Toko voalohany

1 Gny fahitan'Isaia zanak'i Amosa, ze hitany nahakasiky an'i Joda vo Jerosalema, tamin'gny andron'i Ozia, Jotama, Ahaza, vo Hezekia, pazakan'i Joda. 2 Mitenoa, ry lagnisy, dra manongilana sofy, ry tany; fa nizaka Yaveh ho: " Fa namaha vo niteza gny zaza Zaho, nefa nikomy Taminahy ereo. 3 Gny agnomby mahay gny topony, vo gny boriky mahafatasy gny tavy famahanan'gny topony anazy, kanefa sy fatasy gny Israely, sy takasy gny Israely. 4 Loza! Ry firene, panota, vahoaky mavesa-keloky, taranaky panao rasy, zanadahy panao meloky! Fa nahafo an'i Yaveh ereo, fa nanao sinosino an'gny Raiky Masin'Israely ereo, fa napihemosy gny vatan'ereo taminazy ereo. 5 Nagnino handrareo gny mbo vaozera? Nagnino handrareo gnymikomy hatragny hatragny? Marary gny loha manotolo, torova tateraky gny fo. 6 Sy misy farisy sy maratry hatramin'gby faladia ka hatragny amin'gny loha; fery, vo manga vo rasy vao avo; mbo sy voakato, voalio, na nofehezy, na nosaboy tamin'gny dililo aby regny. 7 Rava gny firenendrareo; may reo tagnandrareo; reo sahandrareo_eo amin'gny fagnatrehandrareo, gny hamotehan'gny olo hafa firene ireo_foa sady rava, naringan'ireo olo hafa firene. 8 Gny zanaky apelan'i Ziona dra nenga manahaky gny tragno bongo egny an-tanim-boaloboky, manahaky gny fandria egny amin'gny sahana kaokaombira, sahala gny tana mahy fahirano. 9 No sy nanenga sisa keliky tamisika i Yaveh Tompon'gny maro, fa manahaky an'i Sodoma sika tahaky anizay, fa nitovy tamin'i Gomora tahaky anizay. 10 Maharegneza gny zakan'i Yaveh, handrareo ry panapak'i Sodoma; mitenoa gny lalan'Agnaharisika, handrareo ry vahoakin'i Gomora ho: 11 "Ino zay fahamaroan'gny sorondrareo ho Anahy?" ho YAveh." Fa tofoky gny agnondrilahy ahy fagnatisy oroa ZAho, vo gny zaboran'gny biby mifahy; ka sy sitrako gny lion'gny agnombilahy, zanak'agnondry, na aosy. 12 No fa avy hiseho eto agnatrehako handrareo, ia gny nangataky anizay tamindrareo, mbo hagnisaky gny kianzako? 13 Ka manday fagnati-pahatany sasy; fahavetaveta gny ditin-kazy magnisy aminahy, gby vola vaovao vo gny Sabata fiangona_sy afaky gny hilefisy amin'iregny fiangonan-drasy regny Zaho. 14 Halako reo vola vaovaondrareo vo reo firavoravoa voatondrondrareo, eta-mavesasy ho Anahy regny; ketraky amin'gny fihareta regny Zaho. 15 Koa dra no fa mamelasy gny tagnandrareo amin'gny vavaky handrareo, dra magnavony gny masoko sy ho amindrareo Zaho; ndre dra manolosy vavaky maro aza handrareo, dra sy hiteno Zaho; feno lio gny tagnandrareo. 16 Sasao, diovy gny vatandrareo; alao sy ho eo amasoko gny faharasin'ireo asandrareo; mizanogna amin'gny faharasia; 17 mianara manao gny soa; mitaliava gny rariny, ahisio gny fapahoria, magnomeza rariny ho an'ireo kamboty, arovy gny mananon-tegna. 18 " Avia se, ndao sika hiaraky hifandiniky," ho Yaveh; "Ndre dra manahaky gny zaky se gny fahotandrareo, dra ho fosy sahala gny oram-panala regny, ndre dra mena sahala gny sily aza regny, dra ho sahala gny volon'agnondry fosy. 19 No magneky sady makato handrareo, dra hihina gny soa boakamin'gny tany, 20 fa no manda sady mikomy handrareo, dra ho levonin'gny amesa," fa gny vavan'i Yaveh gny mizaka anizay. 21 Indrisy, nazary zanga gny tana mahatoky! Izy zay feno rariny_izy zay feno fahamarigna, fa amizao kosa izy feno pamono olo. 22 Niova ho tain-dredriky gny volafosindrareo, miharo rano gny divaindrareo. 23 Ireo andriandrareo dra pikomy vo sakezan'gny pandrava; tia kolikoly aby gmny iaby vo fatra-pitalia tombony. Sy miaro gny kamboty ereo, ndre gny fitoreva ara-dalan'gny mananon-tegna zay avy eo agnatrehan'ereo. 24 Noho zay dra zao gny fagnambaran'i Yaveh Tompon'gny maro, gny Maherin'Israely ho: " Loza ho andreo! Hanao valifaty ho an'ireo pifagnindra aminahy Zaho, sady hamalifaty reo fahavaloko Zaho; 25 hapihery gny tagnako amindrareo Zaho, hagnadio gny tain-drendrikindrareo sahala gny amin'gny karbonetra Zaho, sady hangala gny tain-drendrikindrareo aby amindrareo. 26 Hapihery amin'gny laoniny reo pisarandrareo sahala gny tamin'gny volohany Zaho, vo reo panolon-saindrareo sahala gny tamin'gny vo nanomboky; afaran'izay handrareo dra ho tokavy ho tanan'gny fahamarigna, tana mahatoky. 27 Ho voavonzy amin'gny rariny i Ziona, vo reo pibebany amin'gny fahamarigna. 28 Hindray ho torotoro gny pikomy vo gny panota, vo reo ze nahafo an'iYaveh dra ho vita gny aminazy. 29 " Fa ho afa-baraka handrareo amin'ireo hazo terebinta masy zay nirindrareo fatrasy, sady ho megnasy handrareo amin'ireo saha zay fa nofilindrareo. 30 Fa hanahaky gny hazo terebinta raiky zay mihisan-draviny handrareo, vo sahala gny saha zay sy misy rano. 31 Gny lelahy mahery dra manhaky gny vohavoha, vo gny sany sahala gny pitik'afo; hindray ma ereo ro reo, vo sy misy hamono gny afon'ereo.