Toko 1

1 Maro reo niaizaka nanaoratra tantara mahakasiky reo raha nitranga tantairaka teto amintsika, 2 araka zay afa nanolaoran-jareo azy tamintsika, zay afa antomoa nagnatri-maso aveo mpanompon'ny teny rango am-panombaohagna. 3 Ary aminaha koa karaha manjary—koafa nagnadihady tsara ny fandaihan-draha jiaby rango amboalaohany—ny hanaoratra tatitry araka ny filaharany ho nihinao, ry Teofilo hajaigny. 4 Zany dia mbô hahaizanareo ny marigny mahakasiky reo raha zay nampianarigny anao. 8 Ary zany dia mahakasiky Zakaria teo fagnaitrahan-Jagnahary, nagnatantairaka reo asan'ny fisorognagna araka ny fifandibiasan'ny isan-tokony. 9 Araka ny fomba fatan-jareo ny amin'ny fisafidianagna mpisôrogno zay tôkony hanompo, dia voafidin'ny kodia hely hiditry hagnoro ny hemboko mangitry an-tempolin'ny Tompo izy. 10 Tamin'ny fotoagna nagnoroagna ny hemboko mangitry dia nivavaka tegny ambailany ny vahoaka jiaby. 14 Hanan-karavoagna ndraiky haravoagna anao, avake maro koa no horavo amin'ny fahatirahany. 15 Satria ho gaida izy akeo imason'ny Tompo. Tsy higiaka divay na raha figiahigny mahery velively izy, aveo ho feno Fagnahy Masigny rango ankibon-dreniny izy. 18 Avakeo Zakaria nivaolagna tamin'ny lehy anjely: "Akôry no ahaizako zany? Fao zaho afa antilahy aveo vadiky taigna afa hantitry." 19 Avakeo nivaolagna anjely namaly vaolagna taminazy: "Zaho no Gabriela, lehy mitsangagna eo agnatraihan-Jagnahary. Avakeo voahiraka zaho mbô hivaolagna aminao, hitondra zao vava tsara zao aminao. 20 Koa tô! Ho moana anao, kay tsy afaka hivaolagna, mandra-piavin'ny andro hiboahan'ny raha reo. Satria tsy nino vaolagna naha anao, zay ho tantairaka amin'ny fotoagna voafaitra." 24 Tafaran'ny reo andro reo, dia nanagnanaka Elizabeta aveo nivôny nandritran'ny dimy volagna. Nivaolagna izy: 25 "Zao no nitsabon'ny Tompo aminaha koafa nitsinjo zaho Izy mbô hangala haingatra eo agnatraihan'ny ôlogno." 30 Hoizy anjely taminazy: "Aza ambory Maria, fao afa nahita sitraka tamin-Jagnahary anao. 31 Tô, hananjanaka anao kay hitairaka zaza lalahy. Ary ny agnarany ho antsôvinao 'Jesôsy.' 32 Ho gaida Izy aveo ho antsôvinao hoe Zanaka ny taigna agnambo. Ny Tompo Zagnahary hagnamia Azy ny dabilio fiandrianan'i Davida razambeny. 33 Ary hanjaka bariky dintany amin'ny tamingan'i Jakoba izy, ary tsy hanam-pahatapairagna ny fanjakany." 34 Hoizy Maria tamin'ny lehy anjely: "Akôry no hiboahan'ny zany, fao mbôla tsy niaraka nandry tamin'ny lalahy zaho? 35 Ny anjely namaly ndraiky nivaolagna: "Hilatsaka aminao ny Fagnahy Masigny, aveo ny angôvony taigna agnambo hoavy aminao. Kay lehy masigny ho tairaka dia hoantsôvigny Zanaka Zagnahary. 36 Tô, Elizabeta havanao dia nananjanaka lalahy koa na dia tamin'ny fahanterany aby. Afa faha enimbaolany nihinazy zeo, izy lehy nantsovigny momba. 37 Satria tsisy raha tsy hoazo tantirahigny amin-Jagnahary." 38 Hoizy Maria: Tô, zaho no mpanompovavin'ny Tompo. Aoka ho tantairaka aminaha zany araka ny hafatrao.'' Ary niala teo aminzay ny anjely. 