Toko Faha 2

1 Avakeo tamin'ny zany andro zany, dia nagnandaifa didy mibeko ny hagnisahagna ny ôlogno jiaby miaigny eto amin'izao tontolo zao Aogosto Kaisara. 2 Zany no fagnisaham-bahoaka voalaohany tamin'i Kyrenio no nanapaka tagny Syria. 3 Noho zany ny ôlogno jiaby dia nagnagny amin'ny tanagna naviany aby mbô hisoratagna agnaragna hoan'ny fagnisam-bahoaka. 4 Dia nandaiha nakatra avy tagny Galilia koa Josefa, avy tagny an-tanagnan'ny Nazareta, hoagny Jodia, tanagnan'i Davida zay antsôvigny hoe Betlehema, satria izy avy akagny amin'ny tragno ndraiky fianakavian'i Davida. 5 Nandaiha tagny izy mbô hisaoratra agnaragna niaraka tamin'i Maria, zay fofom-badiny aveo nanagnanaka. 6 Aveo raha mbôla tagny zareo, dia tonga ny fotoagna hitirahany zanany. 7 Nitairaka zaza lalahy izy, zanany voalaohany, aveo izy nandrakotro lamban-jaza Azy ndraiky nampandry Azy tamin'ny valan'aomby, satria tsisy toairagna hoan-jareo tao amin'ny hotely. 10 Dia nivaolagna tamin-jareo ny anjely nagnanjao: "Aza ambory, fao hitondra vava tsara zahay hitondra haravoagna gaida hoan'ny ôlogno jiaby zaho. 11 Niany dia nisy mpagnavotro zay tairaka hoanareo akagny antanagnan'i Davida! Izy no Kristy Tompo! 12 Zao no famantaragna zay hamiaga areo: Hahita zazahely mirakotro lamban-jaza avakeo mandry eo amin'ny valan'aomby areo." 13 Tampoko teo niaraka tamin'lehy anjely, dia nisy tafiky ny langitry gaida nidaira Zagnahary nagnanjao: 14 "Vogninahitry ho amin-Jagnahary akagny amin'ny taigna agnambo, aveo hisy fiadanagna eto an-tany amin'ny ôlogno zay ankasitrahiny." 15 Ary koafa niala tamin-jareo nankagny an-dangitry reo anjely, ny mpiambigny ondry nifankoragna nagnanjao: "Andaiha atsika zeo hoagny Betlehema, aveo hizaha zany raha nitranga zany, zay nambaran'ny Tompo atsika zany." 16 Nandaiha nalaky tagny zareo aveo nahita Maria ndraiky Josefa, avakeo nahita ny zaza hely nandry tao amin'ny valan'aomby. 17 Tafaran'ny nahitan-jareo Azy, dia nambaran-jareo ny raha jiaby nikoranigny zareo mahakasiky zaza io. 18 Zay jiaby naharegny zany dia gaga ny amin'ny nivolagnan'ny mpiambigny ondry tamin-jareo. 19 Fao Maria ndraiky nanôhy nimenimeny mahakasiky ny raha jiaby zay regniny, aveo nikajy regny tam-pônazy. 20 Nimpôdy reo mpiambigny ondry, nagnamia vogninahitry ndraiky nankalaza Zagnahary noho ny raha jiaby zay regnin-jareo ndraiky hitan-jareo, araka zay nivolaigny tamin-jareo. 21 Nohony tapitry ny andro fahavalo, koafa noforàgna Izy, dia namiagna agnaragna hoe Jesôsy, lehy agnaragna namian'ny anjely Azy talaohan'ny namitrahagna Azy tan-kibo. 22 Ary koafa dila ny isan'andro nitakiagna hidiovany, araka ny lalan'i Mosesy, dia ninday Azy nakatra hoagny an-tempoly tao Jerosalema Maria ndraiky Josefa mbô hanôlotro Azy eo amin'ny Tompo. 23 Araka zay voasaoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo magnanjao: "Ny lalahy jiaby zay volaohany tairaka dia hataokagna ho an'ny Tompo." 24 Noho zany dia nanôlotro sôrogno araka zay nikoranigny ao amin'ny lalàn'ny Tompo zareo, "domohigny aroa na zanaka voromailala aroa." 25 Ary tô, nisy lalahy tagny Jerosalema, Simona agnarany, aveo lalahy zany dia marigny ndraiky mafana fô. Nitady ny fampiononagna Israely izy, aveo taminazy ny Fagnahy Masigny. 