Toko faha 6

1 Nialàny toairagna io kay nôdy an-tanindrazagnanazy Izy, aviteo nagnaraka aza aby mpianatranazy. 2 Izy koafa tonga ny andro Sabata, nagnampianatra tao amin'ny Synagoga Izy. Fôntry ny ôlogno nitandregny Azy salakady gaga koa zareo. Nivaolagna zareo hoe: "Mbô avy aiza eky azahoany fampianaragna magnanjany?" "Avakeo mbô zôvy koa nagnamia Azy zany fahendriagny zany?" "Avakeo koa fahagagagna aby tsabony tagnagnanazy reo?" 3 "Tsy ngiaha mpandrafitra igny moa io, ny araiky zanaka Marie sy ndraiky rahalahin'ny Jakoba aveo Josefa sy Jodasy avakeo Simona? Avakeo tsy miaraka amintsika eto moa rokivaviny regny? Vignitry tamin'ny Jesôsy zareo aviteo. 4 Ary nivaolagna Jesôsy tamin-jareo: "Tsisy mpagnazary tsy hamegny haja, afa tsy lehy akao amin'ny tany faviany avakeo akao amin'ny havany marikitry azy avakeo koa amin'ny fianakaviagnazy tôkagna edy." 5 Tsy afaka magnano asa mahagaga eky izy, koa tsy famitrahantagnagna amin'ny marary vitsivitsy avakeo mampahivagna zareo. 6 Lany fagnaha amin'ny tsy finoagnan-jareo baka Izy. aviteo lôsogno nagnodidigny tanagna Izy ndehagnanatra. Aveo nagnantso zareo roa ambinifôlo lahy Izy avakeo nanomboka nagniraka zareo tsiroaroa, aveo namiany fahefagna akao amin'ny fagnaha maloto zareo, 8 avakeo nampitandrigny zareo tsy hinday raha amin'ny tany zay avy nimbon-jareo, na môfo, na sakelika, na vola amin'ny fehinkibon-jareo afa tsy tongôzo edy. 9 Fa hagnano kiraro, avakeo ndraiky tsy hagnano ankanjo aroa. 10 Nivaolagna izy tamin-jareo hoe: "Na afiriagna na afiriagna aby areo hitsôfotra amin'ny tragno araiky, dia mibidoha agny fôgna areo papiky areo hôdy. 11 Izy koa ndraiky misy tanagna tsy mampiditry areo na mitandregny areo, izy koa fa miala ao amin'ny toairagna zany areo, dia araraho aby vôvoko jiaby amin'ny tongotroareo mbô hijoroagna vavolombelogno amin-jareo." 12 Lôsogno zareo avakeo nagnambara tamin'ôlogno fa tôkony hifôgno amin'ny raha tsy manjary nataony. 13 Nandroaka masantôko fôntry zareo, ary nagnôsotro marary fôntry tamin'ny mainaka aviteo nampahivagna zareo. 14 Regniny Heroda mpanjaka zany, satria nanjary nalaza agnaragna Jesôsy. Ny sasany nivaolagna hoe: "Nitsangagna tamin'ny maty Jaona mpagnano batisa izy koafa nagnan'igny, dia nanjary niasa tamin'ny angôvo mahagaga zareo." 15 Fa ny sanany tamin-jareo ndraiky nivaolagna hoe: "Elia Izy." nivaolagna koa ny sanany hoe: "Mpagnazary Izy, tôrotro lehy araiky tamin'ny andron'ny mpagnazary taloha regny." 16 Izy koafa naharegny zany Heroda dia nivaolagna izy hoe: "Jaona, lehy nitapahiky lôha, no nitsangagna avy tamin'ny maty." 17 Fao Heroda baka nagniraka ôlogno nanambotra i Jaona aveo nagnandaifa azy tagny antragno mahizigny avy tamin'ny raharahan'ny Herodia sy (vadiny Filipo rahalahiny), satria nivadiny io vaiavy io. 18 Aviteo Jaona nivaolagna tamin'ny Heroda hoe: "Mifanipaka amin'ny lalàgna ny hanambadiananao vadin'ny rahalahinao." 19 Fao vignitra tamininazy Herodiasy kay nitsakaraka raha hamonoagna azy, kanaifa tsy afaka, 20 satria matahotra Jaona Heroda; hainy tsarabe fao ôlogno marigny Jaona salakady feno fahamasinagna aviteo niarôvany izy. Nampanahiragn'azy ny fitandrignaisany azy, kanaifa mbaola nitandrignaisany tamin'ny haravoagna faogna izy. 21 Pehy tonga ndraiky fitsingeran'ny taogno nahatirahin'i Heroda aviteo izy nagnasa reo ôlogno maventiny, sindraiky mpifehy, aveo zareo mpitarika Galilia. 22 Kay nitsôfotro tamin'ny hefitry tragno fagnasagna ny zanakavavin'i Herodiasy aveo izy nandihy hoan-jareo, kay naharavoravo Heroda sy reo vahiny nafarigny tamin'ny fihinanagna raha natany. Kay nivaolagna mpanjaka tamin'ny vaiavy io: "Angahoy aminaha raha tianao fa ameky aby." 23 Ary nifanta taminazy izy nagnano hoe: "Na ino na ino raha angahonao aminaha, dia hameky anao, na sasahigny aby fanjakagnanahy." 24 kay niboaka izy aveo nivaolagna tamin'ny nininy hoe: "Ino mao raha tokony angahoky aminazy? Nivaolagna nininy hoe: "Talandôhan'i Jaona mpagnano batisa." 25 koafa naharegny zany nimpody nalaky tamin'ny mpanjaka izy, kay nangaho, nivaolagna hoe: "Tiako amaizanao zaho, amin-jeo, akeo amboniny kapilany lôhan'ny Jaona mpagnano batisa." 