Toko faha 3

1 Ingo, amin'izeho andro zeho vo amin'izeho fotoa zeho, nofa hapihery gny sesitanin'i Joda vo Jerosalema Zaho, 2 dra hamory gny firene aby Zaho, dra handay andreo hizoso eo amin'gny Lohasahan'i Josafata. Hisara andreo egny Zaho, noho gny amin'gny Israely oloko sady lovako, ze niparitahan'ereo teo amin'ireo firene, dra nohon'gny nizaran'ereo gny taniko. 3 Nanao filoka ho an'gny oloko ereo, dra nivarosy gny zaza lelahy ho an'gny pivaro-bata, sady nivarosy gny zaza apela ho an'gny divay so ho inomin'ereo. 4 Amizao, nagnino gny ory Aminahy handrareo, ry Tyro, Sidona vo gny faris'i Filistia aby? Hamaly faty Anahy ra handrareo? Ndre dra hamaly Anahy aza handrareo, dra ho aheriko eo amin'gny lohandrareo avy hatragny gny sazindrareo. 5 Fa nangalaky gny volafosiko vo gny volamenako handrareo, sady handay gny hare sarobidy ao amin'gny tepolindrareo Zaho. 6 Nivarosy gny olon'i Joda vo Jerosalema amin'ireo Grika handrareo, so hangala andreo lavisy gny faritaniny. 7 Ingo, hapiala andreo amin'gny toera ze nivarotandrareo andreo Zaho, dra hanohisy eo amin'gny lohandrareo. 8 Hivarosy gny zanandrareo lelahy vo zanandrareo apela, eo an-tagnan'gny olon'i Joda Zaho. Hivarosy andreo ho amin'i Sabeana ereo, agny amin'gny firene lavisy. Fa Yaveh gny fa nizaka. 9 Ambarao eo amin'ireo firene zeho ho: ' Omagno amin'gny aly gny vatandrareo, fohazo reo lelahy mahery, aoky hagnato ereo, aoky gny lelahin'aly aby hiakasy. 10 Tefeo ho mesa gny fangalindrareo dra ho lefo gny ansy fandrasandrareo. Aoky gny osa hizaka ho: "Mahery zaho." 11 Malaky dra miavia, handrareo firene aby egny magnodidy egny, vorio mindray egny gny vatandrareo. Ry Yaevh, apizoso reo lelahy maheriniha.' 12 aoky hifoha reo firene dra hiakasy ho ao amin'gny Lohasahan'i Josafata. Fa ao gny hitobohako hisara gny firene aby magnodidy. 13 Apetraho gny ansy fizinza, fa gny vokasy dra matoy. Miavia, posiposero gny voaloboky, fa feno gny famiaza. Mihoasy gny vata fitataza, fa gny faharasian'ereo dra bevata." 14 Misy tabataba, dra tabataba ao amin'gny Lohasahan'gny Fisara. Fa antomosy gny andron'i Yaveh ao amin'gny Lohasahan'gny Fisara. 15 Gny masoandro vo vola hazary mezy, vo reo vasia hita gny famirapiratany. 16 Hiersosy lat'agny Ziona Yaveh, dra hanondrosy gny feony ao Jerosalema. Hiozongozo gny tany vo gny lagnisy, fe YAveh dra ho felofan'gny olony, sady ferova fatrasy ho an'gny olon'Israely. 17 " Dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo ze mitoboky ao Ziona, tendrombohisiko masy. Vo dra ho masy Jerosalema, dra sy misy tafiky hanao dia be aminazy eo ndraiky. 18 Ho avy zeho amin'gny andro ze hipoiran'gny divay mamy amin'gny tendrombohisy, gny havoa dra hikoria ronono, gny lohasahan-driakin'i Joda aby dra hikoria rano, vo loharano dra ho avy lat'amin'gny fasangen'i Yaveh vo gny rano lat'amin'gny Lohasahan'i Sitima. 19 Hazary faharava nenga i Egypta vo Edoma hazary efisy foa, noho gny herisetry nahy tamin'gny olon'i Joda, akory nandasaky lion'olo sy manan-signy tao amin'gny taniny ereo. 20 Fa i Joda dra hitoboha mandrakizay, vo Jerosalema hitobohan'gny taranaky fara-mandimby. 21 Hamaly faty gny lion'ize sy mbo nivaliako ho faty Zaho," Fa Yaveh mitoby ao Ziona.