Toko Faha 3

1 Ary zaho, rahalahy, dia tsy afaka nivaolagna taminareo hotra ny ôlogno zay ara-pagnahy, fao kanaifa hotra ny ôlogno ara-nôfo, hotra ny zazamadiniky ao amin'i Kristy. 2 Nifahanako ronono areo, fao tsy ventinkanigny, satria tsy vôgnogno tamin'ny zany areo; aveo na aminjeo aby dia mbôla tsy vôgnogno amin'ny zany areo. 3 Satria areo mbôla araka ny nôfo. Fao na aiza misy fahasarotampiaro ndraiky fifandiragna eo aminareo, dia tsy miaigny araka ny nôfo moa areo, ary tsy mandaiha amin'ny fenitry ny ôlombelogno? 4 Fao koafa misy araiky mivaolagna magnanjao: "Zaho magnaraka Paoly," avakeo ny araiky mivaolagna magnanjao: "Zaho magnaraka Apolosy," dia tsy miaigny hotra ny ôlombelogno faogna moa areo? 5 Zôvy ary Apolosy? Zôvy Paoly? Mpanompo zay tamin'ny alalany no ninoanareo, zay namian'ny Tompo asa aby. 6 Zaho no namboly, Apolosy no nanondraka, fao Zagnahary no nampitômbo. 7 Kay noho zany, na izy zay mamboly na izy zay manondraka dia tsisy dikany. Fao Zagnahary no mampitômbo. 8 Aveo izy zay mamboly ndraiky izy zay manondraka dia araiky, aveo ny tsiaraikiaraiky dia samy hahazo ny karamany aby araka ny asany. 9 Fao zahay dia mpiara-miasa amin-Jagnahary. Areo dia sahan-Jagnahary, ndraiky tragnon-Jagnahary 10 Araka ny fahasoavan-Jagnahary zay namiagna zaho hotra ny mpagnano tragno mahay, dia namaitraka ny fôtotro zaho aveo hafa no magnorigny eo amboniny. Fao aoka ny lalahy tsiaraikiaraiky hitandrigny ny amin'ny fomba hagnorignagna eo amin'ny zany. 11 Fao tsisy ôlogno mamaitraka fôtotro afa-tsy lehy araiky zay napaitraka, zany hoe: Jesôsy Kristy. 12 Zeo raha misy ôlogno magnorigny eo ambonin'ny fôtotro amin'ny volamaina, volafôtsy, vato lafo vanga, kakazo, bozaka, na molôlo, 13 dia haboaka ny asany, fao ny andro mazava no hagnaboaka zany. Satria naboaka amin'ny môtro zany. Ny môtro no hitsapagna ny hatsaragnan'ny nataon'ny tsiaraikiaraiky. 14 Raha mitoaitra ny asan'ny lehy ôlogno, dia hahazo valisoa izy; 15 fao raha may ny asan'ny lehy ôlogno, dia ho fatiantoko izy, fao izy haigniny dia hoavaotagna, hotra ny nitsoaka tamin'ny môtro faogna. 16 Tsy hainareo moa fao areo dia tempolin-Jagnahary aveo ny Fagnahin-jagnahary no mibidôko ao aminareo? 17 Raha misy ôlogno mandratra ny tempolin-Jagnahary, dia handratra zany ôlogno zany Zagnahary. Fao masigny ny tempolin-Jagnahary, aveo hotra zany koa areo. 18 Aza ambaila hisy hamita-taigna. Raha misy ôlogno eo aminareo mihevitry fao misy fagnahy izy amin'zao vanim-potoagna zao, ambilao izy ho hanjary "laifaka " amin'zay mbô mety hanjary misy fagnahy izy. 19 Fao ny fahindriagnan'ny zao tontolo zao dia halifahagna eo amin-Jagnahary. Satria voasaorata magnanjao: Nahatakatra ny misy fagnahy tao amin'ny hafitsiagnan-jareo Izy." 20 Avakeo magnanjao: "Ny Tompo dia mahay fao ny fihevitry ny misy fagnahy dia zava-poagna." 21 Noho zany tsisy firaiharaihagna momban'ny ôlogno eky! Fao ny raha jiaby dia areo, 22 na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tonlo izao, na fiainagna, na fahafataisagna, na raha amizeo, na raha vo avy. Ny raha jiaby dia nihinareo avakeo, 23 areo dia nihin'i Kristy, aveo Kristy dia nihin-Jagnahary.