Toko Faha 3

1 Tamin'ny tagno faha dimy ambin'ny fôlo nanjakan'i Tiberia Kaisara—fony Pontio Pilato no goverinoron'ny Jodia, Heroda dia mpanapaka tao Galilia, Filipo rahalahiny dia mpanapaka tao amin'ny faritry Itoria ndraiky Trakonitisy, aveo Lysania dia mpanapak'i Abilena, 2 nandritry ny fisoronam-ben'i Anasy ndraiky Kaiafa—dia tonga tamin'i Jaona Zanaka lalah'i Zakaria tagny antany maty ny koragnan-Jagnahary. 4 Araka ny voasaoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Isaia mpagnazary magnanjao: "Nisy feo araiky nagnantso mafy avy agny antanimaty: 'Atôvy vôgnogno ny lalan'ny Tompo, atôvy mahitsy ny lalagna mboany. 7 Koa nivaolagna tamin'reo vahoaka zay avy ho tsabogny batisa Jaona nagnanjao: "Areo tamingany mainapitsoko! Zôvy no nampitandrigny areo mbô hilaifa fahatizairagna hoavy? 8 Noho zany, mamokàra voa magnaiva fibaibahagna, aveo aza mivaolagna agnitinare magnanjao: 'Zahay managna Abrahama ho iadanay,' fao mivaolagna areo zaho fao Zagnahary afaka manangagna zanaka ho nihin'i Abrahama avy amin'ny reto vato reto. 9 Zeo aby famaky dia mibidôko amin'ny fôto-kakazo ao. Koa ny kakazo jiaby zay tsy mamoa voa tsara dia voatevy avakeo atopy agny amin'ny môtro." 14 Miaramila fôntry koa nagnontany azy, nivaolagna nagnanjao: "Akôry mahakasiky zahay? Ino tsy maintsy tsabonay?" Izy nivaolagna tamin-jareo: "Aza mangala vaola amin'ny ôlogno an-keriny, aveo aza magnambara vandy ôlogno. Miravoa amin'ny karamanareo." 15 Aveo raha nandigny mafy ny fahatongavan'i Kristy ny vahoaka, dia nagnontany tam-pôny mahakasik'i Jaona ny tsiaraikiaraiky, na mety hoizy na tsy izy no Kristy. 16 Jaona namaly tamin'ny fivolagnagna azy jiaby nagnanjao: "Raha ny aminaha, dia mitsabo batisa areo amin'ny rano zaho, fao misy ôlogno araiky hoavy zay mahery mihoatra zaho, aveo tsy magnaiva zaho na dia hamaha reo tadinkirarony aby. Hitsabo batisa areo amin'ny Fagnahy Masigny ndraiky môtro Izy. 18 Niaraka tamin'ny fagnanaragna maro hafa faogna koa, Jaona nitory vava tsara hoan'ny vahoaka. 19 Heroda mpanapaka koafa nanariny nohon'ny fanambadiagna ny vadindrahalahiny Herodiasy, ndraiky nohony raha ratsy hafa jiaby zay vitany, 20 dia ho fagnampiny zany jiaby zany, dia nahidiny tagny an-gadra Jaona. 21 Aveo, koafa vita batisa jiaby ny ôlogno jiaby, dia nitsabogny batisa koa Jesôsy, aveo raha mbôla nivavaka izy, dia nisaokatra langitry, 22 avakeo Fagnahy Masigny nalaka bika tôrotro pizigny kay nijôtso taminazy, avakeo nisy feo avy tan-dangitry nagnanjao: "Anao no Zanako, tiako. Ravo Zaho nohon'ny aminao." 23 Koafa nanomboko ny asa fanompoany Jesôsy, dia teo amin'ny teolo-pôlo tagno teo Izy. Izy no zanaka lalahin'i Josefa (araka ny fiheveragna), 24 zanak'i Hely, zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa. 25 Josefa dia zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Esly, zanak'i Nagay, zanak'i Mata, 26 zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda. 27 Joda dia zanak'i Joanana, zanak'i Resa, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, zanak'i Nery, 28 zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era, 29 zanak'i Josoa, zanak'i Eliezera, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy. 30 Levy dia zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima, 31 zanak'i Melea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida, 32 zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona. 36 Sela dia zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka, 37 zanak'i Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanaka'i Kenana, 38 zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanaka Zagnahary.