Toko 1

1 Talaoha aila be Zagnahary dia nivaolagna tamin'ny razambentsika tamin'ny alalany reo mpagnazary tamin'ny fotoagna maro ndraiky tamin'ny fomba maro. 2 Fao aminy zao andro farany zao, dia nivaolagna tamintsika tamin'ny alalan'ny Zanaka lahy Izy, zay nirahigny ho mpandaova ny raha jiaby. Tamin'ny alalany faogna koa no nagnamboaran'ny Zagnahary izao tontolo zao. 3 Izy no famirapitan'ny vogninahitry Zagnahary, lehy taigna bikany. Na ny raha jiaby aby dia tanany hiaraka amin'ny alalan'ny ngôvony haigniny. Tafaran'ny nagnadiovany reo fahotagna, dia nipaitraka teo ambonin'ny tagnagna ankaheriny Lehibe agny amin'ny ambony izy. 4 Lôso ambony karaha reo anjely Izy, satria ny agnaragna nanakalavaigny dia tsara lavitry noho ny agnaragna njareo. 5 Fao zôvy tamin'ny reo anjely no mbô nivolagnan-jagnahary magnanjao: Zanako anao, tonga iadanao Zaho niany" Aveo indray magnanjao: "Ho iada aminazy Zaho, avakeo ho zanaka hoanaha''? 6 Aveo koa, koafa nitondra ny lahimatoa teto amin'ny zao tontolo zao Zagnahary, dia nivaolagna Izy nagnanjao: "Reo anjelin-Jagnahary jiaby dia tsy maintsy midaira Azy." 7 Mahakasiky reo anjely dia niavaolagna Izy magnanjao: "Izy lehy araiky nagnano reo anjely ho fagnahy, avakeo reo mpanompony nataony laila-môtro." 8 Fao mahakasiky Zanaka dia nivaolagna Izy nagnanjao: Ny dabilio fiandriagnanao, Zagnahary, dia bariky tintany aveo ho doria. Ny tongôzon'ny fanjakanao dia tongôzony fitsaragna. 9 Nitia ny fahamarignagna anao aveo nalaigny fandikiavan-dàlagna. Noho zany Zagnahary, dia nagnôsotro anao tamin'ny mainaka ny haravoagna mihoatra noho reo mpiara-dia aminao." 10 "Tagny amboalaohany, Tompo, Anao no namôrogno fôtotro tany. Reo langitry dia asan'ny tagnagnao. 11 Ho levogno zareo, fao Anao hanôhy. Ho triaka hotra ny tapa-damba zareo. 12 Hamoritry zareo hotra ny fitafiagna anao, avake ho voagna karaha tapa-damba zareo. Fao anao dia hotra zany, aveo tagnonao, dia tsy hanam-pahatapairagna." 13 Fao zôvy taminy reo anjely no nivolagnan-Jagnahary tamin'ny fotoagna jiaby magnanjao: "Midaoha eo amin'ny tagnan-kahery naha papiky agnanaovako reo fahavalonao ho dabiliontongotroa? 14 Moa reo anjely jiaby tsy fagnahy manompo, ndraiky nalaifa hamalavala reo zay handova ny famonjiagna?