Toko faha 26

1 Ary raha vitan'i Jesosy izà zaka aby izà, da nizàka tame mpianatriny izy hoe: " 2 Fantatrareo fa raha afaky ray andro, da ho avy gne Paska, ka gne zanak'olo da hatolotry haisy amè hazo fijalia. 3 Ary tamin'izà gne nivorian'gne lohan'gne mpisorona sy gne loholona tao amè tragnobenin'gne mpisorona atao hoe: " Kaiafa." 4 Ary niara-nandiniky indreo gne hisambora an'i Jesosy amè fitaky ka hamonoa anazy. 5 Kanefa hoy indreo: " Tsy amè andro firavoravoa, mba tsy hisian'gne korota eo amè olo." 6 Ary Jesosy rehefa tao Betania tao an-dragnon'' Simona boka, 7 raha nidoboky nihina teo amè latabatry, da nisy viavy raiky nagna tavoara alabastara feno menaky lafo vidy nagnato Anazy, da nandraraky an'izà tamè lohany. 8 Fa rehefa hitandreo mpianany izà, da vignitry indreo ka nagnano hoe: " Ino gn'anton'izao fandania izao? 9 Afaky namidy lafo ary nome gne tsy manà io." 10 Fa Jesosy, nahafantatry izà, nizàka andreo hoe: " Naoa anareo gne manahiran-tsaina an-dravehivavy? Fa zavatry tsara gne naniny tamiko. 11 Eo aminareo mandrakariva gne mahantra, fa Iao da tsy ho eo aminareo mandrakariva. 12 Fa rehefa nandraraky izà menaky magnitry izà tamè vatako izy, da naniny ho an'gne fandevenà Anah izà. 13 Zakaiko marina aminareo, na aia na aia hitoria gne filazantsara eto amin'izao tontolo rehetra izao, izay nanin'ity vehivavy ity da ho zakay evakoa ho fahatsiarovà Anazy." 14 Avy teo gne raiky tamindreo roa ambin'ny folo, izay nangia hoe Jodasy Iskariota, negnagny amè lehiben'gne mpisorona 15 ary nagnano hoe: " Omenareo hôtrino iao hanolorako Anazy aminareo?" Nandanja volafotsy madiniky telopolo indreo ho anazy. 16 Tamin'izà fotoa izà da nitadia fahafaha izy mba hanolora Anazy amindreo. 17 Tamin'gne andro voalohany fihinana gne mofo tsisy masirasira da nandeha tamin'i Jesosy gne mpianatry ka nizàka hoe: " Aia gne tianao hamboarinay hihinana gne Paska?" 18 Ary hoy izy: " Mandehana agny amè tanà misy an-dralehilahy, da izakay izy hoe: "Hoy gne mpampianatry: " Efa marigny gne fotoa, ka aminao atoa iao sy gne mpianatro hagnano gne Paska.''''' 19 Ary gne mpianatry da nagnano araky gne nampagnamboarin'i Jesosy, ka nagnano gne Paska. 20 Ary raha ariva gn'andro, da nidoboky nihina Izy izy amè mpianatriny roy ambin'ny folo lahy. 21 Ary raha mbola nihina izy, da hoy i Jesosy : " Zakaiko aminareo marina dato fa gne raiky fa gne raiky aminareo hamadiky anà. 22 Da nalahelo loatry indreo agnaby, ka samby nagnotany Anazy hoe: " Tsy iao mihitsy, ry Tompo?" 23 Ary izay namaly ka nizàka hoe: " izay niaraky nagnatsoboky gne tagnany taminà tagnatigne lasety, izay gne hamadiky anah. 24 Ary gne zanak'olo da mandeha dato arak'izay nanorata anazy. Nefa lozan'gne olo izay hamadika gne Zanak'olo! Tsara kokoa ho an'izà Olo izà gne tsy teraky." 25 Jodasy, izay hamadika Anazy nizàka hoe: " Iao izà, Raby ô?" Hoy izy taminy hoe: " Voalazanao." 26 Ary raha mbola nihina izy, da nandray gne mofo Jesosy, ka raha avy nisaotry Izy, da novakiny ka natolotriny gne mpianatry, ary hoy Izy: " Raiso , hano, ity gne tegnako." 