Toko faha 2

1 Raha nipody tagny kapernaomy i jesosy andro vitsivitsy, teo da ré fa tandragno tao Izy. 2 Maro be gn'olo nivorivory tao ka tsy omby gne toera sady feno hatramin'gne varangara,ka sady nitory teny tamindreo i Jesosy. 3 Da nisy lehilaha maromaro nagnato anazy ka ninday lehilaha malemy raiky, nolanjain'olo efa-daha. 4 Raha tsy afaky nagnato enazy indreo nohon'i gn'habetsaha gnolo, da nalaindreo e tafitragno tambonin'i jesosy,ka voasokatra indreo,da nampidignindreo e fandriany e lelaha malemy. 5 Raha nahita gne finoandreo i jesosy da nizaka tam'gne lehilaha malemy nagnano hoe:''Anaky,voavela gn' elokao. 6 Ary nisy mpanora-dala e sasany tamindreo nipetraky teo, ka nimenimeny tagnaty indreo nagnano hoe: 7 ''Akognaia ahafahan'io lelaha io miroho ako iza sa? Magnopa Izy! Fa tsy gne zagnahary raiky evao me afaky mamela heloky?.'' 8 Fa i Jesosy tonga da nafantatry gne raha tandohandreo tagny. Ka hoy Izy tamindreo: ''Nahoa anareo to va mieritreritra raha akoiza agnatinareo agny? 9 Ignaia me gne moramora e mizaka amin'io lelaha io hoe: 'Vovela helokao' sa gne hoe: 'Batao e fandrianao, da mandeana? 10 Mba lalanareo fa mana fahefa hamela heloky an-tany ety e zanaky gne Zagnahary,' nizaka tame lelaha malemy izy hoe: 11 ''Lazaiko aminao mitsangana, batao e fandrianao, da mandeana andragnonao'. 12 Da nitsanga izy sady nibatainy e fandriany, takatrefane olo marobe,da kaperatry olo nahita enazy ka nagnome voninahitry e zagnahary,hoy indreo se: mbola tsy nahita ra ako ity iahay ro? 13 Avy teo da nandeha tamoron-dranomasy koa Izy,ary nagnato enazy aby avakoa gn'olo,da nampianariny indreo. 14 Ra nandalo Izy da nahita an'i Levy zanak'i Alfeo nipetraky tame fandagnona hetra ka hoy Izy taminazy se: ''Magnaraha ana'' da nitsanga izy ka nagnaraky Anazy. 15 Nihina tamindry Levy i Jesosy,izy ame mpamori-hetra sy gne olo mpanota maro miaraky ame mpianatriny,sady maro gne tagnaraky Anazy. 16 Hoy gne fariseo, izy ame mpanora-dalagna raha nahita an'i Jesosy niara-nihina tame mpanota, izy ame mpamory hetra se: ''Nagnino mampiara-koma anazy ame mpamory hetra, izy ame olo mpanota?'' 17 Raha nare an'iza i Jesosy da nizaka tamindreo hoe: ''Tsy gne salama gne mitady dokotera fa gne marary, sady tsy tonga hoany gn'olo mariny aza Iaho fa hoan'gne olo mpanota.'' 18 Nifady hany gne mpianatry Jaona sy gne Fariseo. Lelahy maromaro gne nagnato Anazy ka nizaka hoe: ''Nagnino gne mpianatry Jaona sy ny gne Fariseo no mifady hany, fa gne mpianatrao tsy mba mifady hany? 19 '' Da hoy i Jesosy tamindreo: ''Afaky mifady hany moa gne olo mpamonjy mariazy raha mbola eo gne mpagnakatry? Raha mbola eo e mpagnakatry da tsy mifady hany indreo. 20 Mbola hoavy gne andro hangala gne mpagnakatry eo amindreo,da amizay andro zay, da hifady hany indreo. 21 Tsisy olo manapy lamba lazony ame lamba vao, fa raha tsy iza da hiala aminazy gne tapa-damba,gne vao hiala ame lazony,ary ho lombilomby ratsy gne farotany. 22 Sady tsisy olo magnisy divay vaovao ame siô hoditry lazony, ary raha tsy iza da ho rotan' gne divay e hoditry ne siô lazony no sady raraky gne divay. Fa gne tsara da divay vaovao gne hahisy ame siô vao. 23 Tame andro sabata da nande tame horaky maromaro gne mpianatry i Jesosy, ary nitao vary indreo. 24 Da hoy e Fariseo se: ''Hiteo eky me, nagnino indreo tsy magnaraky gne lalàgna ne andro sabata?'' 25 Da hoy Izy tamindreo: '' Mbola tsy novakinareo me gne raha namboarin'i Davida tagnatin'gne fasahiragna sy gne mosary- indreo miaraky ame lelaha namany- 26 akognaia gne nidirany tandragnon'Andriamanitry tame andron'i Abiatara mpisorom-be, ka nihina mofo ne fagnatreha, izay tsy ara-dalà ndre ia gne hihina anazy hafa tsy gne mpisorona avao, ary mbola nagnomeza maromaro gne niaraky taminazy.'' 27 Jesosy nizaka hoe: ''Gne Sabata da natao ane zanakolombelo fa tsy e zanakolombelo e hoan'e Sabata. 28 Noho iza da e Zanak'olo e Tompo, ndre da ame Sabata.''