26 Na dia nanpiasa lôha mpanjaka mafy aby zany, dia tsy afaka nitsipahiny fangatahany satria afa nagnome toky izy salakady mbaola teo aby reo vahiny nafariny tamin'ny fihinagna. 27 Koafa zany nagniraka miaramilany araiky avy tamin'ny mpiambigny ny mpanjaka avakeo nagnamia baiko zareo izy hinday lôhany Jaona aminazy. Lôsogno mpiambigny aveo nanapaka lôhany tao antragno mahizigny. 28 Nindesiny teo amboniny kapila ny lôhany aviteo nameny zaza vaiavy, aviteo vaiavy io ninday salakady nagnamia azy nininy. 29 Koafa naharegny zany mpianatra nazy, homby tagny zareo ary nalaka ny nôfony kay nagnambaila zany tao am-pasagna. 30 Nimpôdy tamin'ny jesôsy reo apostôly, aveo nitantara raha jiaby vitan-jareo tagny sy nagnanarany zareo. 31 Nivôlagna Izy tamin-jareo: "Alôho atsika andaiha antany maty hangala rairaka hely". Fa fôntry ôlogno mihirihory, aveo tsisy fotoagna hinanagna hanigny aby zareo. 32 Kay lôsogno tamboniny lakagna zareo mbô handaiha agny amin'ny tany maty. 33 Fao zareo nahita fao lôsogno zareo aveo fôntry ôlogna nahay zareo, aviteo niaraka nilomoay an-tongotra avy tamin'ny tanagna jiaby zareo, avakeo homby talohan'jareo. 34 Zareo koafa tonga tamin'ny magnôlotro, dia nahita vahoaka fôntry Izy aviteo nafiraigny Azy zareo satria karaha ondry tsisy mpikôpoko regny zareo. Kay nanomboka nagnanatra raha fôntry tamin-jareo. 35 Koafa haligny andro, nagnatogno Azy mpianatranazy reo nivaolagna hoe:"Tany maty tany misy atsika tô avakeo andro io fa marikitry aligny. 36 kay alifaso zareo mbô handaiha mody antanàgna magnodidigny hivagna hanigny hoanin-jareo." 37 Kay namaly Izy aviteo nivaolagna hoe: "Amezonareo raha hoanigny zareo."Dia nivaolagna zareo taminazy hoe: Afaka mandaiha mivanga mofo amin'ny vola roanjato moa zahay kay agnamaizanay zareo raha hoanigny? " 38 Dia nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Firy moa mofo anagnanareo?"Ndao zahavo"izy aviteo koafa hitany nivaolagna zareo hoe: "Mofo dimy sindraiky lako aroa." 39 Aviteo nagnirako ôlogno jiaby hantotry mitsitrôkotrôko amin'ny ahitra mahitso Izy. 40 Aviteo nantotry araka amin'ny an-tokony zareo; tokony dimampôlo ambiny zato zareo. 41 Nalainy mofo dimy sindraiky lako aroa, aviteo nizaha lagnitry Izy salakady nankasitraka aveo nagnamia mofo tamin'ny mpianatranazy mbô hagnamezan-jareo azy amin'ôlogno. Aveo lako dimy koa norasaigny tamin-jareo aby. 42 Nihinagana aby zareo jiaby kay voky. 43 Koafa navôry lambiny mofo tsy lany tokony ho roambinifôlo garaba, nagnanjany koa lako. 44 Nahampy dimy arivo lalahy zareo nihinagna mofo reo. 45 koafa vitan-jareo zany nirahiny nakatra amin'ny lakagna mpiantranazy mbô hitsaina Azy andafirô, handaiha agny Betsadia, raha nagnandaifa vahoaka Izy. 46 Zareo aviteo koafa lôsogno nakatra antampon-tanety Izy mbô hivavaka. 47 Tonga ny aligny, ary ny lakagna fa tagnivondrano masigny, kay nanjary izy araiky faogna tantanety. 48 Ary hitany fao taigna nijaly namily ny lakagna zareo, satria namaly zareo nafy ny rivotro. Tokony tamin'ny fotoagna fiambaisagna ny faha aifatra ny aligny nandaiha tamin-jareo Izy salakady nandaiha teo ambonin'ny ranomasigny, ary managna fikasagna handalo amin-jareo Izy. 49 Koafa hitan-jareo nandaiha tambonin'ny ranomasigny Izy, ambory zareo satria nantan-jareo lôlô, niafatrafatra zareo, 50 satria nahita Azy zareo salakady ambory. Ingy edy haila nivaolagna tamin-jareo Izy: "Matokisa! Fa zaha faogna tô! Aza ambory!" 51 Izy aviteo niditry tamin'ny lakagna niaraka tamin-jareo, nijanogno tsy nandrivotro eky andro. Gaga zareo aviteo. 52 Satria tsy azon'ny menimen-jareo hely aby ny dikany mofo. fa nahay nafy fô faogna zareo. 53 Koafa tafitsaka zareo, dia tonga tao Genesareta reo kay nijanogno tao. 54 Koafa nijotso avy tamboniny lakagna zareo, tonga dia hain'ôlogno tao, 55 kay nilomoay nagnairany faritry jiaby zareo, aviteo nintonga ôlogno narary tamin'ny fandriagna tamin'ny tany jiaby narignaisanjareo Azy. 56 Fao na taiza na taiza tany nimboany na tantanàgna, na tanàgna gaida, na amin'ny tanagna madiniky, dia napaitraka zareo tamin'ny banja faogna ôlogno marary. Nangavignin-jareo Izy mbô hagnambaila zareo hikasika ny rambon'ankanjony, ary fôntry zareo nikasika Azy aviteo nahivagna aby.