Toko faha 3

1 Dra avy tamin'i Jona fagnindrony ndraiky gny zakan'i Yaveh nanao ho: 2 " Misangana, mandehana magnagny NInive, gny tana lahibe, dra torio aminazy gny hafasy ze andiliako aniha." 3 Dra nisanga Jona dra nagnagny Ninive tamin'gny fagnekea gny zakan'i Yaveh. Vo NInive dra tana lahibe vatany, raiky amin'ireo lala hateloa. 4 Nanomboky nilisy gny tana i Jona vo tafaran'gny lala raiky andro dra nitoka fatrasy izy sady nizaka ho: " Horava i Ninive ao agnatin'gny efapolo andro." 5 Nino an'Agnahary gny vahoaky tao Ninive dra nitoka fifadian-kany ereo. Nanao lamba fandala aby izy aby, hatramin'gny lahibe loasy ka hatramin'gny keliky loasy amin'ereo. 6 Sy ela dra avy teo amin'gny oazakan'i NInive gny vaovao. Dra nisanga boaky teo amin'gny seza fiandriany izy, nanaisotry gny akazom-boninahisiny, dra nanafosy gny vatany tamin'gny lamba fandala, dra nitoboky teo an-davenoky. 7 Nandefa fagnambara izy nozaka ho: " Etoky Ninive, amin'gny fahefan'gny pazaka vo gny olo-manan-kazany, aoky sy hisy olo na bidy, agnomby na agnondry aman'osy, hanendry raha. Aoky sy hihina ereo, na hino rano. 8 Fa aoky gny biby vo gny olo hisafosy lamba fandala dra aoky ereo hitaray fatrasy amin'Agnahary. Aoky gny kiraikiraiky samby hiala amin'gny lalan-drasiny vo amin'gny herisetry ze eo an-tagnany. 9 Ia gny mahay? Vasa hanegny avo Zagnahary ka hiova hevisy dra hiala amin'gny fahavignirany ka sy ho ripaky sika." 10 Hitan'Agnahary gny nahin'ero, fa niala tamin'gny lalan-drasiny ereo. Noho zay dra niova hevisy Zagnahary gny amin'gny fatrokafa ze nizakany hahy amin'ereo, dra sy nahiny zay.