42 Nampiaka-peo ndraiky nivaolagna mafy izy nagnanjao: "Voatahy mihoatra nohon'ny vaiavy jiaby anao, avakeo voatahy ny natairaky ny kibonao. 43 Nagnino zany no mitranga aminaha fao lehy regnin'ny Tompo no havy hagnatogno zaho? 44 Fao tô, koafa havy tan-tsôfigny naha ny fiarahabagnanao, dia niainta-kaintagna ny zaza ato an-kibonaha. 45 Sambatra izy zay nino fa ho tantairaka reo raha zay nivolagniny Tompo taminazy." 46 Hoizy Maria: "Midaira ny Tompo ny fagnahiky, 47 aveo ny fagnahy naha niravo tao amin-Jagnahary mpagnavotro zaho. 52 Nahongany tamin'ny dabilio fiandrianany ny zanaka lahin'ny mpanjaka aveo reo ambany nakariny. 53 Natany vôky raha tsara reo tihinagna, fao ny mpanan-kariagna nampôdiny tsy nanagna na ino na ino. 54 Nagnamia fagnamiagna Israely mpanompony Izy, mbô hahatsaraovany hagnaboaka famindram-pô 55 (araka ny nikoranigny tamin'ny reo iadantsika) tamin'i Abrahama ndraiky ny tamingany bariky dintany.'' 56 Nijanogno nidôko tao amin'i Elizabeta tôkony ho telo vaolagna i Maria ary avakeo nimpôdy nôdy tagny an-tragnony. 57 Ary havy ny fotoagna hitirahan'i Elizabeta ny zanany aveo nitairaka zaza lalahy izy. 58 Nagnaboaka ny famindram-pô goalahy nitsabon'ny Tompo taminazy reo mpiara-monigny ndraiky reo havany, avakeo niaraka ravoravo tamin-jareo. 62 Nagnano baiko moana tamin'ny iadany zareo ny amin'ny tiany hoatao agnarany. 63 Nangataka solaitry fanoroatagna ny iadany aveo nanaoratra nagnanjao: "Jaona no agnarany." Aveo gaga tamin'ny zany izy jiaby. 64 Aveo niaraka tamin'ny zay dia nisaokatra ny vavany avakeo nafahagna ny lailany. Nivaolagna izy aveo nidaira Zagnahary. 65 Tonga tamin-jareo jiaby nagnodidigny zareo ny hamboriagna. Avakeo niparitaka airaka ny tanagna ambony Jodia ny raha niboaka jiaby teo. 66 Ary reo jiaby naharegny reo dia nalaka regny am-pôny, aveo nivaolagna nagnanjao: "Hanjary ino ary tô zaza tô?" Fao mahakasiky azy ny tagnan'ny Tompo. 67 Aveo feno Fagnahy Masigny i Zakaria iadany avakeo naminagny, kay nivaolagna: 68 "Deraigny ny Tompo, Zagnaharin'Israely, fao tonga nagnampy ndraiky nagnatantairaka fagnafahagna amin'ny vahoakany Izy. 76 Ia, ary anao, zaza, dia ho antsôvintsika ho mpagnazarin'ny taigna agnambo, fao handaiha alaoaka ny tavan'ny Tompo anao aveo hagnajary lalagna nazy, mbô hagnomanagna ny ôlogno ny amin'ny fiaviagnany, 77 mbô hagnamia fahalalam-pamonjiagna hoan'ny ôlogno anazy amin'ny alalan'ny famotsaoragna ny heloko njareo. 78 Zany no hiboaka dia nohon'ny famindram-pô masin-Jagnaharintsika, nohon'ny amin'izany no hiboahan'ny masaova avy amin'ny agnambo biaka hoavy hagnampy atsika, 79 hagnazava zareo zay mibidôko ao agnatin'ny hizigny ndraiky reo ao agnatin'ny hizigny fahafataisagna. Hitsabony zany biaka hitarihany ny hongotro ntsika amin'ny lalam-pagnavaotagna." 80 Aveo ny zaza dia nitômbo ary tonga nahery amin'ny fagnahy, aveo tagny antany maty izy mandrapahavian'ny andro hiboahany mibaribary amin'Israely.