Toko faha 3

1 Ampionogny indreo hagneky olo mpanapaky sy gne mana-pahefa, hakato anazy indreo , sady ho vono ame asa tsara rehetra. 2 Ampatsahio indreo tsy habarabara na ia na ia, hiala ame ady hevitry, hamela gne sasany hagnaraky gne lalany, sady hagnaboky fanetre-tegna ame olo aby. 3 Fa taloha gne aitsika da tsy nana-tsay sady tsy nakato. Votariky tame lala tsy izy atsika sady nandevozin'e sitrapo sy gne fahafinareta samihafa. Niay tame faharatsia sy gne fialona atsika. Nohakalay iay sady nifakalay atsika. 4 Fa raha niboky gne fatsara-pagnan'Andriamanitry mpamonjy atsika sy gne fitiavany gne olombelo, 5 da tsy tame asa ne fahamarina nanitsika izany, fa tame famindrapony gne nagnavotany atsika. Izy da nagnavotry atsika avy tame fahadiova sy fahateraha vaovao sy gne fagnavoaza tame Fagna Masy. 6 Andriamanitry da nandrosaky gne Fagna Masy marobe tam'gn'alalan'i Jesosy Kristy Mpagnavotry atsika. 7 Naniny iza mba ho voamary tame fahasoava, da lasa mpandova atsika am'gn'alalan'e fahatokisa gne fiaina mandrakizay. 8 Izany hafatry izany da azo hitokisa. Tiako hizaka momba iza raha izany am-patokisa anareo, mba izay matoky an'Andriamanitry da hikinia hagnano gne asa tsara izay efa napetrany taloha ndreo. Iza raha izany da tsara sady mahasoa hoan'e olo aby. 9 Fa ialay gne ady hevitry molamola izy ame tantara-pirazagna ary gne fifandira sy gne ady mikasiky gne lalàgna. Iza raha izany da zava-poa sady tsy mahasoa. 10 Mandà izay olo miteraky fizarazara eo aminareo afaran'e fampitandrema indaiky na indroy, 11 sady fantaro fa gn'olo akô izany da niala tame lala mariny sady manota sy magnameloky gn'ainy. 12 Raha nagniraky an'iArtema na i Tykiko agny aminareo iaho, da mavisa sady mandehana aty amina aty Nikopolia, izay nanapako hevitry andania gne ririny. 13 Mavisa sady alefas Zena, izay mpahay lalàgna, sy Apolosy, mba tsy hana raha manahira indreo. 14 Gne olo tsika da tsy maitsy mianatry magnano asa tsara am'izay indreo tsy hamokatry. 15 Izay miaraky amina da magnano veloma anareo. Mamboara veloma an'izay makatia atsika ame finoa. Ho aminareo anie fahasoava.