Toko Faha 7

1 Melkiezedeka zany, mpanjakan'ny Salema, mpisôrognon-Jagnahary Taigna Agnambo, zay fanôjy tamin'i Abrahama koafa nimpôdy avy nandresy reo mpanjaka avakeo nitahy azy. 2 Izy no namian'i Abrahama ny ampahafôlon'ny raha jiaby. Ny agnarany hoe: "Melkiezedeka" dia midika hoe: "mpanjakan'ny fahamarinagna." Ny agnarany hafa dia "mpanjakan'i Salema," zany dia: "mpanjakan'ny fiadanagna." 3 Izy dia tsy managna iada, tsy managna niny, tsy mangna razam-be, aveo tsy managna fahatapairan'ny fiainagna. Fao naifa, mitôvy amin'ny Zanaka Zagnahary izy, satria mipaitraka ho mpisôrogno bariky dintany. 4 Zahavo ny hagidasan'ny io lalahy io. Ny razambentsika Abrahama dia nagnamia ampahafôlony reo raha zay azony tamin'ny ady. 5 Amin'ny lafiny araiky, reo zanaka lahin'i Levy zay mandray ny fisorognagna dia managna beko avy amin'ny lalàgna mbô hamôry ny ampahafôlon-kariagna avy agny amin'ny reo ôlogno, zany dia avy amin'ny reo rahilahin-jareo, na zany aby zareo, faoagna koa, dia avy amin'ny vatan'i Abrahama. 6 Fao amin'ny lafiny araiky, Melkizedeka, zay tsy voasaoritra avy amin-jareo ny taranany, dia nalaka ampahafôlon-kariagna avy amin'i Abrahama, avakeo nagnamia tso-drano azy, lehy araiky zay nanagna reo fampanantenagna. 7 Tsisy fandavagna fao ny ôlogno taigna ambany dia amian'ny ôlogno taigna ambony tso-drano. 8 Amin'ny zany tranga zany, ny ôlogno mety maty dia malaka ampahafôlon-kariagna, fao amin'ny tô tranga tô dia voaprofo fao mbôla velogno izy. 9 Avake, amin'ny fomba fikoragnagna, levy, zay nalaka am-pahafôlon-kariagna, dia nagnaifa am-pahafôlonkariagna tamin'ny alalan'ny Abrahama faogna koa, 10 satria levy dia tao agnatiny haignindrazambeny koafa nitandregny tamin'i Abrahama i Melkizedeka. 11 Avaizo raha azo atao amin'nny alalan'ny fisoraognagna levitika ny fahatantirahagna (fao tao ambanin'ny zany ny ôlogno no nangala ny lalàgna), dia filàgna taigna goalahy ino no mety hisy hoan'ny mpisôrogno hafa mbô hitsanganagna araka ny fomban'i Melkizedeka, avakeo tsy rariny araka ny fomban'i Araona? 12 Fao koafa nivoagna ny fisoraognagna, dia tsy maintsy hovoagna faogna koa ny lalàgna. 13 Fao lehy araiky zay nivaolagna mahakasiky reo raha reo dia nihin'ny foko hafa, zay tsisy ôlogno manompo eo amin'ny alitara lasiteo. 14 Fao mazava amizeo, fao avy amin'i Joda no nahatirahan'ny Tompontsika, foko tsy nikoragni'i Mosesy lasite ny mahakasiky reo mpisôrogno. 15 Zay koragnintsika dia afa taigna mazava raha misy mpisôrogno hafa mitsangagna amin'ny bikan'i Melikizedeka. 16 Tsy avy tamin'ny fôtotry ny lalàgnan'ny taminga ny nôfo no nahatonga azy ho mpisôrogno, fao naifa avy tamin'ny fôtotry ny ngôvony fiainagna tsy mety levogno. 17 Fao ny Saoratra Masigny dia mitsangagna antomoa mahakasiky azy magnanjao: "Anao dia mpisôrogno bariky dintany araka ny fomban'i Melkizedeka. 18 Fao nisy fagnafoagnagna ny didy teo alaoha satria nalemy ndraiky tsisy dikany zany. 19 Fao tsisy raha natan'ny lalàgna tonga lafatra. Kanaifa, misy fampidiragna fahatokiagna taigna tsara hoan'ny hoavy zay hagnataognantsika Zagnahary. 20 Tsy niboaka zany raha tsisy ny fandraisagna fiainagna. Amin'ny lafiny araiky, reo hafa reo dia tonga mpisôrogno tsy nila fiainagna. 21 Fao amin'ny lafiny araiky hafa, tô araiky tô, Jesôsy, dia tonga mpisôrogno tamin'ny alalan'ny fianianagna natan'ny lehy nivaolagna taminazy nagnanjao: "Ny Tompo dia nifanta aveo tsy hiaova amin'ny heviny hoe: "Anao dia mpisôrogno bariky dintany."' 22 Tamin'ny alalan'ny zany faogna koa no nagnamia antoko ny fagnikaiham-piavanagna taigna tsara. 23 Amin'ny lafiny araiky, maro no tonga mpisôrogno satria ny fahafataisagna no manakagna zareo hanôhy. 24 Amin'ny lafiny araiky hafa, satria Jesôsy mibidô bariky dintany, dia managna fisorognagna bariky dintany izy. 25 Noho zany izy faogna dia afaka magnavotro tantairaka reo zay magnatogno Zagnahary amin'ny alalany, satria izy dia miaigny foagna mbô hagnailagnailagna hoazy reo. 26 Fao ny mpisoronabe hotra zany dia mety hoantsika. Izy dia tsy manam-pahotagna, tsy managna tsigny, madio, nisarahigny tamin'ny reo mpanota, aveo tonga ambony noho reo langitry. 27 Tsy mila izy, tsy hotra reo mpisoronabe, nanôlotro sôrogno isan'andro, ny voalaohany hoan'ny reo fahotagnany manaokagna, avakeo hoan'ny reo fahotagnan'ôlogno. Afa nitsabo zany indray mandaiha hoany jiaby izy, koafa nanôlotro ny haigniny. 28 Fao ny lalàgna manôndro ny ôlogno zay managna fahalimiagna ho mpisorognobe. Fao ny vaolagnan'ny fianianagna, zay tonga tafaran'ny lalàgna, dia nanendry Zanaka lalahy, zay natao tonga lafatra bariky dintany.