27 Ary nandray gne kapôky Izy, ka raha avy nisaotry, da natolotriny anazy ka naniny hoe: " indranominareo agnaby ity. 28 Fa itiky gne ràn'gne fanekem-pihavagna arotsaky ho an'gne maro ho famelan-keloky. 29 Fa zakaiko aminareo, fa tsy mba hindragno gne vokatry gne voaloboky esana Iao, mandra-pihavin'gne fisotroa vaovao hindraisako aminareo any amè fanjakan'gne Raiko." 30 Ary raha nihira fiderà izy, da lasa nandeha tagny amè tendrombohitry Oliva. 31 Ary tamin'izà da hoy i Jesosy taminazy: " Anareo agnaby da ho tafato nohon'gn'aminah androany hariva; fa voasoratry hoe: " Hamango gne mpiamby ondry iao, da hiparitaky gne ondry.' 32 Fa aorian'gne fitsanganako amè maty, da hialoha lalana anareo any Galilia." 33 Fa Petera nagnano taminy hoe: " Na da handao nohon'gne aminao aza gne rehetra, iao tsy mba handao mihitsy." 34 Hoy Jesosy taminy hoe: " Zakaiko marina aminao, fa androany ariva raha mbola tsy magneno akoho, da handà Anah in-telo anao." 35 Petera nizàka taminy hoe: " Na da tsy maintsy ho faty miaraky aminao aza iao, da tsy handà anao." Mitovy amin'izà agnaby koa gne nambaran'gne mpianatry. 36 Ary Jesosy nandeha niaraky tamindreo negnagny amè toeragny angia hoe Getsemane ary nagnambara tamin'ny mpianany hoe: " Mipetrà etoa aloha anareo, raha mbola mandè am'iregny hivavaky Iao." 37 Ninday an'i Petera mbamin'gne zanak'i Zebedio roa lahy Izy ary nanomboky nalahelo sy ory. 38 Avy teo hoy Izy tamindreo hoe: " Fadiranovana gne fagnahiko, toy gne efa ho faty. Midoboa etoa ary mihambena miaraky amiko." 39 Nishitaky kidy Izy, niondriky ary nivavaky. Hoy Izy hoe: " Ry Raiko, raha azo atao, da aoka esory aminà ity kapôky ity. Nefa, aoka tsy araky gne sitrapoko, fa gne sitraponao." 40 Nagnato e mpianatry Izy ary nahita andreo resin-tory, ka hoy Izy tamin'i Petera hoe: " Ino, tsy mahavita miambiny miaraky amiko da ora raiky avao aza anareo? 41 Miambena ary mivavaha mba tsy ho azon'gne fankam-pagnà anareo. Mety evao gne fagnà, fa gne nofotry gne malemy." 42 Mbola nandeha fanindroy Izy ary nivavaky. Hoy Izy hoe : " Ry Raiko, raha tsy azo esory ity fa tsy maintsy hosotroiko, da aoka gne sitraponao gne atao." 43 Ary raha vantany vao avy Izy, da nahita andreo natory indraiky, fa efa navesatry gne masondreo. 44 Ka niala andreo Izy, lasa ary nivavaky fanintelony, nagnambara ireo teny ireo avao. 45 Avy teo Jesosy nagnato ireo mpianatry ka nagnano tamindreo hoe: " Mbola matory sy mangala havàla me anareo? Iteo, efa marigny gne ora, ary gne Zanak'Olo da hatolotry eo an-tagnandreo mpanota. 46 Mitsangàna, andeha isika. Iteo, efa marigny ilay hamadika Anah." 47 Raha mbola nizàka Izy, da avy Jodasy, raiky amindreo roa ambin'ny folo. Nisy vahoaky maro tonga niaraky taminy avy amè lehiben'gne mpisorona sy ireo loholona. Tonga niaraky tamè sabatry sy langilangy indreo. 48 Ary nagnome famantara andreo ilay lehilahy hamadika an'i Jesosy, magnano hoe: " Izay horohako, gne Izy. Sambory Izy." 49 Teo no eo avao da nagnato an'i Jesosy izy ary nizàka hoe: " Finaritry, Raby!" Ary nagnoroky Anazy izy. 50 Hoy Jesosy taminy hoe: " Ry sakaiza, amboaro izay nevianao lahatany." Avy eo avy indreo, naninjitry tagna tamin'i Jesosy, ary nisambotry Anazy. 