Toko 1

1 Paoly, apostolin'i Kristy Jesôsy araka ny sitrapôn-Jagnahary, hoan'ny re ôlo-masin-Jagnahary agny Efesosy, zay mahatoky ao amin'i Kristy Jesôsy. 2 [Fagnamarihagna: Misy fandikagna sasany mangala ny hoe: ''Ao Efesosy'' Naifa mety ao amin'ny taratasin'i Paoly tamin'ny volaohany zany.] Hoaminare ny fahasoavagna ndraiky fiadanagna avy amin-Jagnahary Iadantsika ndraiky Jesôsy Kristy Tompo. 3 Deraigny anie Zagnahary ndraiky Iadan'i Jesôsy Kristy tamin'ny fitahiam-pagnahy jiaby avy agny an-dangitry ao amin'i Kristy. 4 Zagnahary nifidy atsika tao aminazy letry fiantomboahany izao tontolo zao, mbô ho masigny ndraiky tsy manantsigny eo agnatraihany atsika. 5 Zagnahary dia nisafidy atsika mialaoha hoamin'ny fananganagna ho zanaka tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy, araka ny sitrapôny. 6 Ny fananganagna atsika dia mitondra amin'ny fideragna ny fahasoavagna be vogninahitry zay namiany atsika maimaimpoagna tao amin'lehy Araiky zay tiany. 7 Ao amin'i Jesôsy Kristy dia mahazo fagnavaotagna amin'ny liny ndraiky famontsaoran-keloko atsika, araka ny harem-pahasoavany. 8 Narotsany tamintsika tamin'ny fahindriagna ndraiky fahaizagna jiaby zany fahasoavagna zany. 9 Natan-Jagnahary hay tamintsika ny raha mivôny sitrapôny, araka zay tiany, ndraiky zay naboakany tao amin'i Kristy, 10 niaraka tamin'ny fandaharagna araiky amin'ny fahafinoan'ny fotoagna, hamompaonagna ny raha jiaby, aketo an-tany ndraiky agny an-dangitry, ho laoha araiky, na Kristy aby. 11 Ao amin'i Kristy dia voantendry ho mpandaova atsika. Nifidigny mialaoha araka fandaharan'lehy mpampiasa ny raha jiaby araka ny tanjon'ny sitrapôny atsika. 12 Zagnahary nanendry atsika ho mpandaova mbô ho atsika no managna fahatokiagna voalaohany ao amin'i Kristy, mbô ho fidairagna ny voninahiny atsika. 13 Tao amin'i Kristy, are koa, koafa nahiregny ny vaolagna fahamarignagna, dia ny vava maharavon'ny fagnavaotagna are, dia nino Azy are ary voatomboko tamin'ny lehy Fagnahy Masigny nampanantenaigny, 14 zay antoko hoan'ny laovantsika mandra-pahazahoantsika tanatairaka zany, ho fidairagna ny vogninahiny. 15 Noho zany antony zany, rango narignaisako ny finoagnanare ny Tompo Jesôsy ave ny fitiavanare re ôlo masigny jiaby, 16 dia tsy nijanogno'nisaotra Zagnahary zaho noho ny aminare avake tsaroako am-bavaka are. 17 Mivavaka zaho mbô ny Zagnaharin'i Jesôsy Kristy Tompontsika, lehy Iadan'ny vogninahitry, hagnamia are ny fagnahin'ny fahindriagna ndraiky fagnambaragna amin'ny fahaizagna Azy. 18 Mivavaka zaho mbô hagnazavagna ny mason'ny fônare, mbô hahaizanare ny toky zay nagnantsaovany are sy ndraiky angôvon'ny vogninahiny ny laovany eo amin'ny re ôlomasin-Jagnahary jiaby. 19 Ao amin'ny fivavahagna dia mangataka zaho biaka hahaizanare ny fihoaran'ny hagidasan'ny ngôvo ao amintsika zay mino, araka ny fiasan'ny ngôvony gaida. 20 Zay ngôvo zany faogna no nampiasain-Jagnahary tao amin'ny Kristy koafa natsangagna tamin'ny maty Izy ary navailany teo an-tagnany ankahery tagny an-dangitry. 21 Kristy napaitrany hoambonin'ny lalàgna ndraiky fahefagna ary ny ngôvo ndraiky fitsaragna, ary ny agnaragna jiaby zay misy. Hanapaka Kristy, tsy ho amin'ny zao vanimpotoagna zao faogna, fao hoamin'ny vanimpotoagna hoay koa. 22 Napaitraka Zagnahary ho ambanin'ny hongotr'i Kristy jiaby ny raha jiaby ary natôlony ho lohan'ny raha jiaby ao amin'ny fiangonagna Izy. 23 Ny fiangonagna no vatany, lehy fahafinoagnan' lehy mameno ny raha jiaby amin'ny bikany jiaby.