Toko faha 5

1 Tonga tagny andafirôn-dranomasigny zareo, tao amin'ny faritr'i Gerasena. 2 Koafa niala tao amin'ny lakagna Jesôsy, tonga dia nisy lalahy araiky azon'ny fagnahy maloto nagnatogno Azy avy tagny amin'ny fasagna. 3 Nipaitraka tagny amin'ny fasagna tô lalahy tô. Tsisy afaka nitagna azy eky, na dia tamin'ny silisily aby. 4 Voatady mazagna tamin'ny gadra vy ndraiky silisily izy. Nitapahany reo rôjo ary potiky reo gadra vy. Tsisy nanagna ngôvo nitagna azy. 5 Isan'aligny ndraiky isan'andro tagny amin'ny reo fasagna ndraiky tagny an-tampontanety, dia nangaikingaiky izy aveo nandratra ny haigniny tamin'ny vato marangitry. 6 Koafa nahita Jesôsy avy lavitry izy, dia nilomoay nagnatogno Azy sady nondriky Talaohany. 7 Ary nangaiky tamin'ny feo mafy izy hoe: " Ino moa ifandraisako aminao, ry Jesôsy, Zanaka Zagnahary Taigna Ambony? Miangavy Anao amin'ny agnaran-Jagnahary araiky faogna zaho, aza mampijaly zaho." 8 Fao Izy nivaolagna taminy hoe: "Miboaha amin'io lalahy io, ry fagnahy maloto." 9 Ary Izy nagnontany azy hoe: "Zôvy moa agnaragnao?" kay nivaliany hoe: "Legiona agnarako, satria maro be zahay." 10 Ary nagavigny mafy Taminy lalandava izy tsy hanaora zareo agny ambailan'ny faritry. 11 Ary nisy andian-kisoa nihinagna tan-tanety, 12 ary niangavy Taminy zareo, nagnano hoe: "alifaso amin'ny reo kisoa zahay; ambilao zahay hiditry amin-jareo." 13 Kay nambailany zareo; ary niboaka reo fagnahy maloto kay nitsôfotro tamin'ny reo kisoa, aveo nilaifa tagny an-taivagna hoagny an-dranomasigny zareo, ary kisoa tôkony roa arivo no maty an-dranomasigny. 14 Nilaifa reo nampihinagna kisoa aveo nagnambara raha jiaby nisy tao antanàgna ndraiky tagny ambanivôhotro, ary ôlogno maro no niboaka hizaha ny raha nisy. 15 Aveo zareo nandaiha amin'i Jesôsy ary hitan-jareo lehy lalahy nibidaohan'ny masantôko, lehy araiky zay nibidaohan'ny legiona, nipaitraka teo, nisikigny, ary nisy fagnahy; kay natahotra zareo. 16 Reo zay nahita ny raha nisy tamin'ny lehy lalahy nibidaohan'ny masantôko dia nitantara tamin-jareo ny mahakasiky zany tamin'ny antsimpiriany, aveo koa nitantara mahakasika reo kisoa tamin-jareo. 17 Dia nanomboko niangavigny Azy zareo mbô hialany eo amin'ny faritry zareo. 18 Koafa hiakatra tamin'ny lakagna Izy, dia niangavy Taminy lehy lalahy nibidaohan'ny masantôko mbô hiaraka Aminy. 19 Kanaifa tsy nagnambaila azy Jesôsy, fao nagnano hoe: "Mandihana môdy agny amin'ny tragnonao ndraiky fianakaviagnanao ary tantaray amin-jareo raha natan'ny Tômpo taminao, ndraiky namindrany fô taminao!" 20 Dia lôsogno nôdy izy aveo nanomboko nagnambara ny zava-dehibe zay natan'i Jesôsy taminy tagny Dekapolisy, ary gaga ny jiaby. 21 Ary koafa nandaiha nitsaka ndraiky Jesôsy, tamin'ny lakagna, dia igny nisy ôlogno maro taigna maro nivôry nagnodidigny Azy, koafa teo amorondranomasigny igny Izy. 22 Avakeo avy ny araiky amin-jareo mpitariky synagoga, antsôvigny hoe Jairo, koafa nahita Azy, dia niantoraka tamin'ny hogony. 