Toko faha 4

1 Mitenoa, gny fapenaranigny ra, ry zanako, dra mitandrema ba hahafatarandrareo gny atao ho fahazava-say. 2 Magnome fapenara soa anao zaho; ka mahafo gny fapenarako. 3 Taminigny bo naha-zanaky gny rako anahy, gny mora fagnahy dra zanaky tokonigny reniko, 4 dra napianasy anahy ereo nizaka taminahy ho: "Aoky gny fonao hihazo fatrasy reo zakako; tandrovy reo didiko dra ho velo handrareo. 5 Mahazoa fahendre vo fahazava-say; ka magnalio dra ka manda reo zakanigny vavako; 6 ka afoy gny fahendre dra hiambin'andrareo izy; tiavo izy dra hiaro andrareo. 7 Gny fahendre gny zava-dehibe indrindra, ko mahazoa fahendre dra lanio ze anagnandrareo aby ba hahazoandrareo fahazava-say. 8 Aoky ho lalainao gny fahendre dra hanandrasy andrareo izy; hagnaza andrareo izy raha mamihy anazy handrareo. 9 Hametraky fehiloha -pagnazan'eo ambaninigny lohandrareo izy; dra hagnome andrareo satro-boninahisy soa tarehy." 10 Mitenoa, ry zanako, dra tandremo gny zakako, dra hana tao maro hiegna hanao. 11 Hanoro lalan'anao aminigny lala-pahendre zaho; dra hitariky anao ho ami'reo lala mahisy zaho. 12 Gny fa mandeha hanao, dra sy hisy olo hizoro aminigny lalanao dra raha mihazakazaky hanao, dra sy ho tafitohy. 13 Hazogny reo torolala, ka anga handeha; tazogny, fa fiaignanao zay. 14 Ka magnaraky gny lalanigny rasy fagnahy dra ka mandeha magnaraky gny lalan'ireo ze manao rasy. 15 Handosiro zay, dra ka mandeha amizay; miala amizay dra mandehana aminigny lalak'afa. 16 Fa sy afa-mandry ereo mandra-panovany rasy dra levo torimaso ereo mandra-panafitohiny olo. 17 Fa ereo dra mihina gny mofonigny faharasia dra mino gny divainigny herisetra. 20 Ry zanako, tadremo gny zakako; 21 Ka anga hiala amigny masonao ireo; tano ao am-ponao izay. 22 Fa gny zakako dra aina ho an'ireo izay mahita anazy dra fahasalamana ho an'ny vatan'izy ireo dra manontolo. 23 Arovy gny fonao dra ambeno amigny fitadremana regetra izay, fa avy amin'izay gny hikorianan'ny loharanon'aina. 24 Alao eo aminao gny zaka mivalibaliky dra gny zaka manola lavisy anao. 25 Aoka gny masonao hagnety vo hibazina mahisy gny eo alohanao. 26 Magnamboara lala mahisy ho an'ny tombokao; dra hilamina gny lalanao rehetra. 27 Ka mivily ho amigny akavia na akavana; alavoro amigny rasy gny tombokao.