19

1 Tonga tao Sodoma ireo anjely anankiroa rehefa hariva, raha mbola nipetraka teo ambavahadin'i Sodoma i Lota. Hitan'i Lota izy ireo, nitsangana hitsena azy ireo, ary nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany. 2 Hoy izy hoe: "Tompoko, miangavy anareo re aho mba hivily ao an-tranon'ny mpanomponareo, mijanòna ao anio alina, ary sasao ny tongotrareo. Dia afaka mifoha vao mangiran-dratsy ianareo ary mandeha amin'izay lalan-kalehanareo. Namaly izy ireo hoe: "Tsia, handany ny alina eo an-kianjan'ny tanàna izahay." 3 Fa niangavy fatratra azy ireo izy, ka niaraka taminy izy ireo, ary nandroso tao an-tranony. Nahandro sakafo sy nanendy mofo tsy misy masirasira izy, dia nihinana izy ireo. 4 Kanefa talohan'ny natorian'izy ireo, ny lehilahin'ny tanàna, ny lehilahin'i Sodoma, dia nihodidina ny trano, ny tanora sy ny antitra, ireo lehilahy rehetra avy amin'ny faritry ny tanàna. 5 Nantsoin'izy ireo Lota, ka niteny taminy hoe: "Aiza ireo lehilahy izay tonga tato aminao tamin'ity alina ity? Ento aty aminay izy ireo, mba hafahanay miara-mandry amin'izy ireo." 6 Ka nivoaka ny varavarana ho eo amin'izy ireo Lota ary nanakatona ny varavarana tao aoriany. 7 Hoy izy hoe: "Ry rahalahiko, miangavy anareo aho, aza manao zava-dratsy loatra. 8 Indro, manan-janaka vavy anankiroa izay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy aho. Avelao aho, mitalaho aminareo aho, entiko eto aminareo ireo, ary ataovy amin'izy ireo izay tsara eo imasonareo. Aza manao na inona na inona amin'ireo lehilahy ireo, satria tonga ato ambany aloky ny tafoko izy ireo." 9 Hoy izy ireo hoe: "Mialà!" Hoy ihany koa izy ireo hoe: "Ity iray ity dia tonga teto mba hitoetra ho vahiny, ary izao izy indray no ho lasa mpitsara antsika! Ary ankehitriny dia hanao izay ratsy indrindra miaraka aminao noho ny miaraka amin'izy ireo izahay." Nanosika mafy nanohitra an'ilay lehilahy izy ireo, nanohitra an'i Lota, ary nanakaiky mba hamaky ny varavarana. 10 Fa ireo lehilahy nanandratra ny tanan'izy ireo sy nisintona an'i Lota hiditra ao an-trano hiaraka amin'izy ireo ary nanakatona ny varavarana. 11 Ary ireo vahinin'i Lota namely hajambana ireo lehilahy izay tao ivelan'ny varavaran'ny trano, ny kely sy lehibe, mba hahatonga azy ireo sasa-poana raha niezaka nitady ny varavarana izy ireo. 12 Dia niteny tamin'i Lota ireo lehilahy hoe: "Mbola misy olon-kafa ve ato aminao? Vinanto lahy, ireo zanaka lahinao sy ireo zanaka vavinao, ary izay hanananao eto amin'ity tanàna ity, dia ento mivoaka eto izy ireo. 13 Fa efa ho ravainay ity toerana ity, satria ny fiampangana izany eo anatrehan'i Yaveh dia tonga mafy loatra ka nirahany handrava izany izahay." 14 Nandeha Lota ary nampilaza ireo vinanto lahiny, ireo lehilahy izay efa nampanantena hanambady ireo zanany vavy, ary niteny hoe: "Faingàna, mialà amin'ity toerana ity ianareo, fa efa ho ravain'i Yaveh ity tanàna ity." Fa tamin'ireo vinanto lahiny dia toy ny nivazivazy izy. 15 Vao mangiran-dratsy ny andro, dia nitalaho tamin'i Lota ireo anjely, niteny hoe: "Mandehana, ento ny vadinao sy ireo zanakao roa vavy izay eto, mba tsy ho voaringana koa ianao amin'ny famaizana ny tanàna." 16 Kanefa nitaredretra izy. Dia nohazonin'ireo lehilahy ny tanany, sy ny tanan'ny vadiny, ary ny tanan'ireo zanany roa vavy, satria be famindram-po taminy i Yaveh. Nentin'izy ireo niala izy ireo, ary napetrak'izy ireo ivelan'ny tanàna. 