26 Nambaran'ny Fagnahy Masigny taminazy fao tsy hahita fahafataisagna alaohan'ny ahitavan'ny Kristin'ny Tompo izy. 27 Nitarihin'ny Fagnahy, nagnagny an-tempoly Simona. Koafa ninday Jesôsy zazahely niditry ny ray aman-dreniny, mbô hagnano Azy araka ny fomba ao amin'ny lalàgna, 28 dia niraisiny ho egny an-tagnany Izy sady nidaira Zagnahary nagnanjao: 29 "Izeo ambilao andaiha am-piadanagna ny mpanomponao, Tompo, araka ny vaolagna nao. 30 Fao masoanaha nahita ny famonjianao, 31 zay nomaninao teo amin'ny fagnatraihan'ôlogno jiaby: 32 Dia fahazavagna ho fagnambaragna ho an'ny Jentilisa aveo vogninahitry hoan'Israely ôlognoa." 33 Ny iada ndraiky ninin'lehy zaza dia sondriagna tamin'ny raha nivolagniny mahakasiky Azy. 34 Nitso-drano zareo Simona aveo nivaolagna tamin'i Maria nininy nagnanjao: "Igny, tô zaza tô dia voatendry hoamin'ny fandavoagna ndraiky fagnandratagna ny ôlon'Israely maro aveo ho famantaragna zay nilavigny 35 avakeo hoisy meso handoaka ny fagnahinao—mbô ho voavaolagna ny hevitry ny fô maro." 36 Nisy mpagnazary vaiavy araiky atsôvigny Ana teo. Zanakavavin'i Fanoela avy amin'ny foko Asera izy. Taigna hantitry izy. Nidôko niaraka tamin'ny vadiny fito taogno tafaran'ny nahavirijiny azy izy, 37 aveo mpitondra taigna nandritry ny aifatra amby valopôlo tagno. Tsy niala tempoly velively izy fao nanompo tamin'ny fifadian-kanigny ndraiky vavaka, andro aman'aligny. 38 Tamin'ny zany fotoagna zany dia nagnatogno narikitry zareo izy aveo nanomboko nagnamia fisaoragna Zagnahary ndraiky nivaolagna ny mahakaisiky lehy zaza tamin'ny ôlogno jiaby zay nandigny fagnavaotagna Jerosalema. 39 Koafa nahavita raha jiaby nasaigny nitsabogny araka ny lalàn'ny Tompo zareo, dia nimpôdy tagny Galilia, agny amin'ny tanagnan-jareo agny Nazareta. 40 Nahay gaida ny zaza aveo nahay natanjaka, nitômbo fahindriagna, aveo ny fahatsaran-Jagnahary taminazy. 41 Ny ray aman-dreniny dia nankagny Jerosalema isantagno hamonjy ny firavoravoagnan'ny Paska. 42 Koafa aroa ambiny fôlo tagno Izy, dia nandaiha nagnagny araka ny fomba fatao amin'ny fety indraiky zareo. 43 Avakeo koafa avy nitoby tagny nandritry ny andron'ny fety jiaby zareo, dia nanomboko nimpôdy nôdy zareo. Fao Jesôsy zazalahy nijanogno tagny Jerosalema naifa tsy hainy ny ray aman-dreniny zany. 44 Sambaran-jareo fao niaraka tamin'ôlogno niara-dia tamin-jareo Izy, dia nandaiha nandritry ny andro araiky zareo. Ary aveo dia nanomboko nitady Azy tagny amin'ny reo havany ndraiky reo namany zareo. 45 Koafa tsy hitan-jareo Izy, dia nimpôdy tagny Jerosalema zareo kay nanomboko nitady Azy tagny. 46 Koafa afaka teo andro, dia hitan-jareo tao an-tempoly Izy, nidôko tagnivony reo mpampianatra, nitandregny zareo ndraiky nagnapaitraka fagnontaniagna tamin-jareo. 47 Zay jiaby naharegny Azy dia sondriagna tamin'ny fahaizany ndraiky reo valim-pagnontaniagnany. 48 Koafa nahita Azy zareo, dia sondriagna. Ny nininy nivaolagna taminazy nagnanjao: "Zanako, nagnino anao nitsabo karah tô zahay? Tandrignaiso, zaho ndraiky iadanao nitady anao tamin-tebiteby." 49 Izy nivaolagna tamin-jareo: "Nagnino moa areo nitady Zaho? Tsy hainareo moa fao tsy maintsy ho an-tragnon'ny Iadako Zaho?" 50 Fao tsy azon-jareo zay tiany hikoragnigny tamin'ny zany koragna zany. 51 Dia nôdy niaraka tamin-jareo tagny Nazareta Izy sady nankatô zareo. Ny nininy dia nikajy zany raha jiaby zany tam-pônazy. 52 Fao Jesôsy nahay nitômbo fahindriagna ndraiky nitômbo vatagna, aveo nitômbo fitiavagna tamin-Jagnahary ndraiky ny ôlogno.