Chapitre 1

1 Bokin'ny razam-ben'i Jesosy Kristy Zanakan'i Davida, Zanaka Abrahama. 2 Abrahama Baban'i Isaka, aviô Isaka Baban'i Jakoba, aviô i Jakoba koa baban'i Joda ndraiky irô ralahiny. 3 Joda Baban'i Fareza ndreky i Zara baka tami n'ny Tamara, Fareza Baban'i Herzona, aviô Herzona Baban'i Rama. 4 Rama Baban'i Aminadaba, aviô Aminadaba Baban'i Nasona, aviô Nasona Baban'i Salmona. Salmona baban'i Boaza tamin'ny 5 Rahaba, Boaza baban'i Obeda tamin'i Rota, Obeda baban'i Jese. 6 Aviô Jese baban'i Davida mpanjaka, Davida baban'i Solomona boaka tamin'ny vadin'i Oria. 7 Solomona baban'i Rehoboama, Rehoboama baban'i Abia, aviô Abia baban'i Asa. 8 Asa baban'i Jaosafata, aviô Jaosafata baban'i Jorama, aviô Jorama baban'i Ozia. 9 Ozia baban'i Jotama, Jotama baban'i Ahaza, Ahaza baban'i Hezekia. 10 Hezekia baban'i Manase, Manase baban'i Amona aviô Amona baban'i Josia. 11 Josia baban'i Jekonia ndraiky irô ralahany tamin'ny fotoagnan'ny fandrohagna ho agny Babylona. 12 Tafaran'ny fandrohagna handeha Babylona, kay Jekonia baban'i Sealtela razam-ben'i Zerobabela. 13 Zerobabela baban'i Abihoda, Abihoda baban'i Eliakima, aviô Eliakima baban' Azora. 14 Azora baban'i Zadoka, Zadoka baban'i Akima, aviô Akima baban'i Elihoda. 15 Elihoda baban'i Eliazara, Eliazara baban'i Matama, aviô Matama baban'i jakoba. 16 Jakoba baban'i Josefa vadiny Maria, araiky niteraka i Jesosy igny, na koa kahiantsika amin'ny agnaragna hoe Kristy. 17 Irô taranaka jiaby nanomboko tamin'i Abraham ndraiky jusqu'à tamin'i Davida zegny taranaka efatra ambin'ny folo, nanomboko tamin'i Davida jusqu'à tamin'ny fandroagna tà babylona taranaka efatra ambin'ny folo koa, aviô nanomboka tamin'ny fandroagna tà babylona jusqu'à tamin'i kristy, kay taranaka efatra ambin'ny folo hafa koa. 18 Karaha ty zaka nitranga tamin'ny fahaterahan'i Jesosy Kristy. I Maria mamany efa natao hanambady i Josefa, Kanefa talohan'ny niarahan-drô roé, hita izy fa nitoe-jaza baka tamin'ny Fanahy Masigny. 19 Josefa, vadiny, tegna lelahy marigny salakady sy tia angala baraka izy ampahabemaso. Kay nanapa-kevitra izy tsy hamaragna mangingina ny fifanekeny taminany. 20 Aviô tamin'izy mbola nieritreritra makasika zaka jiaby igny, niboaka tamin'ny nofinany anjelin'ny Tompo, nagnambara izy karaha ty hoe: "Josefa, zanaka lahin'i Davida,aza mavozo anao amin'ny anagalanao i Maria ho vadinao, satria agnatinany ao araiky nitorontoroegna tamin'ny Fanahy Masigny salakady nampitoetra izy. 21 Hitairaka lahy izy, aviô agnaranany ataonao hoe Jesosy, fa izy io hamonjy olonany mba hiala amin'ny fahotan-drô." 22 Raha jiaby zegny tsy maintsy hitranga mba hatantairaka raha nambaran'ny tompo tamin'n alalan'ny mpaminaninany, magnano hoe: 23 "Ity virjiny hitoe-jaza kay hitairaka tsaiky lelahy hely, aviô irô hikaiky agnaranany Imanoela"_zegny midika hoe: "Amintsika zagnahary." 24 Taitry tamin'ny toromasonany i Josefa aviô nagnano raha karaha nandidiany anjelin'ny tompo izy aviô nampiakatra izy mba ho vadiny. 25 Kanefa tsy niaraka taminany izy mandram-piterany tsaiky lelahy hely io. Aviô nataony Jesosy agnaranany.