Toko faha 2

1 Siofy gny anzomara ao Ziona, dra apagnenovy gny fanaira agny an-tendrombohisiko masy! Aoky gny ponin'gny tany aby hangitakitany amin'gny tahosy, fa ho avy gny andron'i Yaveh; mariny vataby zeho. 2 Andron'gny fatrokafa bo gny ezim-pito zeho, andron'gny raho vo gny ezim-pito. Manahaky gny mangiran-drasy ze miely egny amin'ireo tendrombohisy, magnato gny tafiky lahibe sady matazaky. Sy mbo nisy tafiky manahaky tihoky hatrizay, sady sy hisy manahaky anazy sasy, ndre afaran'gny taranaky fara mandimby maro aza. 3 Gny afo dra mandevo gny raha aby magnoloa anazy, vo ambalik'izeho ao gny lelan'afo dra mirehisy. Gny tany dra manahaky gny saha Edena eo agnoloan'izeho, fe ambalik'izeho ao dra misy efisy foa. Sy hisy ndre ino ndre ino hilefa amin'izeho vatany. 4 Niendriky manahaky gny sovali reo tafiky, sady milomay manahaky gny pitikisy sovaly ereo. 5 Misambiky mindray amin'gny feo manahaky gny an'ireo sarety egny an-tapon'gny tendrombohiay ereo, manahaky gny feon'gny lelan'afo mirehisy ze mandevo gny mololo, manahaky gny tafiky matazaky vono ho amin'gny aly ereo. 6 Ao agnaty fangirifiria gny olo sady nazary fosy hasatry gny tarehin'ereo aby nofa eo agnatrehan'ereo. 7 Milomay manahaky gny pialy matazaky ereo; manganiky reo fefy manahaky reo miaramila pialy ereo; manao liabe amin'gny laharany aby ereo dra sy vaky gny laharany. 8 Sy mifanosiky ereo; samby mandeha amin'gny lalany aby ereo; mamakivaky gny ferova ereo sady sy rava gny laharany. 9 Mirohisy egny amin'gny tana ereo, dra milomay egny amin'gny fefy, manganiky reo fasange ereo, sady milisy eo am-baravarakely manahaky gny pangalasy ereo. 10 Mihorohoro magnolo andreo gny tany, dra miozongozo gny lagnisy, gny masoandro vo gny vola dra mezy, vo gny vasia dra mizano mamirasy. 11 Manondrosy gny feony magnoloa gny tafiny i Yaveh, akory reo pialiny dra maro agn'isa vatany; akory mahery ereo, ereo ze hagnatateraky gny liliny. Fa lahibe sady mahaory vatany gny andron'i Yaveh. Ia gny ho velo amin'izeho? 12 " Ka ndre dra amizao aza" ho i Yaveh ho: " Miheregna aminahy amin'gny fondrareo manotolo. Mifalia hany, mitomagnia, dra manaova fandala." 13 Viravirao avo koa gny fondrareo fa sy gny fitafiandrareo avo, dra miheregna amin'i Yaveh Zagnaharindrareo. Fa mamindra fo sady miantra Izy, sy mora ory sady be famindram-po, dra hiala amin'gny fampindesa fatrokafa Izy. 14 Ia gny mahay? Vasa hihery ra izy dra hana fangoraham-po, ka hanenga fitahia afarany, dra gny fagnatisy vihy vo fagnatisy inomy ho an'i Yaveh Zagnaharindrareo? 15 Siofy gny anzomara ao Ziona, mitokava fifalian-kany masy, sady mitokava fivoria masy. 16 Avorio gny vahoaky, tokavo amin'gny fivoria masy. Vorio reo loholo, avorio gny ankizy mbamin'gny zaza minono. aoky gny papakasy hiala ao an'efitragnony, vo gny apakary hiala an-tragno fandriany. 17 Aoky reo pisoro, panopon'i Yaveh hitomagny eo agnelagnelan'gny lavaranga filira vo gny alitara. Aoky ereo hizaka ho: " Iantrao gny oloniha, ry Yaveh, dra ka enga ho amin'gny fahafaham-baraha gny lovaniha, dra hesoin'ireo firene. gnino ereo gny tokony hizaka amin'ireo firene ho: Eza gny Zagnaharin'ereo? 18 Akory dra saro-piaro gny amin'gny taniny i Yaveh dra niantra gny olony. 19 Namaly gny olony i Yaveh manao ho: " Ingo, handefa vary ho andrareo, divay vaovao, vo menaky Zaho. Ho afa-po amin'izeho handrareo, dra sy hengako ho afa-baraka eo amin'ireo firene sasy handrareo. 20 Alako lavisy andrareo gny panafiky lat'agny avarasy, dra handay andreo ho eo amin'gny tany karakay sady maiky Zaho. Fny loha-laharan'gny tafik'ereo dra handeha agny amin'gny ranomasy asinagna, vo vodi-lahara ho agny amin'gny ranomasy andrefa. Hiakasy gny fofony, vo gny fofon-drasiny hiakasy." Fa nanao raha lahibe vatany izy. 21 Ka matahosy, ry tany, mifalia sady miravoa, fa Yaveh hanao raha lahibe. 22 Ka matahosy, ry biby agny an-saha, fa hisimoky gny ahisy agny an'efisy, hamoa reo hazo, vo gny hazo aviavy vo gny voaloboky hamokasy feno. 23 Miravoa, ry vahoakin'i Ziona, dra mifalia ao amin'i Yaveh Zagnaharindrareo. Fa ghagnome fararanon'ora sady handasaky ora ho andrareo Izy, fararanon'ore vo gny fararanon-dohatao manahaky gny teo aloha. 24 Gny famoloa dra ho feno vary, vo gny vata ho feno divay vaovao vo dililo. 25 " Hapihery amin'gny laoniny reo taon'gny vokasy ze fa nihanin'gny andiam-balala Zaho--- gny valalla lahibe, gny valala pandrava, vo gny valala panimba ho aniha Zaho--- gny tafiko mahery ze nalefa eo amindrareo. 26 Hihina be dra be handrareo sady ho visy, dra misiriria gny agnaran'i Yaveh Zagnaharindrareo, ze fa nanao fahagaga teo amindrareo, dra sy handay fahamegnara eo amin'gny oloko sasy Zaho. 27 Hahafatasy handrareo fa eo amin'Israely Zaho, vo Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo, dra sy misy ankoasy Anahy, dra sy handay fahamegnara eo amin'gny oloko sasy Zaho. 28 Afaran'izeho ao dra handasaky gny Fagnahiko amin'gny nofo aby Zaho, vo gny zanandrareo lelahy vo gny zanadrareo apela dra haminany. Gny anti-dahindrareo dra hagnonofy, gny zatovondrareo dra hahita fahita. 29 Amin'iriho andro riho, dra handrosaky gny Fagnahiko eo amin'ireo panopolahy vo panopovavy avo koa Zaho. 30 Hapiseho fahagaga egny amin'gny lagnisy vo eo amin'gny tany Zaho, dra lio, vo afo, vo setroky miredareda. 31 Gny masoandro hivaliky hezy vo gny vola ho lio, alohan'gny ahavian'gny andron'i Yaveh ze lahibe sady mapihorohororo. 32 Ze iaby mitoka gny agnaran'i Yaveh dra ho voavonzy. fa egny amin'gny tendrombohis'i Ziona vo agny Jerosalema gny hisy reo ze tafilefa, araky ze voazakan'i Yaveh, dra eo amin'ireo sisa velo, reo ze nitokavin'i Yaveh.