Toko Faha 23 24

1 Voh marandraigny tamin'ny andro voalaohan'ny herigniandro, dia nandaiha tagny amin'ny fasagna zareo, nitondra reo raha mangitry zay nikarakarain-jareo. 2 Hitan-jareo niala lavitry ny fasagna lehy vato. 3 Nitsôfotro zareo, kanaifa tsy nahita ny vatan'ny Tompo Jesôsy. 4 Avakeo, koa mbôla sahiran-tsaigny mahakasiky zany zareo, tampoko teo, dia nisy lalahy aroa nitsabo lamba mangilangilatra nitsangagna tankilanjareo. 5 Koafa feno hamboriagna reo vaiavy dia niankohaka tamin'ny tany, nivaolagna tamin'ny reo vaiavy zareo hoe: Nagnino areo mitady ny velogno atoy amin'ny maty? 6 Tsy akato Izy, fao afa nitsangagna! Tsarovy ny nivolagniny taminareo faha Izy mbôla tagny Galilia, 7 nivaolagna fa Zank'ôlogno dia tsy maintsy hatôlotro antagnan'ôlogno mpanota kay ho fantsihagna akeo amin'ny kakazo fijaliagna, avakeo amin'ny andro fahatelo dia hitsangagna ndraiky." 8 Reo vaiavy dia nahatsiaro reo vaolagna nazy, 9 kay nimpôdy avy tagny amin'ny fasagna avakeo nivaolagna raha jiaby zany tamin'ny araiky ambiny fôlo ndraiky ny ambiny jiaby. 10 Aveo Maria magdalena, Johana, Maria ninin'i Jesôsy, Jakoba, aveo reo vaiavy hafa niaraka taminazy dia nitatitry zany raha zany tamin'ny reo apostoly. 11 Fao zany hafatra zany dia hotra tsisy dikany tamin'ny reo apostoly, kay tsy nino reo vaiavy zareo. 12 Kanaifa nitsangagna Petera, dia nilomoay nandaiha amin'ny fasagna, avakeo nondriky ndraiky nizaha tao, dia nahita reo lambam-paty nitaokagna. Avakeo Petera nôdy tagny an-tragno, nagnontany taigna ny amin'ny zay raha nitranga. 13 Igny, ny aroa tamin-jareo nandaiha tamin'ny andro io hoagny amin'ny tanagna antsôvigny hoe Emaosy, zay enim-pôlo stadio miala Jerosalema. 14 Zareo dia nifampikoragna mahakasiky reo raha jiaby zay nitranga. 15 Aveo, raha niaraka nikoragna ndraiky nira-namaitraka fagnontaniagna zareo, dia nagnatogno aveo nandaiha niaraka tamin-jareo Jesôsy. 16 Fao ny masonjareo dia nisakanagna mbô tsy hahay Azy. 21 Kanaifa zahay nagnantaigna fao Izy no lehy hagnafaka Israely. Ia, avakeo ankoatran'ny zany jiaby zany, telo andro amin'ny niany zao no nitrangan'ny zany raha jiaby zany. 25 Jesôsy nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Oa lehilahy laifaka sady votsa diniky vao mino reo jiaby nivolagnin'ny mpagnazary! 26 Moa tsy nilaigny hoan'i Kristy ny nijaly tamin'ny regny raha regny, kay hiditry agny amin'ny vogninahiny?" 27 Aveo nanomboko tamin'i Mosesy kay zisiky amin'ny reo mpagnazary jiaby, dia nadikan'i Jesôsy tamin-jareo ao amin'ny Saoratra Masigny mahakasiky haigniny. 30 Avakeo, koafa nantotry mbô hiaraka hihinagna tamin-jareo Izy, dia nalaka môfo, nisaotra, salakady namaky zany, aveo nagnamia zany zareo. 31 Aveo nisaokatra ny mason-jareo kay nahay Azy, aveo nanjavogno teo amin'ny mason-jareo Izy. 32 Izy reo nifampivaolagna nagnanjao: "Moa ny fôntsika tsy niraidaraida tao agnatintsika, raha nivaolagna tamintsika tegny an-dalagna Izy, raha nanaokatra Saoratra Maisigny tamintsika Izy?" 33 Nitsangagna zareo tamin'io fotoagna io, kay nimpôdy tagny Jerosalema. Nahita reo araiky ambinifôlo niaraka nivôry zareo, ndraiky reo zay niaraka tamin-jareo, 34 nivaolagna nagnanjao: "Ny Tompo dia taigna nitsangagna, aveo niboaka tamin'ny Simona." 35 Koa nivolagninjareo zay raha nitranga tegny an-dalagna, ndraiky fomba niboahan'i Jesôsy tamin-jareo tamin'ny fanapahagna lehy môfo. 38 Jesôsy nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Magnino areo ambory? Nagnino misy fagnontaniagna ampônareo? 39 Zahavo tagnagnanaha ndraiky hongotroanaha, fao Zaho taignako tô. Kasiho Zaho kay zahavo. Fao ny fagnahy tsy managna nôfo ndraiky tahaolagna, hotra ny ahitavanareo Zaho hoe managna." 40 Koafa nivaolagna zany Izy dia naboakany tamin-jareo ny tagnany ndraiky hongony. 41 Mbôla tsy nino zareo nohon'ny haravoagna, aveo gaga zareo. Jesôsy nivaolagna zareo nagnanjao: "Managna raha hoanigny moa areo?" 42 Namianjareo lako voatôno izy, 43 kay nalainy zany aveo nohoaniny teo agnaitrahan-jareo. 44 Izy nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Tamin'i Zaho niaraka taminareo, dia nivaolagna taminareo fao zay jiaby voasaoratra tao amin'ny lalàn'i Mosesy ndraiky reo mpagnazary aveo reo Salamo dia tsy maintsy ho tantairaka." 45 Avakeo nisokoafiny ny saignin-jareo, mbô hahazon-jareo ny Saoratra Masigny. 46 Nivaolagna zareo Izy nagnanjao: "Zao no voasaoratra, fao lehy Kristy dia hijaly, aveo hitsangagna amin'ny maty indraiky amin'ny andro fahatelo. 47 Fibaibahagna ndraiky famotsaoran-keloko no tôkony ho torigny amin'ny agnarany akagny amin'ny firenena jiaby, manomboko ao Jerosalema. 48 Areo no atomoan'ny regny raha regny. 49 Tô, halaifako aminareo zay nampanantenain'ny Iadako. Kanaifa mibidaoha ao an-tanangna papiky sikinanareo ny ngôvo avy agny ambony." 50 Aveo Jesôsy nitariky zareo mandra-pahatongavan-jareo tagny Betania. Nihinjagniny ny tagnany, aveo nitahiny zareo. 51 Avakeo koafa nitso-drano zareo Izy, dia nandao Zareo Izy avakeo lôsogno nakarigny tagny an-dangitry.