23

1 Niaina fito amby roapolo amby zato taona i Saraha. Izany ny taona niainan'i Saraha. 2 Saraha dia maty tao Kiriata Arba, izany hoe, Hebrona, tao amin'ny tany Kanàna. Nisaona sy nitomany an'i Saraha i Abrahama. 3 Avy eo dia nitsangana ka niainga avy eo amin'ny fatin'ny vadiny, ary niresaka tamin'ireo zanaka lahin'i Heta, nanao hoe: 4 "Vahiny aho eto aminareo. Mba omeo toerana fandevenana eto aminareo re aho, mba hafahako mandevina ny faty izay ahy." 5 Namaly an'i Abrahama ireo zanaka lahin'i Heta, nanao hoe: 6 "Mihainoa anay, ry tompoko. Andrian-dehibe an'Andriamanitra eto aminay ianao. Aleveno amin'ireo fasanay izay safidinao indrindra ny fatin'ny vadinao. Tsy misy na iza na iza aminay handà izany fasana izany ho anao, mba hafahanao mandevina ny fatin'ny vadinao." 7 Nitsangana Abrahama ka nandohalika tamin'ireo olona teo an-toerana, tamin'ireo zanaka lahin'i Heta. 8 Niteny tamin'izy ireo izy, nanao hoe: "Raha manaiky ianareo fa tokony handevina ny fatin'ny vadiko aho, dia henoy aho ary hiangavio i Efrona zanaka lahin'i Zohara, ho ahy. 9 Angataho izy mba hivarotra amiko ilay lava-baton'i Makpela, izay azy, any amin'ny faran'ny sahany. Amin'ny vidiny feno dia aoka izy hivarotra izany amiko ampahibemaso ho toy ny fananana ho toerana fandevenana." 10 Ary Efrona nipetraka teo amin'ireo zanaka lahin'i Heta, ary Efrona ilay Hetita namaly an'i Abrahama mba ho ren'ireo zanaka lahin'i Heta, sy ireo rehetra izay tonga teo amin'ny vavahadin'ny tanànany, nanao hoe: 11 "Tsia, ry tompoko, henoy aho. Nanome saha anao aho, sy ny lava-bato izay ao amin'izany. Nomeko ho anao teo anatrehan'ireo zanaka lahin'ny oloko izany. Omeko anao izany mba handevenanao ny faty izay anao." 12 Avy eo Abrahama nampiankohoka ny tenany nanoloana ny olona teo an-toerana. 13 Niteny tamin'i Efrona izy mba ho ren'ny olona teo amin'ilay tanàna, nanao hoe: "Kanefa raha sitrakao, henoy re aho. Ho vidiako ny saha. Raiso ny vola avy amiko, ary handevina ny fatin'ny vadiko eny aho." 14 Efrona namaly an'i Abrahama, nanao hoe: 15 "Aoka re, ry tompoko, mihainoa re ahy. Sekely volafotsy efajato no sahaza ny ampahan-tany iray, ho inona amintsika sy ianao izany? Aleveno ny fatin'ny vadinao." 16 Nohenoin'i Abrahama i Efrona ka nolanjainy ho an'i Efrona ny fatran'ny volafotsy izay noresahiny mba ho ren'ireo zanaka lahin'i Heta, sekely volafotsy efajato, araka ny fandanjana mahazatra ny mpivarotra. 17 Noho izany ny tanin'i Efrona, izay tao Makpela, teo akaikin'i Mamre, izany hoe, ilay saha, ilay lava-bato izay ao amin'izany, sy ireo hazo rehetra izay eo amin'ny tany sy manodidina ny sisiny, dia lasan'i 18 Abrahama tamin'ny fividianana izany teo anatrehan'ireo zanaka lahin'i Heta, teo anatrehan'ireo rehetra izay tonga teo amin'ilay vavahadin'ny tanànany. 19 Tao aorian'izany, dia nandevina an'i Saraha vadiny tao amin'ilay lava-baton'ilay sahan'i Makpela i Abrahama, izay teo akaikin'i Mamre, izany hoe, Hebrona, tao amin'ny tany Kanana. 20 Noho izany ny saha sy ny lava-bato ao izay dia lasa fananan'i Abrahama ho toeram-pandevenana, izany dia avy amin'ireo zanaka lahin'i Heta.