Toko voalohany

1 Zeho gny zakan'i Yaveh ze avy tamin'i Hosea zanadahin'i Bery tamin'gny andron'i Ozia, Jotama, Ahza vo Hezekia, pazakan'gny Joda, vo tamin'gny andron'i jeroboama zanadahin'i Joasy, pazakan'Israely. 2 Vo Yaveh no nizaka tamin'gny alalan'i Hosea volohany, dra ho Izy taminazy ho: " Mandehana, mangala valy ze pizangazanga ho aniha. Hanan-zanaky zay voakasy gny fizangazanga izy. Fa manao fizangazanga lahibe amin'gny fahafoiza an'i Yaveh gny tany. 3 Koa dra lasa i Hosea dra nanambaly an'i Gomera zanak'apelan'i Diblaima, dra niteo-zaza izy dra niteraky zazalelahy taminazy. 4 Ho Yaveh tamin'i Hosea ho: "Ahivo ho Jezirela gny agnarany. Fa ao agnatin'gny fotoa fohiky dra hagnasazy gny hasaveregnan'i Jeho Zaho nohon'gny fandasahan-dio tagny jezirela, sady hanapisy gny fanzakan'gny hasaveregnan'Israely Zaho. 5 Amin'izeho andro zeho dra tapahiko ao amin'gny Lohasahan'i Jezirela gny sipikin'Israely." 6 Nitoe-zaza ndraiky i Gomera dra niteraky zazapela. Dra ho Yaveh tamin'i Hosea ho: "Ahivo ho Lo-rahama gny agnarany, fa sy hana indra-fo amin'gny hasaveregnan'Israely sasy Zaho, dra sy engako mihisy gny helok'ereo. 7 Fe koa hana famindram-po amin'gny hasaveregnan'i Joda Zaho, dra hagnavosy andreo gny vatako, YAveh Zagnaharin'ereo. Sy hamonzy andreo amin'gny sipiky, mesa, aly, sovaly, na pitikisy sovaly Zaho." 8 Vo nofa boaky napisara-nono an'i Lo-rohama i Gomera, dra nitoe-zaza 9 dra niteraky zazalelahy hafa ndraiky izy. Dra ho Yaveh ho: "Ahivo ho Lo-amy gny agnarany, fa handrareo dra sy ho vahoakiko, vo Zaho sy Zagnaharindrareo. 10 Fa gny isan'gny hasaveregnan'Israely koa dra manahaky gny fasiky egny amoron-dranomasy, ze sy hay afatry na isay. Vo amin'gny toera ze nizaka tamin'ereo ho: 'Sy oloko handrareo,' gny izaka amin'ereo ho: 'Olom'gny Zagnahary velo handrareo.' 11 Hivory gny ponin'i Joda vo gny ponin'Israely. HAnendry pitariky raiky ho andreo ereo, dra hiakasy lat'amin'gny tany ereo, fa ho lahibe gny andron'i Jezirela.