Toko 1

1 Tamin'gny tao faha telopolo, gny vola fahaefasy, vo andro fahadimin'gny vola, dra izahoky gny niseho gny bo nizano teo amin'ereo babo teo marinin'gny Lakan-drano Kebara zaho. Nisokasy gny lagnisy, dra nahita fahita boak'amin'Agnahary zaho. 2 Tamin'gny andro fahadimin'gny vola zay---tamin'gny tao fahadimy nanaova sesi-tany an'i Joiakima pazaka--- 3 dra avy tamin'i Ezakiela zanadahin'i bozy pisoro gny zakan'i Yaveh, tao amin'gny tanin'ereo Kaldeana marin'gny Lakan-drano Kebara teo, vo gny zakan'i yaveh dra taminazy teo. 4 Dra nagnety zaho, vo nisy tafio-drivosy boak'agny avarasy; nisy raho lahibe misy afo miselselasy vo hazava magnodidy anizay vo agnatin'izay tao, vo gny afo dra miloko volontany manopy mavo tao agnatin'gny raho. 5 Teo agnivony dra nisy tarehy raha-managn'ay efasy. Zao gny tarehiny: nitarehy olo reo, 6 fe dra samby nana tarehy efasy aby ereo, vo reo raha-manag'ay kiraidraiky dra samby nana elasy efasy aby. 7 Nahisy gny tombon'ereo, fa gny faladiany dra manahaky gny kitron-zanak'agnomby zay namirasy manahaky gny saba mangira. 8 Fe nana tagnan'olombelo tao ambany elasiny ereo tamin'gny lafiny efasy aby. Tamin'izy efasy, dra manahaky aniziho gny tarehiny vo elasiny: 9 gny elas'ereo dra nifapikasiky tamin'gny elasy gny raha-managn'ay teo agnilany, sady sy niheriky ereo no fa nandeha; fa kosa samby mandeha mahisy. 10 Gny andriky gny tarehin'ereo dra manahaky gny endrik'olombelo. Gny ilany akavanan'gny tarehin'gny efasy tamin'ereo dra niendriky liona, vo gny ilany akavian'gny tarehin'gny efasy tamin'ereo dra niendriky agnomby. Ereo efasy avo koa dra nana endriky voromahery. 11 Manahaky anizay gny endrik'ereo, vo gny elasiny dra nivelasy ambony dra samby nana elasy ro aby reo raha-managn'ay reo zay nifapikasiky tamin'gny elasy gny raha-managn'ay hafa, vo elasy ro avo koa zay nandrakosy gny vatan'ereo. 12 Samby nizosy nagn'aloha ereo, koa ndre teza ndre teza nindesan'gny Fagnahy an'ereo dra nandehanany, nandeha sy niheriky ereo. 13 No gny endrik'riho raha-managn'ay, dra manahaky gny bakafo magnoro gny fahita anazy, manahaky gny endriky gny fanilo; nisy afo mamirapirasy avo koa nisamiasamia isaky gny raha-managn'ay, vo nisy elasy. 14 Reo raha-managn'ay dra nikisaky mandroso mihemosy malaky ddra malaky, vo nana endriky manahaky gny selasy ereo! 15 Vo nagnety tagny amin'riho raha-managn'ay zaho; nisy kodia raiky teo amin'gny tany teo agnilan'riho raha-managn'ay. 16 Zao gny fahita vo firafis'ireo kodia: samby manahaky gny krysolita reo kodia, vo samby nana endriky sahala ereo efasy; gny endrik'ereo vo gny firafisiny dra manahaky gny kodia mifapilisy. 17 Gny fa nige reo kodia, dra nandeha sy nivily tamin'gny lala-kizorany ze natrehan'reo raha-managn'ay ereo. 18 Gny amin'gny sisiny, dra abo sady mapatahosy ereo, akory feno maso magnodidy. 19 Isaky gny mikisaky reo raha-managn'ay dra mige agnilany reo kodia. Gny fa nienga tamin'gny tany reo raha-managn'ay dra nienga avo koa reo kodia. 20 Ndre eza ndre eza tian'gny Fagnahy handehana, dra nandehan'ereo, vo nienga ami'ereo teo gny kodia, akory gny fagnahin'ireo raha-managn'ay dra tao amin'gny kodia. 21 Gny fa nikisaky reo raha-managn'ay dra nikisaky avo koa reo kodia; vo gny fa mbo nizoro reo raha-managn'ay, dra nizoro reo kodia; gny fa nienga tamin'gny tany reo raha-managn'ay, dra nienga teo agn'ilan'ireo avo koa reo kodia, akory gny fagnahin'ireo raha-managn'ay gny tao amy reo kodia. 22 Teo ambon'gny lohan'ireo raha-managn'ay dra nisy endriky eloelo malalaky; miendriky manahaky gny volon'gny krystaly mahatalonzona mivelasy eo ambon'gny lohan'ireo zay. 23 Teo amban'gny eloelo dra samby nivelasy mahisy gny elas'ireo raha-managn'ay kirairaiky sady nifapikasiky tamin'gny elasy gny raha-managn'ay hafa. Reo raha-managn'ay dra samby nana elasy ro nandrakosy gny tegnany; samby nana ro bo handrakosy gny vatany. 24 Boakeo dra nahare gny fikopakopaky gny elas'ereo zaho. Manahaky gny feon'gny Tsitoha isak'ze nihesiky ereo. Manahaky gny feon'gny kotrok'ora. Manahaky gny feon-tafiky. Isaky gny nizoro ereo, dra napitily gny elasiny. 25 Nisy feo niboaky boaky tao amin'gny eloelo teo ambon'gny lohan'ereo gny mbo nisanga vo napitily gny elasiny ereo. 26 Teo ambon'gny eloelo teo ambon'gny lohan'ereodra nisy endriky seza fiandriana zay sahala gny vato safira gny fahita anazy, vo teo amin'gny niendriky seza fiandriana dra nisy manahaky gny lelahy gny fahita anazy. 27 Nahita sary miendriky metaly mamirapirasy misy afo tao agnatiny nanomboky teo amin'gny valahany gny ho miakasy zaho; nahita endriky afo vo hazava teo amin'gny valahany gny ho mizoso zaho. 28 Manahaky gny endriky avana ao agnaty raho amin'gny andro avy ora gny fahita gny ziro mazava magnodidy anizay. Endriky gny voninahis'i Yaveh zay. Gny fa nahita anizay zaho, dra nikarapoky niakohoky, vo nahare feo nizaka.