Toko faha 22
1
Dra namaly Elifaza Temanita dra nizaka ho:
2
" Mety taliavin'Agnahary gny olo? Mety taliaviny se gny lelahy hendry?
3
Moa se fahafinareta ho an'gny Tsitoha no mary hanao? Moa se tombony ho Anazy no manao gny lalaniha ho sy misy signy hanao?
4
Moa se gny fanehoaniha fagnaza Anazy gny hamezignany aniha vo hindesany aniha amin'gny fisara?
5
Moa se sy lahibe gny faharasianiha? Sy misy fiafara se reo helokiniha?
6
Fa nangataky atoky tamin'gny findramam-bolan'gny rahalahinian tamin'gny sy misy antony hanao, sady fa nandrava akazo tamy ze nitanzaky hanao.
7
Sy nagnomia rano hi inomin'gny olo rokaky hanao; namihina mofo sy ho an'gny olo mosary hanao,
8
ndre dra olo mahery aza hanao, zay nana gny tany, ndre dra olo manam-boninahisy aza hanao, zay nonina tao amin'izay.
9
Nalefaniha maiky gny pinday vata; vo gny tagnan'ireo kamboty dra notapahy.
10
Noho zay, misy fandriky gny magnodidy aniha aby, vo gny fahatahora tapoky gny mapizaly aniha.
11
Misy gny ezy, bo sy hahitaniha; vo gny rano be manafosy aniha.
12
Moa se Zagnahary sy agny amin'gny haabon'gny lagnisy? Atio gny haabon'ireo kinta, endrey gny haabon'ereo!
13
Vo ho hanao ho: ' Ino gny fatan'Agnahary? Mety hisara amin'gny alalan'gny ezim-be se Izy?
14
Gny raho matevy gny firakofany, bo sy hahitany asika; mandeha egny amin'gny andohalombon'gny lagnisy Izy.'
15
Hitandry gny lala taloha ze nandehan'gny olo rasy fagnahy se hano---
16
reo ze nala talohan'gny fotoany, reo ze voaraoky sahala gny renirano gny fotos'ereo,
17
reo ze nizaka tamin'Agnahary ho: 'Miala aminay'; reo ze nizaka ho: ' Ino gny azon'gny Tsitoha ahy aminay?'
18
Fe bo nameno gny tragnon'ereo tamin'gny raha soa Izy; gny dinik'ireo rasy fagnahy dra lavisy anahy.
19
Gny olo mary mahita gny anzarany dra faly; gny olo sy mana signy miomehy andreo bo hikoraky anazy.
20
Ho ereo ho: ' Azo atoky fa nitapahy reo ze nisanga nanohisy asika; nandevo gny fanagnany gny afo.'
21
Koa amizao, magneke an'Agnahary vo mihavagna aminazy; amin'izay fomba zay, gny hiavian'gny soa aminiha.
22
Mangataky aminaha zaho, mandarmbesa fapianara boak'emin'gny molosiny; tehiriza ao am-poniha gny zakany.
23
No mihery amin'gny Tsitoha hanao, dra hiory, no mametraky gny sy fahamarignaniha lavisy gny lainiha hanao.
24
Apandrio eo amin'gny bo-tany gny hareniha, gny volamenan'i Ofira eo amin'gny vaton'gny lohasahan-driaky,
25
vo gny Tsitoha gny ho hareniha, volafosy sarobisy ho aniha.
26
Fa amin'izay dra hiravoravo ami'gny Tsitoha hanao; hanondrosy gny tarehinao amin'Agnahary hanao.
27
Hivavaky aminazy hanao, dra hiteno anao Izy; hagnavaky reo voadinao aminazy hanao.
28
Handidy gny raha aby koa hano, vo dra hafatrasy ho aniha zay; hamirasy amin'gny lalaniha gny fahazava.
29
Zagnahary dra mapietry gny olo mirehareha, vo mamozy gny olo mapizoso gny masony.
30
Hagnafaky Izy ndre dra gny olo mana signy aza; zay ho voze eo amin'gny fahadiovan'gny tagnaniha."