Toko 1 2

1 Koafa tonga ny andron'ny Pentekosta, nivôry tamin'ny toairagna araiky izy jiaby. 2 Tampoko teo avy akagny an-dangitry nisy feo karaha rivotro mafy nivaololagna, ary nameno tragno jiaby zay nidaohan-jareo zany. 3 Nisy môtro tôrotro laila maro zay nizarazara, avakeo nidôko tambonin-jareo tsiaraikiaraiky aby. 4 Izy jiaby feno ny Fagnahy Masigny ary nanomboko nivaolagna tamin'ny fivolagnagna maro samy hafa, araka ny nagnamaizan'ny Fagnahy Masigny hivolagnan-jareo. 8 Nagnino maharegny zareo atsika, amin'ny fivolagnantsika tsiaraikiaraiky aby zay naha gaida atsika? 9 Partianina ndraiky Medianina aveo Elemita, ary reo zay mipaitraka akagny Mesopotemia, akagny Jodia ndraiky Kapadokia, akagny Ponto ndraiky Asia, 10 Frygia ndraiky Pamfylia, akagny Egypta ary Libya zisiky akagny amin'i Kyrena, ary reo mpitidiky avy akagny Roma, 11 Jiosy ndraiky Proselyta, Kreatana ndraiky Arabo, dia regnintsika mivaolagna amin'ny fivolagnantsika mahakasiky ny asa goalahy tsabon-Jagnahary." 12 Zareo dia gaga avakeo sahiran-tsaigny; ary nifampivaolagna zareo nagnanjao: Ino no dikan'ny zany?" 13 Fao reo sasany nankalaifaka salakady nivaolagna: "Zareo dia mamon'ny divay vava." 14 Fao Petera nitsangagna niaraka tamin'izy araiky ambin'ny fôlo, napakatra ny feony, aveo nagnambara taminjareo : "Oa lalahin'i Jodea ndraiky areo jiaby zay midôko aketo Jerosalema, aoka ho hainareo zao, tandremo reo vaolagna naha. 15 Hoan'ny reo ôlogno tsy mamo karaha zay hieritreretanareo, fao voh fotoagna fahatelo amin'ny andro zao. 16 Fao zao lehy nambaran'i Joela mpagnazary: 17 'Amin'ny andro farany,' Zagnahary mivaolagna: 'Halatsako amin'ny ôlogno jiaby ny Fagnahinaha. Reo zanakareo lalahy ndraiky ny zanakareo vaiavy dia haminagny, ny zatovonareo hahita fahitagna, avakeo ny antilahinareo hagninôfy. 20 Ny masaova dia hanjary hizigny ary ny davaolagna hanjary lio, alaohan'ny andro lehibe sady miavaka havian'ny Tompo. 21 Ary ny ôlogno jiaby zay magnansto agnaran-Jagnahary dia hoavaotagna. 25 Fao Davida mivaolagna mahakasiky Azy, "Nahita Tompo teo agnatraihako lalandava zaho, fao aketo an-tagnako an-kahery Izy kay tsy tôkony hangôzohôzo zaho. 26 Dia taigna ravo ny fôko aveo niravoravo ny lailako. Ary koa, ny nôfoko hivelogno amin'ny fahatokiagna. 27 Fao tsy nialana hoagny amin'ny fiainan-tsy hita ny fagnahiky avakeo tsy hagnambaila ny Araiky Masigny ho lô anao. 28 Nagnambara zaho reo lalan'ny fiainagna Anao; Anao dia hameno haravoagna zaho amin'ny bikanao.' 29 Oa rahalahy, afaka mivaolagna aminareo am-patokisagna mahakasiky Davida Patriarika zaho: afa maty izy no nalevigny, ary ny fasany dia aketo amintsika zisiky niany. 30 Noho zany, mpagnazary izy ary hainy fao afa nifanta taminy Zagnahary, fao ny tamingany no hoakeo amin'ny dabilio fiandrianany. 31 Afa hitany zany dia nikoragna mahakasiky ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny fahafataisagna, 'sady izy tsy navaila tao amin'ny fiainan-tsy hiata, no tsy nagnano ny nôfony ho takatrin'ny fahaloavagna.' 32 Io Jesôsy io-Zagnahary no nanangagna Azy, kay antomoan'ny zany zahay jiaby. 33 Noho zany koafa nakariny tagnan-kaherin-Jagnahary Izy dia nandray ny Fagnahy Masigny nampanantenaigny avy tamin'ny Iada, afa nalatsany zany, zay hitanareo ndraiky regninareo. 40 Niaraka tamin'ny koragna maro hafa no nitsanganany ho antomoa ndraiky nampirisahany zareo; nagnambara izy nagnanjao, "Avaoto ny haigninao amin'ny tô taminga ratsy fagnahy tô." 41 Avakeo zareo nalaka ny vaolagna kay nitsabogny batisa, ary tôkony fagnahin'ôlogno teo amin'ny telo arivo teo no nampiagna tamin'ny io andro io. 42 Nanôhy sady naharitry ny asa fitoriagna ndraiky ny fampianaran'ny apostoly zareo, teo amin'ny fanapahagna ny môfo ndraiky ny fivavahagna. 43 Tonga teo amin'ny fagnahin'ny tsiaraikiaraiky hamboriagna, aveo fahagagagna ndraiky famantaragna maro no vita tamin'ny alalan'ny apostoly. 44 Reo jiaby nino dia nivôry ave nanagna raha nitôvy, 45 ary zare dia nivarotro taniny ndraiky fanagnany kay nirasa zany tamin'izy jiaby, araka zay nilainy aby.