanambinana ary asehoy ny tsy fivadiham-panekena amin'i Abrahama tompoko. 13 Indro, inty aho mitsangana eto akaikin'ny loharano, ary mivoaka mba haka rano ireo zanaka vavin'ny olon'ny tanàna. 14 Aoka ho tanteraka tahaka izao izany. Rehefa milaza amina vehivavy iray aho hoe: 'Mba ampidino re ny sininao mba hafahako misotro,' ka miteny amiko izy hoe: 'misotroa, ary homeko rano ihany koa ireo ramevanao,' dia aoka ho izy ilay iray izay notendrenao ho an'Isaka mpanomponao. Amin'izany no hahitako fa nampiseho tsy fivadiham-panekena tamin'ny tompoko Ianao." 15 Ary mbola tsy nahavita niteny akory aza izy, dia indro, nivoaka niaraka tamin'ny sinin-dranony teo an-tsorony i Rebeka. Rebeka dia naterak'i Betoela, zanaka lahin'i Milka, vadin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama. 16 Tsara tarehy tokoa ilay tovovavy sady virijiny. Tsy mbola nisy lehilahy nandry taminy. Nandeha nidina teny amin'ilay loharano izy ka nameno ny sininy, ary niakatra. 17 Ary nihazakazaka mba hihaona aminy ilay mpanompo ary niteny hoe: "Mba omeo rano kely ho sotroina amin'ny sininao re aho." 18 Hoy izy hoe: "Misotroa, tompoko," ary nampidininy faingana ho eo an-tanany ilay siny, ka nomeny rano izy. 19 Rehefa avy nanome ho sotroina ho azy izy, dia niteny hoe: "Hisintomako rano ihany koa ireo ramevanao, ambara-pisotron'izy ireo hatramin'ny farany." 20 Koa nahidiny faingana ary noritrainy ny rano tao anaty sininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, ary niverina nihazakazaka nankeo amin'ny fantsakana mba haka rano izy, ary naka rano ho an'ireo ramevany rehetra. 21 Nandinika azy mangingina ilay lehilahy mba hahitany raha nanambina ny diany Yaveh na tsia. 22 Rehefa avy nisotro rano ireo rameva, dia namoaka kavin'orona volamena milanja antsasaka sekely, sy firavaka volamena anankiroa fanao amin'ny sandry milanja folo sekely ralehilahy, 23 ary nanontany hoe: "Zanaka vavin'iza moa ianao? Mba lazao ahy, misy efitra mba handanianay ny alina ve ao an-tranon'ny rainao?" 24 Hoy izy taminy hoe: "Zanaka vavin'i Betoela zanaka lahin'i Milka, izay naterany tamin'i Nahora aho." 25 Hoy ihany koa izy taminy hoe: "Ary manana mololo sy vilona be dia be ihany koa izahay, ary toerana ho anareo mba handaniana ny alina." 26 Avy eo dia niankohoka ilay lehilahy ary nitsaoka an'i Yaveh. 27 Hoy izy hoe: "Deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitr'i Abrahama tompoko, izay tsy nahafoy ny tsy fivadiham-panekeny sy ny fahamendreham-pitokisany nanoloana ny tompoko. Raha ny amiko, dia nentin'i Yaveh mivantana tao an-tranon'ny havan'ny tompoko aho." 28 Avy eo nihazakazaka ilay tovovavy ary nitantara tamin'ny ankohonan-dreniny momba izany zavatra rehetra izany. 29 Ary nanana anadahy i Rebeka, Labana no anarany. Nihazakazaka nankany amin'ilay lahilahy izay teny an-dalana tany ivelany teo akaikin'ny fantsakana i Labana. 