Toko 1

1 Gny fizakany gny zakan'i Yaveh tamin'Israely alalan'ny tanan'i Malakia. 2 ''Fa nitia adrareo zaho,'' hoy Yaveh. Saingy hoy hadrareo ho: ''Manaoakory gny nitiavanao anay?'' ''Sy rahalahin'i Jakoba se i Esao?'' hoy zinakan'i Yaveh.'' Jakoba gny fa tiako, 3 Fa Esao nihalako. Gny tedrombohiny dra fa nataoko lao, dra fa nataoko ho toerana ho an'ireo ambodia avy agny agnefisy gny lovany. 4 Gny mizaka i Edoma ho: ''Nolavoina izahay, kanefa hagnery hananga gny rava izahay,'' dra hizaka i Yaveh tomopon'ny maro ho: ''Mety hananga izy ireo,sangy ho ravako draiky. Ireo raha dra hitoka anazy ireo ho: ''Tananan'ny faharasiana'' vo ho: 'Ireo vahoaky izay nihozognon'i Yaveh mandrakizay.'' 5 Hahita izay gny masodrareo, dra hizaka hadrareo ho: ''Yaveh dra lahibe mihoasy ireo faritaninIsraely.''' 6 " Manahaky gny zanadahy magnome voninahisy gny rany, vo gny panopo magnome voninahisy gny topony. Raha ray Zaho, eza gny voninahiso? Raha topo Zaho, eza gny fanehoa fazakako?" Hoy i Yaveh toponigny maro tamireo pisoro, ze nanao sinosino gny agnarako. "Saingy hoy handrareo ho: 'Akory gny nanovanay sinosino gny agnaranao?' 7 Taminigny fanolora mofo voaloto eo aminigny alitarako. Saingy hoy handrareo ho: 'Akory gny nandotoanay Anao?' Taminigny filaza fa sy misy dikany gny latabas'i Yaveh. 8 Gny fa manolosy biby poaky hatao soro handrareo, moa sy rasy ra zay? Gny fa monolosy gny Kilemaina vo marary hanadrareo, moa sy rasy ra zay?" Atoroy agny aminigny governorandrareo zay! Handray andrareo ra izy na hatoby gny tavandrareo?" hoy Yaveh toponigny maro. 9 Amizao handrareo dra bo magnotany gny endrik'Agnahary, ba hamindrany fo sika. Fa Yaveh toponigny maro nizaka fa aminigny fagnatisy manahaky ze egny atagnandrareo, moa hapitraky gny tarehindrareo ra Izy? 10 "Raha ba nisy raiky tamindrareo masy nagnakato gny vavahadinygny tepoly, ba sy ho zava-poa gny andrehetandrareo afo eo aminigny alitarako! Sy makasitraky andrareo Zaho ," hoy Yaveh toponigny maro: "dra sy hitakasy fagnatisy boak'aminigny tagnandrareo Zaho. 11 Fa gny agnarako dra ho lahibe eo amireo firenena dra isaky gny toeran'aby manomboky aminigny fiposahanigny masoandro mandra-piletiny dra liti-kazo magnisy vo fagnatisy malio gny hatolosy aminigny agnarako. Fa gny agnarako dra lahibe eo amireo firenena." Hoy Yaveh toponigny maro. 12 "Fa manirasira anizay handrareo gny fa mizaka fa maloto, reo sakafony, dra hataoko sinosino. 13 Hoy koa handrareo ho: 'Mandreraky koa izy zay,' dra nihero tamizay handrareo," hoy i Yaveh toponigny maro. "Ninday ze nala taminigny bibi-mola handrareo na kilemaina na mararay; dra nandesindrareo ho fagnatindrareo zay. Tokony hitakasy anizay boak'egny atagnandrareo ra Zaho?" hoy Yaveh. 14 "Aoky hozogny pamitaky ze manan'agnondry vo mivoady hagnome Anahy zay, dra bo magnome soro ze misy kilema Anahy, Topo! Fa Izaho dra pazaka lahibe," hoy Yaveh toponigny maro," dra gny Agnarako hamem-boninahisy eo amireo firenena."