Toko Faha 8

1 Ary ny fôtotro ny raha jiaby volagninay dia zao: Atsika dia managna mpisôrogno be zay nipaitraka teo an-tagnank'ankaherin'ny dabilio fiandriagnan'ny lehy be vogninahitry agny andangitry. 2 Izy dia mpanompo ao amin'ny toairagna masigny, lehy taberinakely marigny zay ny Tompo, fao tsy ny ôlogno, na nagnorigny azy. 3 Fao ny mpisorognobe dia nitindregny hanôlotro fagnomaizagna ndraiky sôrogno. Noho zany dia ilaigny ny managna raha ho atôlotro. 4 Ary raha teto an-tany Kristy, dia tsy ho mpisôrogno aby Izy, satria misy reo zay manôlotro fagnomaizagna araka ny lalàgna. 5 Izy reo dia manompo ao amin'ny taberinakely zay kandindagna ndraiky aloky ny raha akagny an-dangitry. Zany dia hotra ny nampitandraiman-Jagnahary i Mosesy raha izy handaiha hagnamboatra taberinakely: hoizy izy Zagnahary magnanjao: "Zahavo mbô hotsabonareo araka ny môdely zay afa naboaka anao tegny an-tanety ny raha jiaby." 6 Fao avaizo Kristy dia nalaka asa fanompoagna tsara lavitry. Zany dia noho izy mpagnailagnailagna faogna koa amin'ny fampanantenagna taigna tsara. 7 Fao raha tsy nanan-tsigny zany fagnikiagna voalaohany zany, dia tsisy nilagna fagnikiagna faharoa. 8 Fao koafa nahita tsigny tamin'ny ôlogno Zagnahary, dia hoy Izy: "Tô, ho avy ny andro—hoizy ny Tompo—koafa hitsabo fagnikiagna vava amin'ny ôlon'Israely ndraiky ny ôlon'i Joda Zaho. 9 Dia tsy hotra ny fagnikiagna zay nitsaboky niaraka tamin'ny razagna n-jareo tamin'ny andro zay nindaisako zareo tamin'ny taniny hiala avy tamin'ny tany Egypta zany. Fao zareo dia tsy nibidôko tao amin'ny fagnikiako, aveo Zaho tsy niraharaha zareo—hoizy ny Tompo. 10 Fao zao no fagnikiagna zay ho tsaboky amin'ny ôlon'ny Israely afarany regny andro regny hoizy ny Tompo. Hataoko ao antsaignin-jareo ny lalàgnanaha, aveo ho soroatako am-pôn-jareo faogna koa zany. Ho Zagnaharin-jareo Zaho, ary zareo ho ôlognonaha. 11 Zareo dia tsy hampianatra ny mpiara-monigny aveo ny rahalahy aby, hivaolagna magnanjao: 'Haiky ny Tompo.' Fao hahay Zaho jiaby, manomboko amin'ny taigna hely kay zisiky amin'ny taigna gaida aminjareo. 12 Fao Zaho dia hamindra fô amin'ny tsy fahamarignan-jareo, avakeo tsy hahatsiaro reo fahotagnany eky. 13 Amin'ny fivolagnagna magnanjao: "Vava,'' dia nagnano fagnikiagna voalaohany ho talaoha izy, avakeo zay afa lany andro ndraiky hantitry dia afa marikitry ho levogno.