30 Rehefa nahita ny kavin'orona sy ireo firavaka teo amin'ny sandrin'ny anabaviny izy, ary rehefa nandre ny tenin'i Rebeka anabaviny hoe: "Izao no nolazain'ilay lehilahy tamiko," dia nankany amin'ilay lehilahy izy, ary indro, nijoro niaraka tamin'ireo rameva teo akaikin'ny fantsakana izy. 31 Dia hoy Labana hoe: "Avia, ianao ry voatahin'i Yaveh. Nahoana ianao no mijoro eny ivelany eny? Efa nanomana ny trano, ary ny toeran'ireo rameva aho." 32 Koa dia niditra tao an-trano ilay lehilahy ary nampidina ny entana teo amin'ireo rameva izy. Nomena mololo sy vilona ireo rameva, ary nisy rano novatsiana hanasana ny tongony sy ny tongotr'ireo lehilahy izay niaraka taminy. 33 Nandroso sakafo teo anoloany ho hanina izy ireo, saingy hoy izy hoe: "Tsy hihinana aho raha tsy efa voalazako izay tokony hambarako." Koa dia hoy Labana hoe: "Lazao ary." 34 Hoy izy hoe: "Mpanompon'i Abrahama aho. 35 Nitahy azy tokoa Yaveh ary nanjary lasa olona manam-be izy. Nanome azy ondry aman'osy sy omby, volafotsy sy volamena, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ary rameva sy boriky Izy. 36 Saraha, vadin'ny tompoko, dia niteraka zaza lahy ho an'ny tompoko tamin'ny fahanterany, ary nomeny azy avokoa ny zavatra nananany. 37 Nasain'ny tompoko nianiana aho, tamin'ny nilazany hoe: 'Ianao tsy mahazo maka vady ho an'ny zanako lahy avy amin'ireo zanaka vavin'ny Kananita, izay nataoko fonenana ny taniny. 38 Fa kosa, tsy maintsy mandeha mankany amin'ny fianakavian-draiko ianao, ary any amin'ireo havako, ka haka vady ho an'ny zanako.' 39 Hoy aho tamin'ny tompoko hoe: 'Mety tsy hanaraka ahy ilay vehivavy.' 40 Fa hoy kosa izy tamiko hoe: 'Yaveh, izay andehanako eo anoloana, dia haniraka anjely hiaraka aminao ary hanambina ny lalanao izy, mba hahazoanao vady ho an'ny zanako lahy eo amin'ireo havako sy avy amin'ny firazanan'ny raiko. 41 Saingy ho afaka amin'ny fianianako ianao raha mankany amin'ireo havako ka tsy hanome azy ho anao izy ireo. Dia ho afaka amin'ny fianianako ianao.' 42 Koa dia tonga teo amin'ny loharano aho androany, ary niteny hoe: "Yaveh o, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, aoka re, raha tena manao izay hanambinana ny diako tokoa Ianao— 43 indro aho, mijoro eto akaikin'ny loharano—aoka izay tovovavy mivoaka hantsaka rano, izay vehivavy hilazako hoe: "Mba omeo rano kely amin'ny sininao re aho mba ho sotroina," 44 izay vehivavy milaza amiko hoe: "Misotroa, ary haka rano ho an'ny ramevanao ihany koa aho,"—aoka ho izy ilay vehivavy izay nosafidianao, ry Yaveh, ho an'ny zanaka lahin'ny tompoko.' 45 Raha mbola tsy nahavita niteny tao am-poko akory aho, dia indro, nivoaka niaraka tamin'ny sininy teo an-tsorony i Rebeka ary nandeha nidina ho eo amin'ny loharano izy ka naka rano. Ka hoy aho taminy hoe: 'Mba omeo rano re aho.' 46 Nampidina faingana ny sininy avy teo an-tsorony izy ary nilaza hoe: 'Misotroa, ary hanome rano ho an'ny ramevanao ihany koa aho.' Koa dia nisotro aho, ary nomeny rano ihany koa ireo rameva. 47 Nanontany taminy aho ary niteny hoe: 'Zanak'iza moa ianao?' Hoy izy hoe: 'Zanaka vavin'i Betoela, zanak'i Nahora, izay naterak'i Milka taminy.' Dia napetrako teo amin'ny orony ny kavina ary teo amin'ny sandriny ireo ravaka. 