Toko Faha 16

1 Ary mahakasiky ny famoriam-baola amin'ny reo mpino, araka ny nanoroako lalagna ny fiangonan' Galatia, dia karaha zany koa no tôkony tsabonareo. 2 Amin'ny andro voalaohan'ny herignandro, dia tôkony hanaokagna raha ny tsiaraikiaraiky aminareo ary hikajy zany araka zay vitanareo. Manaova zany mbô tsy hisian'ny famoriam-baola jiaby koafa tonga zaho. 3 Koafa havy zaho, na zôvy na zôvy kehinareo, dia alaifako miaraka amin'ny taratasy mbô hanolaoragna ny fagnatitry areo hoan'i Jerosalema. 4 Raha aohatra kay mety aminaha faogna koa ny mandaiha, dia handaiha hiaraka aminaha zareo. 5 Fao hoavy akagny aminareo zaho koafa mandalo Makedonia. Fao handalo Makedonia zaho. 6 Mety afaka hijanogno miaraka aminareo zaho na mandritry ny fararano aby, mbô hahafahanareo magnampy zaho amin'ny diako, na aiza na aiza mboako. 7 Fao tsy magniry ny hahita areo mandritrany fotoagna fohy zaho zao. Fao magnantaigna ny hidôko maharitry miaraka aminareo, raha ambaila'ny Tompo. 8 Fao hijanogno ao Efesosy zaho papiky tongavan'ny Pentekosta, 9 fao afa varavaragna malalaka no nisaokatra ho zaho, avakeo misy fahavalo maro. 10 Ary koafa tonga Timoty, dia ezaho mbô tsy hatahotro izy miaraka aminareo, fao mitsabo ny asan'ny Tompo izy, karaha ny atako. 11 Aza ambaila hoisy ôlogno hagnano tsinotsinona azy. Ampia izy amin'ny fiadanagna, mbô hahafahany mandaiha aminaha. Fao magnantaigna azy mbô ho tonga hiaraka amin'ny reo rahalahy zaho. 12 Avakeo mahakaisiky Apolosy rahalahintsika, dia nampirisiky azy mafy zaho mbô hamangy areo miaraka amin'ny reo rahalahy. Fao mbôla tsy vôgnogno tantairaka ny hoavy izy zao. Na zany aby, hoavy izy koafa mety ny fotoagna. 13 Mandrasa, mitsangana tsara amin'ny finoagna, miasà karaha lalahy, maheraiza. 14 Aoka ho atao am-pitiavagna zay tsabonareo jiaby. 15 Hainareo ny tamingan'i Stefanasy, fao zareo no niaova fô voalaohany tao Asia, aveo zareo nagnambaila koragnanjareo amin'ny fanompoagna reo mpino. Ary mampirisiky areo zaho, rahalahy, 16 mbô hagneky ny ôlogno karaha zany ndraiky amin'ôlogno jiaby zay magnampy amin'ny asa ndraiky miasa miaraka aminay. 17 Miravo amin'ny fahatongavan'i Stefanasy, Fortinasy, avakeo Akaiosy zaho. Nameno ny tsy naha-te areo zareo. 18 Fao namelombelogno ny fahahiky ndraiky nihinareo zareo. Kay noho zany, zahavo ny ôlogno karaha zany. 19 Reo fiangonan'i Asia dia magnano veloma areo. Akila ndraiky Prisila dia magnano veloma areo ao amin'ny Tompo, miaraka amin'ny fiangonagna zay ao amin'ny pitrahanjareo. 20 Ny rahalahy jiaby magano veloma areo. Mifanaova veloma amin'ny hôroko masigny. 21 Zaho, Paoly, manaoratra tô amin'ny tagnako. 22 Raha misy ôlogno tsy tia ny Tompo, enganie mbô ho voahôzogno izy. Ho avy, ny Tompontsika! 23 Hoaminareo ny fahasoavan'ny Jesôsy Tompo. 24 Ho aminareo jiaby ny fitiavagna ao amin'i Jesôsy Kristy. [Fagnamarihagna: Ny dikan-teny talaoha dia manôsoko: "Amena." Fao ny vava maro hafa, ao agnatin'ny zany ny ULBndraiky ny UDB, dia mangala zany.]