18

1 Niseho tamin'i Abrahama teo akaikin'ny hazo terebintan'ny Mamre i Yaveh, raha nipetraka teo antokanam-baravaran'ny lay tamin'ny misandratr'andro izy. 2 Niandrandra izy ary, indro, nahita lehilahy telo nitsangana teo amin'ny tandrifiny. Rehefa hitany izy ireo, dia nihazakazaka hijery azy ireo avy eo am-baravaran'ny lay izy ary niankohoka ambany tamin'ny tany. 3 Hoy izy hoe: "Tompo, raha nahita sitraka teo imasonao aho, dia aza mandalo na mandao ity mpanomponao. 4 Aoka hisy rano kely ho entina, sasao ny tongotrareo, ary mijànona eo ambany hazo. 5 Avelao aho hitondra sakafo kely, mba hahafahanareo mamelombelona ny tenanao. Rehefa afaka izany dia afaka mandeha amin'ny lalanareo ianareo, satria tonga teo amin'ny mpanomponareo ianareo." Namaly izy ireo hoe: "Ataovy toy ny noteneninao." 6 Avy eo Abrahama niditra haingana tao an-day tao amin'i Saraha, ary nanao hoe: "Faingàna, mitondrà koba tsara intelon'ny Sea, volavolay izany, ary ataovy mofo." 7 Dia nihazakazaka tany amin'ny mpiandry ondry Abrahama, ary naka zanak'omby izay malambolambo sy tsara, ary nanome izany an'ilay mpanompo, ary nikoropaka hikarakara izany izy. 8 Naka vaingan-dronono sy ronono izy, ary ilay zanak'omby izay efa voakarakara, ary nametraka ny sakafo teo anoloan'izy ireo, ary nitsangana teo akaikin'izy ireo teo ambanin'ny hazo izy raha mbola nihinana izy ireo. 9 Niteny tamin'izy ireo izy hoe: "Aiza i Saraha vadinao?" Namaly izy hoe: "Ao anaty lay ao." 10 Hoy izy hoe: "Hiverina aty aminao tokoa aho amin'ny lohataona, ary indro, hanan-janaka lahy i Saraha vadinao." Nihaino teo antokonam-baravaran'ny lay, izay tao aoriany i Saraha. 11 Ary efa antitra Abrahama sy Saraha, nandroso taona tokoa, ary efa nihoatra ny taona izay hahafahan'ny vehivavy mitondra anaka i Saraha. 12 Dia nihomehy ny tenany Saraha, nanao tamin'ny tenany hoe: "Rehefa tsy misy ilaina ahy ary ny tompoko dia antitra, hanana izany fahafinaretana izany ve aho ankehitriny?" 13 Yaveh niteny tamin'i Abrahama hoe: "Naninona no nihomehy Saraha ary niteny hoe: 'Hanan'anaka tokoa ve aho, na dia antitra aza aho?' 14 Moa misy zavatra sarotra loatra amin'i Yaveh ve? Amin'ny fotoana voatondroko, amin'ny lohataona, hiverina any aminao Aho. Amin'izany fotoana izany amin'ny taona ho avy dia hanan-janaka lahy Saraha." 15 Ary nandà izany Saraha ary nanao hoe: "Tsy nihomehy aho," satria natahotra izy. Namaly Izy hoe: "Tsia, nihomehy tokoa ianao." 16 Dia nitsangana ireo lehilahy mba handeha ary nijery tany Sodoma. Nandeha niaraka tamin'izy ireo Abrahama mba hijery azy ireo teny amin'ny lalan'izy ireo. 17 Fa hoy Yaveh hoe: "Tokony afeniko amin'i Abrahama ve izay ho ataoko, 18 satria tokoa Abrahama dia ho lasa firenena lehibe sy mahery, ary ireo firenena rehetra eto ambonin'ny tany dia ho tahiana avy aminy? 19 Fa nifidy azy Aho mba hahafahany mampianatra ireo zanany sy ny ankohonany hanaraka azy mba hitandrina ny lalàn'i Yaveh, mba hanao ny fahamarinana sy ny rariny, mba hahafahan'i Yaveh mitondra eo amin'ny i Abrahama izay nolazainy taminy." 20 Dia niteny Yaveh hoe: "Satria lehibe loatra ny fitarainana ny amin'i Sodoma sy Gomora, ary satria be loatra ny fahotan'izy ireo, 21 dia hidina any Aho izao ary hijery ny fitarainana ny aminy izay tonga tamiko, na nanao izany tokoa izy ireo. Raha tsy izany, dia ho fantatro." 22 Noho izany dia nihodina avy tao ireo lehilahy, ary nandeha nankany Sodoma, fa Abrahama nijanona nitsangana teo anoloan'i Yaveh. 23 Avy eo Abrahama nanatona ary niteny hoe: "Hifaoka ny marina miaraka amin'ny ratsy fanahy ve Ianao?" 24 Angamba misy marina dimampolo ao amin'ny tanàna. Handripaka izany ve Ianao ary tsy hamindra fo ny toerana nohon'ny amin'ny dimampolo marina izay ao? 25 sanatria aminao ny hanao zavatra toy izany, mamono ny marina miaraka amin'ny ratsy fanahy, mba hahafahana mitondra ny marina tahaka ny ratsy fanahy. sanatria aminao izany! Tsy hanao izay marina ve ny Mpitsaran'ny tany rehetra? 26 Hoy Yaveh hoe: "Raha mahita marina dimampolo ao an-tanàna ao Sodoma Aho, dia hamindra fo ny toerana manontolo nohon'ny amin'izy ireo." 27 Namaly Abrahama ary nanao hoe: "Indro, nanaiky ny niresahako taminy ny Tompoko, na dia vovoka sy lavenona ihany aza aho! 28 Ahoana raha latsaka dimy ny dimampolo marina? Handrava ny tanàna manontolo nohon'ny dimy tsy ampy ve Ianao?" Dia hoy Izy hoe: "Tsy handrava izany Aho, raha mahita dimy amby efapolo ao." 29 Dia mbola niteny taminy indray izy, ary nanao hoe: "Ahoana raha misy efapolo hita ao?" Namaly Izy hoe: "Tsy hanao izany nohon'ny efapolo Aho." 30 Hoy izy hoe: "Azafady aza tezitra, ry Tompo, mba hafahako miteny. Angamba telopolo no ho hita ao." Namaly Izy hoe: "Tsy hanao izany Aho, raha mahita telopolo ao." 31 Hoy izy hoe: "Indro, nanaiky hiteny tamin'ny Tompoko aho! Angamba roapolo no ho hita ao." Namaly Izy hoe: "Tsy handrava izany nohon'ny roapolo Aho." 32 Hoy izy hoe: "Azafady aza tezitra, ry Tompo, ary hiteny ity farany aho. Angamba folo no ho hita ao." Dia niteny Izy hoe: "Tsy handrava izany nohon'ny folo Aho. 33 Nandeha tamin'ny lalany Yaveh vantany vao avy niresaka tamin'i Abrahama, ary Abrahama niverina nody.