Toko faha 2

1 Fa anao, mizaka izay mifagnaraky ame gne fampianara marina. 2 Gne lehilaha efa nahazo tao da tsy maintsy mahay mitondra tegna, matotry, mahonon-tegna, matanjaky ame gne finoa, ame gne fitiava sady ame gne fahareta. 3 Mitovy am'izany avakoa gne viavy efa nahazo tao da tokony hagnambara tokotry gne tenan'izy gne ho tsara fitondram-tena, fa tsy mpidiniro. Tsy tokony ho andevozin'gne divay be indreo. Tokony hampianatry izay tsara indreo 4 mba hampiofa gne viavy tanora ho tena tia gne vady aman-janany manoka. 5 Tokony hampianatry andreo hahonon-tena, hadio, hikarakara tokatrano tsara, sady hankatoa gne vadiny indreo. Tokony hagnano izany raha rehetra izany indreo mba tsy ho voaheso gne zakan'Andriamanitry. 6 Mitovy am'izany, ampaherezo gne lehilaha mbola tanora mba hahonon-tegna. 7 Ame gne fomba rehetra da hambohay gne tegnanao ho modelin'gne asa tsara; sady rehefa mampianatry anao, da magnaboa fahitsia sady fahendre. 8 Mizaka hafatry salama sady tsy misy tsigny, mba ho megnatry izay manohitry na iza na iza, satria tsy mana na ino na ino ratsy ho zakay momba antsika izy. 9 e mpanompo da tokony hankatoa gne tompony ame gne raha rehetra. Hagnano izay sitrapony fa tsy hifamaly aminazy. 10 Tsy tokony hangalangalatry indreo. Fa tokony haneho gne finoa tsara rehetra indreo, mba hampamendriky gne fampianarantsika momba an'Andriamanitry mpamonjy antsika ame gne lafiny rehetra. 11 Fa efa niboky tame gn'olo rehetra gne fahasoavan'Andriamanitry. 12 Mampianatry antsika handà gne toetry tsy araky an'Andriamanitry sy gne filan'izao tontolo izao izany. Mampianatry antsika hiay am-pandefera, am-pahamarina, sady araky gne lalan'Andriamanitry am'izao vanim-potoa izao izany, 13 eo am-pandignasantsika tokotry izay handraisantsika gne fagnatena mahafinaritry, gne fihoboany gne voninahitry gn'Andriamanintsika zakabe sady gne Mpamonjy antsika, da i Jesosy Kristy. 14 Jesosy da nanolotry gne tegnany ho antsika mba hagnavotry antsika hiala ame gne tsy fagnarahan-dalà rehetra sady hagnadiova ho an'gne tegnany olo raiky manoka izay tena mazoto hagnano asa tsara. 15 Ambaray sady ento ampahereza io raha io. Magnomeza fagnitsia ame gne fahefa rehetra. Ka avela hisy olo hagnano tsinontsino anao.