Toko faha 7

1 Zeho gny nasehon'i Yaveh taminahy. INgo, namoro valla be izy nofa nanomboky niakasy gny vokasy gny lohatao, dra ingo, taraiky gny vokasy tao afaran'gny vokasy gny pazaka. 2 Nofa baoky nihina gny vokasy gny tany ereo, dra ho zaho: "Ry Tompo Yaveh, mbo mamindra fo aminahy, akory gny haveloman'i Jakoba? Akory dra vatany keliky izy" 3 ka nagnazano gny mahakasiky anizay Yaveh." sy hiseho zay", ho Izy. 4 Zao gny nasehon'i Tompo Yaveh anahy: Ingo, menso amin'gny fisaran'gny afo gny Tompo Yaveh. Zay gny nagnamaiky gny tany malalaky, gny rano laliky ambanin'gny tany dra handevo gny tany avo koa. 5 Fe ho zaho ho: "Tompo Yaveh o, azanogny ra; akory gny haveloman'i Jakoba? Fa vatany visiky izy." 6 Dra nagnazano gny mahakasiky anizay Yaveh ho: Sy hitranga avo koa zay," ho gny Tompo Yaveh. 7 Zao gny nasehony anahy: Ingo, nisanga teo agnilan'gny rindry gny Tompo, nindray tamin'gny vato pilao tegny an-tagnany. 8 Yaveh nanao taminahy ho: " Nao ra Amosa, Ino gny itaniha? Dra ho zaho: " Vato pilao milahasy." Dra ho Gny Tompo ho: "Ingo, hametraky pilao eo amin'gny Israely vahoakiko Zaho. Sy hamindra fo amin'ereo sasy Zaho. 9 Horava reo fitoboha abon'i Isaka, hopotehy reo fitoboha masin'gny Israely, dra hisanga hanohisy amin'gny mesa gny taranak'i Jeroboama Zaho." 10 Dra Amazia, gny pisoron'i Betela, nandefa hafasy tagny amin'gny Jeroboama, pazakan'Israely ho: " Fa nitetiky hanohisy aniha eo agnivon'gny taranak'ISraely i Amosa. Sy tatin'gny tany reo zakany aby. 11 Fa zao gny zakan'i Amosa: 'Ho faty amin'gny mesa i Jeroboama, dra ho sesi-tany hiala amin'gny taniny Israely.'" 12 Amazia nizaka tamin'i Amosa ho: " Ry Mpahita, miheregna agny amin'gny tanin'i Joda, dra mihinana mofo sady maminania agny. 13 Fa ka manao faminania eto Betela sasy, akory fitoboha masin'gny pazaka vo fasangen'gny pazaka itiky." 14 Dra ho Amosa tamin'i Amzia ho: " Sy paminany zaho na zanaky gny paminany. Piaraky agnondry vo pikarakara hazo amonta vo aviavy zaho. 15 Fa nangalaky anahy lat'agny apiarakandrovan'agnondry i Yaveh dra nizaka taminahy ho: " Mandehana, dra maminania amin'gny Israely vahoakiko." 16 Amizao mitenoa gny zakan'Yaveh. Ho hanao ho: "Ka maminany hanohisy an'Israely, sady ka mizaka manohisy gny taranak'Isaka." 17 Noho zay dra zao gny zakan'Yaveh: " Ho lasa pivaro-bata ao an-tana gny valiniha; reo zanadahiniha vo reo zanakapelaniha dra ho lavo amin'gny alalan'gny mesa; horefesy gny taniniha sady hosery; ho faty ao amin'gny tany maloto hanao, dsady halefa sesi-tany hiala ao amin'gny taniny vatany gny Israely.""