Toko faha 6

1 Loza ho an'ireo ze mahazo ay ao Ziona, vo ho an'ireo ze milamy ao amin'gny tany habon'i Samaria, reo olo-malaza boak'amin'ireo firene soa vatany, za hahavian'gny taranan'Israely so ho vonze! 2 Ho reo pitariky andrareo: " mandehana agny Kalne ka magnitia; boakao dra mandehana agny Hamata, gny tana lahibe; boakeo dra mizosoa agny Gatan'ireo Filistina. sa ra soa noho reo fanzakaniha ro reo? Sa ra lahibe noho gny faritaniniha gny faritanin'ereo?" 3 Loza ho an'ireo ze mapihemosy gny andron'gny loza sady mapagnariny gny seza fiandrianan'gny herisitry. 4 Mandry eo am-pandria ivory ereo dra misososy eo am-parafaran'ero. Mihina zanak'agnondry boak'amin'ireo agnondry aman'osy ereo vo zanak'agnondry boak'amin'gny fihinanam-bilo. 5 Nihira reo hira molamola tamin'gny feon'gny harapa ereo; namoroporo raha magneno manahaky gny nahin'i Davida. 6 Nino divay tamin'gny lasety zobo ereo sady nihososy dililo soa loasy, fe sy nalahelo gny amin'gny faharavan'i Josefa. 7 Dra handeha an-sesitany mindray amin'ireo sesitany volohany ereo amizao, vo gny firavoravoan'ireo ze misososy dra ho foa. 8 " Zaho, Tompo Yaveh, dra fa nifata tamin'gny vatako---zay gny fagnamabaran'gny Tompo Yaveh, Zagnahary Tompon'gny maro, halako gny fieboeboan'i Jakoba; halako gny ferova fatrasiny. Dra hanolosy gny tana mabmin'ize iaby ao aminazy Zaho." 9 Dra no misy folo lahy tavela ao am-pasange raiky, dra ho faty aby ereo. 10 No misy havan-dralelahy avy so hangalaky gny fatin'ero---gny raiky ze hagnoro gny fatin'ero afaran'gny handesany reo faty miboaky gny fasange---no mizaka amin'gny olo ao am-pasange izy ho: "Misy olo mindray aminiha ra ao?" No mamaly anizay olo zay ho: " Aha". Dra hizaka izy ho: " Misigna, fa aoky sika sy hanogno gny agnaran'i Yaveh." 11 Fa, ingo, hagnome beko Yaveh, dra ho torotoro gny fasange lahibe sady ho potipotiky gny fasange keliky. 12 Sa ra gny sovaly milomay amin'gny harambato? Sa ra misy olo mapihosy agnomby ao? Fe namaliky gny poizy handrareo vo gny vokasy gny fahamarigna ho fagnilia. 13 Handrareo ze mifaly amin'i Lodebara, ze manao ho: " Sa ra sy fa nangalaky an'i Karnaima tamin'gny herinay avo zahay?" 14 "Fe ingo, hananga firene hanohisy andrareo Zaho, ry taranak'Israely---zay gny fagnamabaran'gny Tompo Yaveh, Zagnahary Tompon'gny maro. Hapahory andrareo manomboky ao Lebo-hamata hatragny amin'gny lohasahan-driakin'i Araba ereo."