Toko Faha 15

1 Zeo mpampahatsaro areo zaho, rahalahy, ny amin'ny vava maharavo zay nambarako taminareo, zay nirasinareo ndraiky zay itsangananareo. 2 Amin'ny alalan'ny zany vava maharavo zany no hahavoavonjy areo, raha mitagna mafy amin'ny vaolagna nitoriky taminareo areo, raha tsy hoe ninoninona foagna. 3 Fao natôlotro ho zava-dehibe voalaohany hoanareo zay azoko faogna koa: fao maty hoan'ny fahotagnantsika Kristy nivolagnin'ny Saoratra Masigny, 4 ary nalevigny Izy, avakeo Izy natsangagna tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo nivolagnin'ny Saoratra Masigny. 5 Kristy niboaka tamin'i Kefasy, ary avakeo tamin'ny reo aroa ambin'ny fôlo; 6 aveo niboaka indraimandaiha tamin'ny reo rahalahy mihoatra ny dimanjato. Mbôla velogno ny ankamaroan-jareo, fao ny sasany nodimandry. 7 Aveo Izy niboaka tamin'i Jakoba, aveo tamin'ny reo apostoly jiaby. 8 Taigna farany, dia niboaka taminaha Izy, tôrotro ny hoe tamin'ny zaza tairaka tsy tonga volagna. 9 Fao zaho no taigna hely amin'ny reo apostoly. Zaho dia tsy magnaiva ny antsôvigny hoe apostoly satria nagnenjiky ny fiangonan-Jagnahary zaho. 10 Fao nohon'ny fahasoavan-Jagnahary no naha toy zao zaho, avakeo tsy foagna ny fahasoavany akato aminaha. Fao ndraiky, taigna niasa mafy ohoarigny amin'ny izy jiaby zaho. Naifa tsy zaho zany, fao ny fahasoavan-Jagnahary zay miaraka aminaha. 11 Noho zany zaho zany na zareo, karaha ny nitorianay dia araka zany no inoanareo. 12 Zeo raha nambara fao Kristy dia natsangagna tamin'ny maty, akôry no hahafahan'ny sasany aminareo mivaolagna fao tsisy ny fitsanganagna amin'ny maty? 13 Naifa raha tsisy ny fitsanganagna amin'ny maty, dia tsy natsangagna aby Kristy; 14 aveo raha tsy natsangagna Kristy, foagna ny toriteninay, ary foagna faogna koa ny finoagnanareo. 15 Kay, hita ho antomoa diso mahakasiky Zagnahary zahay satria nitsangagna antomoa nanohitry Zagnahary, nivaolagna nagnanjao natsangagna Kristy koafa tsy nagnano zany Izy. 16 Raha tsy natsangagna ny maty, dia na Kristy aby tsy natsangagna; 17 aveo raha tsy natsangagna Kristy, dia foagna ny finoagnanare aveo mbôla ao amin'ny fahotagnanareo areo. 18 Ary zay jiaby maty ao amin'i Kristy dia afa very faogna koa. 19 Raha amin'ny tô fiainagna tô faogna no anagnantsika toky amin'ny hoavy ao amin'ny Kristy, dia atsika no taigna mampahonena amin'ny ôlogno jiaby. 20 Fao zeo afa natsangagna tamin'ny maty Kristy, lehy voalaoham-bokatr'ireo zay maty. 21 Fao satria havy tamin'ny alalan'ny ôlogno araiky ny fahafataisagna, dia avy tamin'ny alalan'ny ôlogno araiky faogna koa no navian'ny fitsanganagna amin'ny maty. 22 Fao tôrotro ny nahafataisan'ny jiaby tao amin'i Adama, dia ho velogno ao amin'i Kristy faogna koa jiaby. 23 Kanaifa samy ao amin'ny filaharany manaokagna ny tsiaraikiaraiky: Kristy, lehy voalaoham-bokatra, ary aveo reo zay nihin'i Kristy dia ho atao velogno amin'ny fiaviany. 24 Aveo hoavy ny farany, koafa hamaizan'i Kristy ho nihin'i Zagnahary Iada ny fanjakagna. Zany dia koafa hagnafoagna ny fitsipiky jiaby ndraiky ny fahefagna jiaby avakeo ny angôvo Izy. 25 Fao tsy maintsy manjaka Izy papiky hambilany fahavalony jiaby ao ambanin'ny hongony. 26 Ny fahavalo farany haringagna dia ny fahafataisagna. 27 Fao "Navailany teo ambanin'ny hongony jiaby ny raha jiaby." Fao nambara fao: "Izy no namaitraka ny raha jiaby," dia mazava tsara fao tsy tafiditry ao agnatin'ny zany lehy araiky namaitraka raha jiaby hagneky haigniny. 28 Koafa magneky Azy ny raha jiaby, dia ny Zanaka lasite no hagneky lehy araiky zay nampagneky ny raha jiaby ho Azy. Hiboaka zany mbô ho jiaby ao amin'ny jiaby ny Zagnahary Iada. 29 Na koa ino no ilaigna reo zay vita batisa hoan'ny maty? Raha tsy natsangagna lasite ny maty, nagnino zareo tsabogny batisa hoan-jareo? 30 Nagnino ary, atsika am-bava loza isam-potoagna? 