Toko faha 4

1 Fa sy nahafaly an'i Jona zay dra nazary ory fatrasy izy. 2 Noho zay dra nivavaky tamin'i Yaveh i Jona dra nanao ho: "Oh ra Yaveh, sy zeho ra gny fa nizakako taminiha nofa tafihery tagny amin'gny fireneko zaho? Zay gny antony nihesefako volohany sady niezahako hilefa tagny Tarsisy--- akory fatako fa Zagnahary manan-karem-pahasoava, mahari-po, malay ho ory, feno fahatokia, sady manegny amin'gny fandefasa loza Hanao. 3 Koa amizao ra, ry Yaveh, mitalaho aminiha zaho alao aminahy gny aiko fa soa ho anahy gny ho faty toy zay ho velo." 4 Ho i Yaveh ho: " Mety ra zeho hahorianiha f]loasy zeho?" 5 Dra niboaky gny tana i Jona dra nitoboky tegny amin'gny ilany asignanan'gny tana. Tagny gny nanaovany felofa dra nitoboky teo ambanin'gny alok'izeho izy so hahitany ze mety hahazo gny tana. 6 Nagnoma hazo Yaveh Zagnahary ka napisiry anizeho teo ambonin'i Jona hagnalokaloky gny lohany so hagnameva gny fahoriany. Tena faly vatany i Jona nohon'gny amin'gny hazo. 7 Fe nagnoma kankana Zagnahary tamin'gny fiposahan'gny masoandro gny hamaray maraindray. Nizera gny hazo zeho ka dra maiky gny hazo. 8 Vo nofa niposaky gny masoandro gny hamaray maraindray, dra nagnoma sioky mahama lat'agny asinagna Zagnahary. Vo koa, namely gny lohan'i Jona gny masoandro hany ka lany hery izy. Dra nagniry gny hahafatesany i Jona. Ho izy tamin'gny vatany ho: " Aleoko maty toy zaay ho velo." 9 Dra ho Zagnahary tamin'i Jona: " Mety se zeho hahorianiha lahibe gny amin'gny hazi zeho?" Dra ho i Jona ho: " Mety gny hahoriako, ndre gny amin'gny fahafatesa aza." 10 Ho Yaveh ho: " Niferegnay an'gny hazo hanao, zay sy niasaniha, na napisirianiha. Nisiry tao agnatin'gny hariva ray zeho dra maty tao agnatin'gny hariva raiky. 11 Manahaky anizay koa gny Aminahy, sy tokony hiferegnay an'i Ninive, gny tana lahibe, ze misy vahoaky mihoasy gny zato vo ro aly ze sy mahay gny fahasambihafa eo amin'gny tagna ankavana vo gny tagna ankavian'ereo, vo reo biby fiteza maro avo koa se Zaho?