23 Niangavy lalandava izy, naganano hoe: "Marary mafy afa hofoaty ny zanako vaiavy. Miangavy Anao zaho, avia, avakeo apitraho aminazy ny tagnagnao mbô hahivagna izy." 24 Dia lôsogno niaraka taminy Izy, ary vahoaka maro no nagnaraka ndraiky nankahety nagnodidigny Azy. 25 Ary nisy vaiavy araiky teo voan'ny fahaveraizan-dio lava nandritran'ny roambinifolo tagno. 26 Sahiragna mafy izy ary afa nitety mpitsabo maro ndraiky nandany fanagangna jiaby kanaifa tsy nahivagna fao voa maika nahay nafy. 27 Koafa naharegny reo tatitry mahakasika Jesôsy izy, dia nandaiha tafarany tao agnaty ôlogno maro izy, aveo nikasiky lambany. 28 Satria nivolagna izy hoe: "izikoa mikasiky lambany fogna zaho, dia hahivagna." 29 Koafa nikasiky Azy izy, dia nijanogno ny fahaveraizan-dio. Aveo tsapany hatragny agnatiny fa nahivagna tamin'ny aretigny izy. 30 Hain'i Jesôsy niaraka tamin'ny zay fao nisy hery lôsogno tamin'Azy. Nitodiky tagny amin'ny ôlogno Izy aveo nivolagna hoe: "Zôvy no nikasiky lambanaha?" 31 Dia namaly Azy reo mpianatra hoe: Hitanao ôlogno reo maro mifanitsiditsidigny aminao reo, kay hozy Anao hoe: "Zôvy nikasiky zaho." 32 Fao ninizaha ny magôlotro Azy Jesôsy mbô hahitavany zay nagnano zany. 33 Lehy vaiavy, nahay zay raha nitranga taminazy, dia natahotro aveo nangitakitaka. Lôsogno izy avakeo niantoraka talohaka Jesôsy kay nivaolagna taminazy ny marigny jiaby. 34 Dia nivaolagna Jesôsy taminazy hoe: "Zanako ny finoagnanao no nampahivagna anao. Mandihàna amin'ny fiadanagna ary mahivàgna amin'ny aretigny nao." 35 Koa mbôla nivaolagna Izy, dia avy ny ôlogno sasany avy tagny amin'ny mpitariky synagoga, nagnano hoe: "Afa maty ny zanakao. Nagnino mbôla manahiragna Mpagnanatra faogna?" 36 Kofa naharegny zay nivolagnin-jareo Jesôsy, dia nivaolagna Izy tamin'ny lehy mpitariky synagoga hoe: "Aza ambory, magnikaiha faogna." 37 Ary tsisy nambailany hiaraka Aminazy, koa tsy Petera, Jakoba, aveo Jaona, rahilahin'iJakoba. 38 Tonga tagny antragnon'ny lehy mpitariky ny synagoga zareo avakeo nahita ôlogno naraisaka mafy teo izy; nitomoagny ndraiky nivolambolagna mafy zareo. 39 Koafa niditry ny tragno Izy, dia nivaolagna tamin-jareo Izy hoe: Nagnino areo mivolambolagna ndraiky mitomoagny? Tsy maty ny zaza fao mandry." 40 Nimoehy Azy zareo. Kanaifa naboakany tagny ambailany zareo jiaby avakeo nangala ny babany ndraiky ninin'ny lehy zaza ndraiky reo zay niaraka taminazy, aveo nitsôfotro tao amin'ny tragno nisy lehy zaza Izy. 41 Nalainy ny tagnan'ny lehy zaza avakeo nivaolagna taminazy hoe: "Talita, Komy!" zay adika hoe: "Razazavavy, mivaolagna aminao Zaho, mitsangàna." 42 Niraka tamin'igny nitsangagna razazavavy, aveo nandaiha(Satria roa ambin'ny folo tagno izy). Tonga dia afa gaga zareo. 43 Naraovany mafy zareo mbô tsy hisy na zôvy na zôvy hahay ny mahakasika zao. Avakeo nirahiny namiagna hanigy lehy zazavaiavy.