48 Avy eo aho niankohoka ka nihoby an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny tompoko, izay nitondra ahy tamin'ny lalana marina mba hahita ny zanaka vavin'ny havan'ny tompoko ho an'ny zanany lahy. 49 Koa ankehitriny, raha vonona ny hitondra ny tompoko amin'ny fitokiam-pianakaviana sy fahamendreham-pitokiana ianareo, dia ambarao amiko. Kanefa raha tsy izany, dia lazao ahy, mba hitodiako miankavia na miankavanana." 50 Avy eo Labana sy Betoela namaly ka nanao hoe: "Avy amin'i Yaveh izany zavatra izany; tsy afaka ny hilaza aminao na ratsy na tsara izahay. 51 Indro, eo anoloanao i Rebeka. Ento izy ary mandehana, mba ho vadin'ny zanaky ny tomponao, araka ny nolazain'i Yaveh." 52 Rehefa nandre ny tenin'izy ireo ilay mpanompon'i Abrahama, dia niankohoka tamin'ny tany teo amin'i Yaveh izy. 53 Nitondra karazan-javatra volafotsy sy karazan-javatra volamena ilay mpanompo, ary fitafiana, ka nomeny ho an'i Rebeka ireo. Nanolotra fanomezana sarobidy ho an'ny anadahiny sy ny reniny ihany koa izy. 54 Avy eo dia nihinana sy nisotro izy sy ireo lehilahy izay niaraka taminy. Nitoetra tao nandritry ny alina izy ireo, ary rehefa nifoha maraina, dia hoy izy hoe: "Alefaso any amin'ny tompoko aho." 55 Hoy ny anadahiny sy ny reniny hoe: "Avelao mba hitoetra miaraka aminay mandritry ny andro vitsivitsy ny tovovavy, mba folo andro farafahakeliny. Aorian'izany dia afaka mandeha izy." 56 Fa hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Aza hazonina aho, satria nanambina ny lalako Yaveh. Alefaso amin'ny lalako aho mba hafahako mandeha any amin'ny tompoko." 57 Hoy izy ireo hoe: "Hiantso ny tovovavy izahay ary hanontany azy." 58 Koa dia niantso an'i Rebeka izy ireo ary nanontany taminy hoe: "Handeha hiaraka amin'io lehilahy io ve ianao?" Dia namaly izy hoe: "Handeha aho." 59 Koa dia nalefan'izy ireo tamin'ny diany niaraka tamin'ny mpanompon'i Abrahama sy ireo olony i Rebeka anabaviny, niaraka tamin'ny mpanompo vaviny. 60 Nitso-drano an'i Rebeka izy ireo, ary nilaza taminy hoe: "Ranabavy, ho renin'ny aman'arivony sy aman'aliny anie ianao, ary ho tompon'ny vavahadin'ireo izay mankahala azy anie ireo taranakao." 61 Avy eo nitsangana Rebeka, ka nitaingina ny rameva izy sy ireo mpanompo vaviny, ary nanaraka ilay lehilahy. Koa nentin'ilay mpanompo i Rebeka, ary roso tamin'ny lalany izy. 62 Ary nipetraka tany Negeva Isaka, ary vao niverina avy tany Bera-lahai-roy. 63 Nandeha nivoaka hariva mba hivavaka tany an-tsaha Isaka. Rehefa niandrandra izy dia nahita, indreny, nisy rameva tamy! 64 Nitazana Rebeka, ary rehefa nahita an'i Isaka izy, dia nitsambikina nidina avy teo amin'ny rameva. 65 Hoy izy tamin'ilay mpanompo hoe: "Iza iny lehilahy tonga hitsena antsika avy eny an-tsaha iny?" Namaly ilay mpanompo hoe: "Iny no tompoko." Koa nalain'i Rebeka ny voaliny, ary nosaronany ny tenany. 66 Namerina nitantara tamin'Isaka ny zavatra rehetra nataony ilay mpanompo. 67 Ary nitondra azy tao an-dain'i Saraha reniny i Isaka ka naka an'i Rebeka, dia lasa vadiny izy, ary tiany. Koa nionona Isaka taorian'ny fahafatesan-dreniny.