Toko faha 2

1 Zao gny zakan'i Yaveh: " Noho reo fahota telon'i Moaba, eka ndre efasy aza, dra sy hangala gny fatrokafa Zaho, akory ereo dra nagnoro reo tolan'gny pazakan'i Edoma ho sokay. 2 Handefa afo eo amin'i Moaba Zaho, dra holevogniko gny ferova fatras'i Kiriota, ho faty ao agnatin'gny koraky vo hiaky vo feon'anzomara i Moaba. 3 Ho ravako gny pisara ao aminazy, sady ho vonoko mindray aminazy gny andria aby," ho i Yaveh. 4 Zao gny zakan'i Yaveh: "Noho reo fahota telon'i Joda, eka ndre efasy aza, dra sy hangala gny fatrokafa Zaho, akory ereo dra nagnary gny lalan'i yaveh vo sy nitandry reo liliny. Napandeha andreo tagny amin'gny lalan-diso gny vandin'ereo, dra nadeha nagnaraky anizay avo koa reo razany. 5 Handefa afo eo amin'i Joda Zaho, dra ho levogniko reo ferova fatras'i Jerosalema." 6 Zao gny zakan'i Yaveh: " Noho reo fahota telon'Israely, eka efasy aza, dra sy hangala gny fatrokafa Zaho. Akory navilin'ereo volafosy gny sy manan-signy vo gny mahantra ho kapa. 7 Nagnisaky gny lohan'gny mahantra manahaky gny fagnisahan'gny olo gny vovoky amin'gny tany ereo; nandroaky gny ory ereo. Gny lelahy vo gny rany dra samby mandry amin'gny apela raiky avo dra mandoto gny agnarako masy. 8 Mandry eo agnilan'gny alitara aby amin'gny akazo azo tamin'gny antoky ereo, vo ao am-pasangen'Agnaharin'ereo gny hinomany gny divay ze boak'amin'ereo voasazy. 9 Fe dra fa niravako teo agnoloan'ereo gny Amorita, gny halavan'izay dra manahaky gny halavan'gny sedera, natazaky manahaky reo Oka. Fa niravako gny vihiny ambony, vo gny vahany ambany. 10 Sady koa, nanday andrareo niboaky lat'agny amin'gny tany Egypta Zaho dra nitariky andrareo efapolo tao tagny an'efisy so ahazoa gny tanin'gny Amorita. 11 Nanandrasy paminany lat'amin'ireo zanadahindrareo vo Nazirita lat'amin'ireo zatovondrareo Zaho. Sa sy zay ra, ry vahoakin'Israely?---Zay gny fagnamabaran'i Yaveh. 12 Fe handrareo dra nandresy lahasy reo Nazarita hino divay sady nandily reo paminany sy haminany. 13 Ingo, hagnisaky andrareo manahaky gny fagnisahan'gny sarety feno vary gny olo Zaho. 14 Sy hahita hilefa gny olo kinga; sy hapitombo gny heriny gny matazaky; ndre gny mahery hahavonzy gny vatany. 15 Sy ahazoro gny pandefa sipiky; sy ho afaky milefa gny pilomay malaky fandehana; sy hahavonzy gny vatany gny pitikisy sovaly. 16 Ndre dra gny pialy be heri-po aza dra hilefa miboridagny amin'izeho andro zeho---Zay gny fagnambaran'i Yaveh."