Toko 1

1 Paoly, nantsôvin'i Kristy mbô ho Apostoly nohon'ny sitrapôn-Jagnahary, ndraiky Sostena rahalahintsika, 2 hoan'ny fiangonan-Jagnahary ao Korinto, hoan'ny reo zay nihamasinigny tao amin'i Kristy Jesôsy, zay voahantso ho ôlo masigny. Manaoratra aminareo jiaby zay magnantso ny agnaragna Jesôsy Kristy Tompontsika amin'ny toairagna jiaby faogna koa zahay, dia tompôn-jareo ndraiky atsika. 3 Hoaminareo ny fahasoavagna ndraiky fiadanagna avy amin-Jagnahary Iadantsika ndraiky Jesôsy Kristy Tompo. 4 Zaho dia magnamia fisaoragna amin-Jagnahary hoanareo faogna nohon'ny fahasoavan-Jagnahary zay namian'i Jesôsy Kristy areo. 5 Natany nanankariagna tamin'ny fomba jiaby areo, tamin'ny fivolagnagna jiaby ndraiky fahaizagna jiaby, 6 raha voaprofo teo aminareo fao marigny ny fagnambaragna mahakasiky Kristy. 7 Noho zany areo dia tsy ory fagnomaizam-pahasoavagna eo am-pandignaisanareo ny fagnambaragna Jesôsy Kristy Tompontsika. 8 Izy faogna koa dia hampahery areo zisiky amin'ny farany, mbô tsy hanagna tsigny areo amin'ny andron'i Jesôsy Kristy Tompontsika. 9 Mahatoky Zagnahary, zay nagnantso areo hoamin'ny firaisagna amin'ny Zanany lalahy, Jesôsy Kristy Tompontsika. 10 Zeo dia mampirisiky areo zaho, rahalahy, amin'ny agnaran'i Jesôsy Kristy Tompontsika, mbô hifagnaraka areo jiaby, aveo tsy hoisy fisarahagna eo aminareo. Mandrisiky zaho mbô hikambagna amin'ny saigny mitôvy ndraiky tanjogno mitôvy areo. 11 Fao afa natao mazava taminaha, rahalahy, tamin'ny alalan'ny vahoakan'i Kloe fao misy fifampiandaniagna eo aminareo. 12 Ny tiako ambara dia zao: Ny tsiaraikiaraiky aminareo samy magnano hoe: "Zaho miaraka amin'i Paoly," na ''Zaho miaraka amin'i Apolosy," na "Zaho miaraka amin'i Kristy." 13 Voazarazara moa Kristy? Paoly moa no nifantsihagna hoanareo? Tamin'ny agnaragna Paoly moa no nagnanaovagna batisa areo? 14 Misaotra Zagnahary zaho fao tsisy nataoko batisa areo, koa tsy Krispo ndraiky Gaio. 15 Zany dia mbô tsy hahafahan-jôvy na zôvy mivaolagna hoe tamin'ny agnarako no nitsaboagna batisa areo. 16 (Zaho faogna koa dia nitsabo batisa ny tamingan'i Stefanasy. Ny hafan'ny zay tsy haiky raha nitsabo batisa ôlogno hafa zaho.) 17 Fao Kristy dia tsy nagniraka zaho mbô hampagnano batisa fao hitory ny vava maharavo. Izy tsy nadaifa zaho hitory amin'ny koragna fahindrian'ôlombelogno, mbô tsy ho foagna ny ngôvon'ny kakazon'ny fijalian'i Kristy. 18 Fao ny hafatra mahakasiky ny kakazo fijaliagna dia halifahagna amin'ny reo zay ho foaty. Fao eo amin'ny reo zay ho vonjen-Jagnahary ndraiky, dia ngôvon-Jagnahary zany. 19 Fao voasaoratra magnanjao: "Ho potehigny ny fahindrian'ny hendry. Ho foagnako ny fahaizan'ny mahay.'' 20 Aiza ny ôlon-kendry? Aiza ny manam-pahaizagna? Aiza ny mpiady hevitry ny zao tontolo zao? Moa tsy navadiky Zagnahary ho halifahagna moa ny fahindrian'ny zao tontolo zao? 21 Satria tsy nahay Zagnahary zao tontolo zao tao amin'ny fahindriagna, dia sitraka Zagnahary ny hagnavotro reo zay mino amin'ny alalan'ny halifahagna ny fitoriagna. 22 Fao reo Jiosy dia mangataka famantaragna mahagaga aveo reo Grika mandiniky fahindriagna. 23 Fao zahay mitory Kristy nifantsaihagna, zay vato fanatafintohinagna amin'ny reo Jiosy avakeo halifahagna amin'ny reo Grika. 24 Fao amin'ny reo zay nantsôvin-Jagnahary, reo Jiosy ndraiky reo Grika, dia mitory Kristy mitôvy ny ngôvo ndraiky fahindrian-Jagnahary zahay. 25 Fao ny halifahan-Jagnahary dia hendry noho ny ôlogno, avakeo ny fahalimian-Jagnahary dia matanjaka noho ny ôlogno. 26 Diniho ny fagnantsaovagna areo, rahalahy. Tsy maro taminareo no misy fagnahy raha ny amin'ny maha ôlombelogno. Tsy maro taminareo no nafy. Tsy maro taminareo no agnambo firazanagna. 27 Fao Zagnahary dia nisafidy reo raha halifahany zao tontolo zao mbô hampamaingatra ny misy fagnahy. Zagnahary dia nisafidy zay malemy eo amin'ny zao tontolo zao mbô hampamaingatra zay matanjaka. 28 Zagnahary dia nisafidy zay ambany ndraiky hamavoagna eketo amin'ny zao tontolo zao. Na Izy aby dia nifidy reo raha zay niheverigny ho tsinotsinona, mbô hahatonga tsinotsinona reo raha zay atao ho manan-danja. 29 Nitsabony zany mbô tsy hoisy hanagna antony hiraiharaihagna eo agnatraihany. 30 Nohon'ny nitsaboan-Jagnahary, zeo areo dia ao amin'i Kristy Jesôsy, zay nanjary fahindriagna hoantsika avy amin-Jagnahary. Izy dia nanjary fahamarinantsika, fahamarinantsika aveo fahafahantsika. 31 Vokatry zany, araka zay ambaran'ny Saoratra Masigny magnanjao: "Aoka zay miraiharaiha, hiraiharaiha ao amin'ny Tompo."