Toko Faha 2

1 Kofa nandaiha aminareo zaho, rahalahy, dia tsy tonga niaraka taminy lahateny na fahendriagna raha nagnambara ny raha misitriky mahakasiky Zagnahary. [Fagnamarihagna: Ny dika-teny maro hafa dia mivaky magnanjao: "Raha nagnambara ny fitsanganagna antomoa mahakasiky Zagnahary Zaho.''] 2 Fao nanapa-kevitry tsy hahay na ino na ino zaho koafa teo aminareo, afa tsy Jesôsy Kristy, ndraiky Izy voahombo. 3 Aveo niaraka taminareo zaho teo amin'ny fahalimiagna, ndraiky tamin'ny hamboriagna, ary tamin'ny fangovitagna mafy. 4 Avakeo ny hafatra ndraiky fagnambarako dia tsy tamin'ny vaolagna fandrisian-dahatry ny fahindriagna. Fao naifa, reo dia tamin'ny fanehoan'ny Fagnahy ndraiky ngôvo, 5 mbô tsy ho ao amin'ny fahindriagnan'ny ôlombelogno ny finoagnanareo, fao ao amin'ny ngôvon-Jagnahary. 6 Zeo, dia mikoragna fahindriagna eo amin'ny reo matotro atsika, fao tsy ny fahindriagnan'ny izao tontolo izao, na ny an'reo mpanapak'izao vagninandro izao, zay mandalo faogna. 7 Fao naifa, mivaolagna ny fahindriagnan-Jagnahary amin'ny fahamarignagna mivôny atsika, lehy fahindriagna mivôny zay nitindren-Jagnahary mialaoha talohan'ny reo vagnin'andro jiaby ho vogninahitsika. 8 Tsisy tamin'ny reo mpanapak'izao andro zao no nahay io fahindriagna io, fao raha nahatakatra zany zareo tamin'ny zany fotoagna zany, dia tsy ho nihombon-jareo lehy tômpon'ny vogninahitry. 9 Fao araka zay voasaoratra magnanjao: "Ireo raha zay tsisy maso nahita, tsisy sôfigny naharegny, tsisy eritreritry nahazo an-tsaigny, reo raha zay namian-Jagnahary ho an'reo tia Azy." 10 Ireo no raha naboakan-Jagnahary taminay tamin'ny Fagnahy. Fao ny Fagnahy dia mitady ny raha jiaby, na dia reo raha lalin-Jagnahary aby. 11 Fa zôvy no mahay ny fisaignan'ôlogno araiky afa-tsy ny fagnahin'ôlogno ao aminazy? Araka zany koa, tsisy mahay reo raha lalin-Jagnahary koa tsy ny Fagnahin-Jagnahary. 12 Fao tsy nalaka ny fagnahin'izao tontolo izao atsika, fao ny Fagahy zay avy amin-Jagnahary, mbô hahaizantsika mahay reo raha amiagna atsika maimaim-poagna avy amin-Jagnahary. 13 Mivaolagna mahakasiky reo raha reo amin'ny vaolagna zay tsy hain'ny fahindriagnan'ôlombelogno ampianarigny zahay, fao zay ampianarin'ny Fagnahy zahay. Ny Fagnahy no mandiky ny vaolagna ara-pagnahy miaraka amin'ny fahindriagna ara-pagnahy. 14 Ny ôlogno zay tsy ara-pagnahy dia tsy malaka reo raha zay nihin'ny Fagnahin-Jagnahary, satria halifahagna aminazy regny. Tsy afaka mahay regny izy satria famantaragna ara-pagnahy regny. 15 Izay ara-pagnahy dia mitsara raha jiaby, fao tsy iharan'ny fitsaragnan'ny hafa izy. 16 "Fao zôvy no afaka mahay ny fisaignan'ny Tompo, no ho afaka hampianatra Azy?" Fao zahay dia managna ny fisaignan'i Kristy.