Toko faha 2

1 Zakao amin'ireo rahalahiniha ho: 'Ry vahoakiko! vo amin'ireo anabaviniha ho: 'Fa nanehoa fangoraha handrareo.'" 2 Manaova fitoria hanohisy gny reniniha, Manao fitoria, akory sy valiko izy, vo Zaho sy valiny. Aoky izy hangalaky gny fivarotam-batany sy ho eo agnoloany, vo reo fihesiky fizangazangany sy ho eo agnelagnelan'gny nonony. 3 No sy zay, haboridako izy dra hasehoko gny fitanzahany manahajy gny andro nahaterahany. Hahiko manahaky gny efisy izy, manahaky gny tany karakay, sady hahiko matin'gny hetaheta izy. 4 Sy hana indra-fo amin'ireo zanany Zaho, akory zanaky gny favarotan-tegna ereo. 5 Akory gny renin'ereo dra fa pivaoro-bata, dra izy ze nanday vohoky andreo dra fa nanao fihesiky mahamegnasy. Ho izy ho: "Hagnaraky reo olon-tiako zaho. akory ereo nagnome mofo vo rano ho anahy, gny volon'agnondry vo gny rongoniko, gny dililoko vo rano. 6 Noho zeho dra hananga fefy misy silo hanaka gny lalany Zaho. Hananga fefy hanohisy anazy Zaho dra sy hahita gny lalany izy. 7 Hagnitriky reo olon-tiany izy, fe sy hahatrasy andreo.Hitalia andreo izy, fe sy hahita andreo. Dra hizka izy bokeo ho: "Hihery amin'gny valiko volohany zaho, akory zeho gny mety aminahy kokoa noho zao." 8 Akory sy fatany fa Zaho gny nagome anazy vary, divay vaovao vo dililo, sady nanafotafo volafosy vo volamena anazy, ze napesan'ereo ho an'i Bala bokeo. 9 Dra halaiko ndraiky gny variny amin'gny fotoam-pizinza, vo gny divaiko vaovao amin'gny fotoany.Halaiko ndraiky gny volon'agnondriko vo gny rongoniko ze napesany so hagnovonia gny fitanzahany. 10 Dra hengako hitanzaky eo amason'ireo olom-tiany izy, dra sy hisy ndre ia ndre ia hahavonzy anazy eo an-tagnako. 11 Hapizano gny fakalazany aby avo koa Zaho--- reo fanasany, reo fakalazany gny volagny vaovao, reo Sabatany, vo reo andro firavoravoany voatondro aby. 12 " Hamotiky reo volobokiny vo reo hazon'aviaviny Zaho, ze fa nizakany ho: 'Tahoky gny tamby ze nomen'ireo olon-tiako aby.' Hahiko ho ala reo, vo reo bibin'gny saha hihina anizeho. 13 Hagnasazy anazy nohon'gny andro firavoravoan'ireo Bala Zaho, nofa nagnoro ditin-kazo magnisy ho andreo izy, nofa nanaingo gny vatany tamin'gny perasiny vo gny firavakiny izy, dra nagnaraky reo olon-tiany izy dra nagnadino Anahy--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh." 14 Dra fa mby amin'gny fapiheregna anazy Zaho. Handay anazy ho agny an-tany efisy Zaho dra hizaka amim-pitiava aminazy. 15 Hapihery reo tanim-boalobikiny Zaho, vo gny Lohasahan'gny Akora ho vavahadin'gny fagnatena. Hamaly Anahy ao izy manahaky gny nahiny tamin'ireo androm-pahatanorany. manahaky gny tamin'ireo andro ze niboahany gny tany Egypta. 16 " Dra ho amin'izeho andro zeho--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- dra hitoka Anahy hanao ho: 'Valiko,' dra sy hitoka Anahy sasy hanao ho: 'Balako'. 17 Fa ho alako eo am-bavany reo agnaran'ireo BAha; sy ho saroany sasy gny agnaran'ereo." 18 " Amin'izeho andro zeho dra hano faneke amin'ereo mindray amin'ireo biby agny an-saha, miaraky amin'ireo voro egny amin'gny habakabaky, vo mindray amin'ireo raha mandaly amin'gny tany aby Zaho. Ho alako sy hoamin'gny tany sasy gny sipiky, gny mesa, vo gny aly, dra hahiko mandry fahizay hanao. 19 Hapagnategna gny ho valiniha mandrakizay Zaho. Hapagnategna gny ho valiniha amin'gny fahamarigna, gny rariny, gny sy fivadiham-paneke, vo famindram-po Zaho. 20 Mifata amin'gny vatako amim-pahatokia ho aniha Zaho, dra ho fataniha i Yaveh. 21 Amin'izeho andro zeho, dra hamaly Zaho--- zeho gny fagnamvarn'i Yaveh--- hamaly gny lagnisy Zaho, vo ireo hamaly gny tany. 22 Gny tany hamaly gny vary, gny voloboky vaovao vo gny dililo, vo ereo hamaly an'i Jezirela. 23 HAmboleko ho Anahy eo amin'gny tany izy dra hana famondram-po ao amin'gny Lo-rohama Zaho. Hizaka amin'i Lo-amy Zaho ho: 'Hanao gny oloko,' vo ereo hanao Aminahy ho: 'Hanao gny Zagnahariko."'