31 Miatriky fahafataisagna isan'andro zaho! Zany dia azo antoko tôrotro ny fireharehako ny aminare, zay azoko ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika. 32 Ino no tômbony azoko, avy amin'ny fomba fizahavan'ôlombelogno, raha niady tamin'ny biby tao Efesosy zaho, raha tsy natsangagna ny maty? "Aoka atsika hihinagna aveo higiaka satria hofoaty atsika amaraigny." 33 Aza mety ho fitahigny magnanjao: "Mandratra fisaignagna tsara ny nama-dratsy." 34 Mandiniha! Miaigna am-pahamarinagna! Aza manôhy manota! Fao ny sasany aminareo dia tsy managna fahaizagna Zagnahary. Mivaolagna zany hoamin'ny fahamignaragna zaho. 35 Fao ny ôlogno araiky hivaolagna: "Akôry no namilaomagna ny maty, ary amin'ny karazagna vatagna ino no hatongavan-jareo?" 36 Tsy mahay na ino na ino areo! Zay hafafinareo dia tsy hanomboko hitômbo raha tsy maty zany. 37 Zay nafafinareo dia tsy ny vatagna zay hoavy, fao voa faogna. Zany dia mety hanjary vary na raha hafa. 38 Fao hamaizan-Jagnahary azy ny vatagna araka zay safidiany, avakeo samby amin'ny vatany aby ny voa tsiaraikiaraiky. 39 Tsy ny nôfo jiaby no mitôvy. Fao ndraiky, araiky ny nôfon'ôlombelogno, dia hafa ny nôfon'ny reo biby, ary nôfo hafa nihiny vôrogno, ary hafa nihin'ny hazandrano. 40 Misy faogna koa reo vatagna akagny an-dangitry ndraiky reo vatan'ny aketo an-tany. Fao karazagna araiky faogna ny vogninahitry ny vatagna agny an-dangitry ary hafa ny vogninahitry ny aketo an-tany. 41 Araiky ny vogninahitry ny masaova, ary hafa ny vogninahitry ny davolagna, ary vogninahitry hafa nihin'ny reo lakintagna. Fao ny lakintagna araiky miavaka amin'ny lakintagna araiky hafa amin'ny vogninahitry. 42 Tôrotro zany koa ny fitsanganagna amin'ny maty. Zay afafy dia mety haratra, avakeo zay atsangagna dia tsy mety maratra. 43 Afafy tamin'ny fahafaham-baraka zany; dia natsangagna am-bogninahitry. Afafy tamin'ny fahalimiagna zany; dia natsangagna amin'ny ngôvo. 44 Afafy amin'ny vatagna voajagnahary zany; dia atsangagna ho vatagna ara-pagnahy. Raha misy vatagna voajagnahary, dia misy vatagna ara-pagnahy faogna koa. 45 Ary afa voasaoratra faogna koa fao: "Nanjary fagnahy velogno Adama lehy lalahy voalaohany." Lehy Adama farany dia nanjary fagnahy magnamia fiainagna. 46 Fao tsy ny ara-pagnahy no tonga voalaohany fao ny voajagnahary, ary aveo ny ara-pagnahy. 47 Ny ôlogno voalaohany dia avy amin'ny tany, namboarigny tamin'ny jôfo. Ny ôlogno faharoa dia avy akagny an-dangitry. 48 Tôrotro lehy araiky namboarigny tamin'ny jôfo, tôrotro zany koa lehy ôlogno akagny an-dangitry, ary karaha zany faogna koa reo zay avy akagny an-dangitry. 49 Karaha ny nindaisantsika ny bikan'ny lehy ôlon'ny jôfo, dia hinday ny bikan'ny lehy ôlon'ny langitry faogna koa atsika. 50 Ary zao no volagniky, rahalahy, fao ny nôfo aman-drà dia tsy afaka ny handaova ny fanjakan-Jagnahary. Na zay mety maratra handaova zay tsy mety maratra. 51 Tô! Raha marigny mivôny no ho volagniky areo: Tsy hofoaty jiaby atsika jiaby, fao hovoagna jiaby atsika jiaby. 52 Hiaova atsika amin'ny fotoagna araiky, ao agnatin'ny ndraiky mipi-maso, amin'ny trompaitra farany. Hagneno ny trompaitra, ary reo maty dia hatsangagna ho tsy mety lô, aveo dia hovoagna atsika. 53 Fao tô vatagna mety maratra tô dia tsy maintsy hisikigny zay tsy mety lô, avakeo tô vatagna mety maty tô dia tsy maintsy hisikigny ny tsy fahafataisagna. 54 Fao koafa misikigny ny tsy mety maratra tô vatagna mety maratra tô, ary koafa misikigny ny tsy fahafataisagna tô vatagna mety maty tô, dia ho tonga amin'ny lehy vaolagna zay voasaoratra magnanjao: "Voateligny tamin'ny fandrisiagna ny fahafataisagna." 55 "Oa fahafataisagna, aiza ny fandresanao? Oa fahafataisagna, aiza ny fanindrognoa?'' 56 Ny ota no fanindron'ny fahafataisagna, aveo ny angôvon'ny ota dia ny lalàgna. 57 Fao isaoragna Zagnahary, zay nagnamia atsika ny fandrisiagna amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika! 58 Noho zany, rahalahy tiako, mioraigna tsara aveo aza mihôzonkôzogno. Mandrosoa lalandava amin'ny asan'ny Tompo, satria hainareo fao tsy very maigny ny asanareo ao amin'ny Tompo.