17 Rehefa tafavoakan'izy ireo teny ivelany izy ireo, dia niteny ny iray tamin'ireo lehilahy hoe: "Mandosira ho amin'ny ainareo! Aza miherika, na mijanona amin'ny tany lemaka. Mandosira any an-tendrombohitra mba tsy ho voaringana ianareo." 18 Hoy Lota tamin'izy ireo hoe: "Tsia re tompoko o! 19 Efa nahita sitraka teo imasonao ny mpanomponao, ary efa naneho hatsaram-panahy lehibe tamiko ianao tamin'ny namonjenao ny aiko, kanefa tsy afaka ny handositra ho any an-tendrombohitra aho, satria hahatratra ahy ny loza, ary ho faty aho. 20 Fa indro, iry tanàna iry dia akaiky kokoa azo handosirana tsara, ary kely izy io. Tompoko, aoka re aho handositra ao (tsy kely ve io?), ary dia ho voavonjy ny aiko." 21 Hoy izy taminy hoe: "Eny ary, ekeko ihany koa izany fangatahana izany, fa tsy hamotika ny tanàna izay nolazainao teo aho. 22 Faingàna! Mandosira any, fa tsy afaka hanao na inona na inona aho mandra-pahatonganao any." Noho izany no niantsoana ny tanàna hoe: Zoara. 23 Efa niposaka tamin'ny tany ny masoandro nony tonga tao Zoara i Lota. 24 Dia nandatsaka solifara sy afo avy tany an-danitra tamin'i Sodoma sy Gomora i Yaveh. 25 Nopotehiny ireo tanàna ireo, sy ny lemaka rehetra, sy ireo mponina rehetra tao amin'ireo tanàna, ary ireo zava-maniry izay naniry tamin'ny tany. 26 Nefa ny vadin'i Lota, izay tao aoriany, niherika, ary dia tonga vongan-tsira izy. 27 Nifoha vao maraina Abrahama ka nankany amin'ilay toerana izay nijoroany teo anatrehan'i Yaveh. 28 Nitazana an'i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy. Nijery izy ka indro, niakatra tahaka ny setrokin'ny lafaoro lehibe ny setroka avy tamin'ny tany. 29 Ary rehefa nandrava ireo tany lemaka Andriamanitra, dia nahatsiaro an'i Abrahama. Nentiny niala avy tao afovoan'ny fandravana i Lota rehefa nandrava ny tanàna izay nonenan'i Lota Izy. 30 Dia niakatra avy tao Zoara i Lota mba honina tany amin'ireo tendrombohitra niaraka tamin'ireo zanany roa vavy, satria natahotra ny hitoetra tao Zoara izy. Nitoetra tanatina lava-bato iray izy, izy sy ireo zanany roa vavy. 31 Hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny hoe: "Efa antitra ny raintsika, ary tsy misy lehilahy hiara-mandry amintsika araka izay fanaon'izao tontolo izao. 32 Avia, Andeha hampisotrointsika divay ny raintsika, ary hiaraka handry aminy isika, mba hafahantsika manitatra ny taranaky ny raintsika." 33 Ka dia nampisotroin'izy ireo divay ny rainy tamin'io alina io. Avy eo dia niditra ilay vavimatoa ary nandry niaraka tamin-drainy; kanefa izy dia tsy nahafantatra ny fotoana izay nandriany, na ny nifohazany. 34 Nony ampitso dia niteny tamin'ny zandriny ilay vavimatoa hoe: "Henoy, nandry niaraka tamin'ny raiko aho alina. Koa andeha hampisotrointsika divay ihany koa izy anio alina, ary tokony miditra ao ianao ary mandry miaraka aminy, mba hafahantsika manitatra ny taranaky ny raintsika." 35 Ka nampisotroin'izy ireo divay indray ny rainy tamin'io alina io, ary nandeha nandry niaraka taminy ilay zandriny. Tsy nahafantatra izay nandriany izy, na izay nifohazany. 36 Noho izany dia samy nanan'anaka tamin'ny rainy ireo zanaka vavin'i Lota. 37 Ny vavimatoa dia niteraka zazalahy, ary nantsoina hoe Moaba. Izy no lasa razamben'ny Moabita ankehitriny. 38 Ary ilay faravavy, dia niteraka zazalahy ihany koa, ary niantso azy hoe Benamy. Lasa razamben'ny taranak'i Amona izy ankehitriny.