Toko 1

1 Ny boky nisoroatako talaoha, ry Teofilo, dia mivaolagna ny jiaby zay natombok'i Jesôsy ndraiky nampianariny, 2 zisiky amin'ny andro nampakaragna Azy, aveo nagniraka reo Apostoly zay nifidny tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masigny Izy. 3 Tafaran'ny nijaliany, dia nagnamboaka ny haigniny velogno taminjareo Izy niaraka tamin'ny reo profo mandresy lahatra maro. Niboaka taminjareo Izy nandritra ny aifapôlo andro, aveo nikoragna mahakasiky ny fanjakan-Jagnahary. 6 Koafa tafivôry zareo dia nagnontany Azy zareo nagnanjao: "Tompo, zeo moa no fotoagna hampodiananao ny fanjakagna ho nihin'ny Israely?" 7 Hoizy Izy taminjareo: "Tsy areo no hahay ny fotoagna na reo vagnin'andro zay nitindren'ny Iada tamin'ny fahefagnany zeraiky. 8 Fao koafa tonga ndraiky ny Fagnahy Masigny dia hahazo angôvo areo, kay hanjary antomoa magnairagna Jerosalema ndraiky Jodia jiaby aveo Samaria, ndraiky zisiky am-paran-tany." 9 Koafa nivaolagna zany raha zany Jesôsy Tompo, dia niandrandra zareo, nakarigny Izy, ary ny zavogno nambada Azy teo imason-jareo. 10 Raha mbôla nizaha langitry igny zareo tamin'ny nandihanany, tampoko teo, nisy aroa lahy nagnano ankanjo fôtsy nitsangagna tankila-njareo. 11 Nivaolagna zareo nagnanjao: "Oa lalahy avy akagny Galilia, magnino areo mitsangagna aketo mizaha langitry? Igny Jesôsy nalaigny taminareo zay nampakarigny akagny an-dangitry igny, dia himpôdy tôrotro ny nahitavanareo azy nakatra akagny an-dangitry teo igny. 12 Avakeo zareo nimpôdy tagny Jerosalema avy tao amin'ny tanetin'Oliva, zay marikitry Jerosalema, tôrotro amin'ny dian'ny andro Sabata araiky. 13 Koafa tonga zareo, nakatra tao amin'ny efitry agnambo rimba, zay nidaohan-jareo. Zareo dia Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak'i Alifeo, Simona Zelota, aveo Jodasy zanak'i Jakoba. 14 Nitambatra ho araiky izy jiaby, aveo nazôto nivavaka. Agnisany zany reo vaiavy, Maria ninin'i Jesôsy, ndraiky reo rahalahiny. 20 Fao afa voasaoratra ao amin'ny Bokin'ny Salamo: "Ambilào ho lemby ny sahany, ary aza availao na dia ôlogno araiky aby hidôko akao'; 'avilao ho alain'ôlon-kafa ny andraikiny."