Toko voalohany

1 Tahoky raha mahakasiky an'Israely tahiky gny nirambesin'i Amosa, raiky tamin'ireo piaraky agnondry tao Tekoa, tao amin'gny fagnambara. Nandramby reo raha reo izy tamin'gny andron'i Ozia pazakan'gny Joda, sady koa tamin'gny andron'i Jeroboama zanadahin'i Joasy pazakan'Israely. 2 Ho izy ho: "Hierosy lat'agny Ziona iYaveh; hapiakasy gny feony lat'agny Jerosalema Izy. Ho maiky gny ahis'ereo piaraky agnondry; halazo gnytapon'i karmela." 3 Zao gny zakan'Yaveh ho: " Noho reo fahota telo nahin'i Damaskosy, eka, na efasy aza, dra sy hagnalaky gny sazy Zaho, akory fitova vy gny nizeran'ereo an'i Gileada. 4 Handefasako afo gny taranan'i Hazaela, dra handevo reo ferova fatras'i Beni-Hadada Zaho. 5 Ho tapahiko gny vy eo amin'gny vavahadin'i Damaskosy dra handringa gny lelahy ze nitoboky ao Bikata Avena Zaho, sady koa gny lelahy ze nita gny tehim-panzaka ao Bet-Edena. Gny vahoakin'i Syria dra handeha ho amin'gny fahababoa agny Kira," ho Yaveh. 6 Zao gny zakan'i Yaveh ho: " Noho reo fahota telo nahin'i Gaza, eka, na efasy aza, dra sy hangala gny sazy Zaho, akory nahin'ereo ho babo gny vahoaky manotolo. so hanolora andreo an'i Edoma. 7 Handefa afo amin'ireo rindrin'i Gaza Zaho, dra handevo reo ferova fatrasy zay. 8 Ho aripako gny lelahy ze nitoboky ao Asdoda vo gny lelahy ze nita gny tehim-pazala lat'agny Askelona. Hanphisy an'i Ekrona gny tagnako, vo ho faty reo Filistina tavela," ho gny Tompo Yaveh. 9 Zao gny zakany Yaveh ho: "Noho reo fahota telo nahin'i Tyro, eka, na efasy aza, dra sy hangalaky gny sazy Zaho, akory nanolosy gny vahoaky manotolo an'i Edoma ereo, dra nandiko fifanekem-pirahalahiany ereo. 10 Handefa afo eo amin'ireo rindrin'i Tyro Zaho, dra handevo reo ferova fatrasiny zay." 11 Zaoo gny nizakan'i Yaveh ho: " Noho reo fahota telo nahin'i Edoma, eka, ndre efasy aza, dra sy hangala gny sazy Zaho, akory nagnitriky gny rahalahiny tamin'gny mesa izy dra nagnary gny famindram-po aby. Gny hahoriany dra nitohy mandrakariva, dra naharisy mandrakizay. 12 Handefa afo eo Temana Zaho, dra handevo gny lapan'i Bozra zay." 13 Zao gny nizakan'i Yaveh ho: " Noho reo fahota telo nahin'gny vahoakin'i Amona, eka, ndre efasy aza, dra sy hangala gny sazy Zaho, akory nanataky reo apela bevoky tao Gileada ereo, so hagnitaran'ereo gny faritaniny. 14 Handrehisy afo eo amin'ireo rindrin'i Raba Zaho, dra handevo reo lapa zay, mindray amin'gny kiaky amin'gny andron'gny aly, mindray amin'gny tafio-drivosy amin'gny andron'gny talio. 15 Handeha ho amin'gny fahababoa gny pazakan'ereo, izy mbamin'ireo manam-boninahiny," ho Yaveh.