Toko 1

1 Solomona zanadahin'i Davida, dra nitombo hery tamigny fazakany, dra Yaveh zagnahariny dra nomba anazy dra nahavy anazy ho tena mahery. 2 Solomona nizaka tamin'Israely aby tami'reo pifehy gny arivo lahy vo gny zato lahy, vo tami'reo pisara, dra tamigny andrian-dahiny aby tao Israely aby, reo pitariky gny tragno-drazambe. 3 Dra nandeha tegny amigny fitoerana avo zay tagny Gibeona i Solomona vo gny piango aby nindray taminazy, satria tagny gny nisy gny tragnolay fihogna amin'Zagnahary, zay namboaran'i Mosesy panopon'i Yaveh, tagny agnefisy. 4 Fa nandesin'i Davida avy tagny Kiriata Jearima ho agny amigny toera zay nomaniny ho ami'zay gny fiaran'i Zagnahary, satria fa nagnory lay ho an'izay tao Jerosalema izy. 5 Faagnapin'izay, gny alitara varahy nataon'i Bezalila zanaky lahin'i Ori zanaky lahin'i Hora dra fa tagny nanoloa gny tabernakelin'i Yaveh; nandeha tagny i Solomona vo gny fiangona. 6 Niakasy tagny amigny alitara varahina alohan'i Yaveh i Solomona, zay tao amigny tragnolay fihogna, dra nanolosy fagnatisy oroa arivo teo ami'zay. 7 Zagnahary niseho tamin'i Solomona tamin'io hariva io dra nizaka taminazy ho: ''Angataho! ino gny tokony omeko anao? 8 Hoy Solomona tamin'i Zagnahary ho: ''Hanao dra fa napiseho famin-drapo lahibe tamin'i Davida babako, dra nanao anahy ho pazaka teo amigny pilasiny. 9 Akehitriny, ry Yaveh Zagnahary, aoka ba ho taterahy gny fapanatenana nataonao tamin'i Davida babako, satria nataonao pazakan'ny olo maro agnisaky manahaky gny botany gny tany zaho. 10 Dra omeo fandresena vo fahalala zaho, ba hahafahako mitariky itky vahoaky tiky, satria iza gny afaky hisara gny vahoakinao, zay tena maro agnisaky?'' 11 Hoy Zagnahary tamin'i Saolomona ho: ''satria tao aponao zay, dra sy nangataky vola ama-karena hanao, na voninahisy, na gny ain'ireo zay malaiky anao, na ba ho ela velo hanao, fa fandresena vo fahalala ho an'ny tegnanao gny nangatahanao, ba hahafahanao mazaka amigny vahoako, eo ami'reo zay nanovako anao ho pazaka, dra izao gny ho ataoko. 12 Hameko fahendrena vo fahalala hanao amizao. Hameko vola am-karena, vo voninahisy avo koa hanao, ze sy nanagnan'ireo pazaka teo alohanao, dra sy hisy aorianao hana." 13 Ko avy tao Jerosalema boak'agny amigny fitoera abo ze tao Gibeona I Solomona, boak'eo anoloanigny tragnolay fihogna; nazaka nanera an'Israely izy. 14 Napivory reo kalesy vo pitikisy sovala i Solomona, dra nana kalesy 1. 400 vo pitikisy sovala ro arivo vo ray aly izy ze napetrany tao amigny tana fitoeran'ireo kalesy, dra niaraky taminazy, gny pazaka tao Jerosalema. 15 Nataonigny pazaka nitobaky tao Jerosalema manahaky gny vatokely gny volafosy vo volamena, dra nataony nitobaky manahaky gny aviavy ze egny amireo tany iva gny hazo sedera. 16 Manahaky gny fagnafara reo sovala aby agny Egypta vo Kiho ho an'i Solomona, dra nivilin'ireo pandratony avy agny Kiho tamigny viliny toka reo. 17 Nagnafasy kalesy aby tagny Egypta tamigny sekely volafosy eni-zato ereo, dra sovala tamigny sarany sekely 150. Ereo avo koa dra nagnondra reo tany amireo pazakan'i Hetita vo reo Syriana.