51 Gne raiky tamindreo niaraky tamin'i Jesosy koa naninjitry gne tagnany avakoa, nagnatsoaky gne sabany, nikapa gne mpanompon'gne mpisoronabe, ary nangala gne sofiny. 52 Avy teo hoy Jesosy taminy hoe: " Apodio amè toerany gne sabatrao, fa indreo izay mandray sabatry da ho voiny amè sabatry. 53 Anareo izà mieritreritry fa tsy afaky mangaiky gne Raiko Iao, ary Izy da afaky mandefa ho Anahy tafik'Anjely mihoatry nohon' gne roa ambin'ny folo? 54 Fa hanigny akôry izà gne hahatanteraky gne Soratra Masina, izay magnambara fa tsy maintsy hitranga izà?" 55 Tamin'izà andro izà Jesosy nizàka tamè vahoaky hoe: " Avy miaraky amè sabatry sy langilangy hisambotry Anahy mitovy amè Jiolahy koa anareo? Isan'andro da nidoboky nampianatry teo amè tempoly Iao, fa tsy nosamborinareo. 56 Fa izà rehetra izà da nitranga mba hahatanteraky izay voasoratr'ireo mpaminany." Avy teo da nandao Anazy ireo mpianatry rehetra ka nilefa. 57 Nindesindreo nisambotry Anazy tany amin'i Kaiafa mpisoronabe Jesosy, izay nivorian'ireo mpanora-dalàna sy loholona. 58 Fa Petera nagnaraky Anazy avy eny alavitry negnagny amè kianjan'gne mpisoronabe. Niditry tao agnatiny izy ary nidoboky niaraky tamindreo mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany. 59 Ary indreo lehiben'gne mpisorona sy indreo Synedriona rehetra da nitadia fiampangà tsy marina manohitry an'i Jesosy, mba mety hahafahandreo mamono Anazy. 60 Tsy nahita na ino na ino indreo, na da nisy mpijoro vavolombelo tsy marina tonga aza tam'gneo. Ary afaky kelikely da nisy roy tonga nagnato tam'gneo 61 ary nizàka hoe: " Io lehilahy io da nizàka hoe: " Afaky mandrava gne Tempolin'Andriamanitry Iao ary manangany izà indraiky afaky telo andro.'" 62 Nitsanga ilay mpisoronabe ka nagnano taminy hoe: " Tsy manan-kavaly Anao? Ino izà hiampangandreo Anao izà?" 63 Fa nishigny Jesosy. Hoy gne mpisoronabe taminy hoe: " Mandidy Anao amin'gne alalan'Andriamanitry velona iao, ambaray aminay raha Anao gne Kristy, Zanak'Andriamanitry." 64 Jesosy namaly anazy hoe: " Voalazanao." Fa ambarako aminareo, manomboky izao da ho hitanareo gne Zanak'Olo hidoboky eo an-tanà ankavanan'gne Hery, ary ho tonga eo amè rahon'gne lanitry." 65 Avy teo gne mpisoronabe nandrovitry gn'ankanjony ary nizàka hoe: " Nizàka ratsy Izy! Naoa isika gne mbola mila mpijoro vavolombelo? Renareo gne fitenegnan-dratsy izao. 66 Ino gne hevitrareo?" Namaly indreo ka nagnano hoe: " Mendrika gne ho faty Izy." 67 Avy teo indreo nandrora gne tavany sy nifiky Anazy, ary namely raratefaky Anazy, 68 ary nagnano hoe: " Maminania aminay, ry Kristy. Ia gne namely Anao?" 69 Ary Petera nidoboky ivelan'gne kianja, ary nisy mpagnompo viavy tonga nagnato anazy nizàka hoe: " Anao evakoa da niaraky tamin'i Jesosin'gne Galilia." 70 Fa nandà izà teo anatrehandreo izy, magnano hoe: " Tsy fantatro izay resahanareo." 71 Rehefa nijoso gne vavahady izy, da nisy mpagnompo viavy hafa nahita anazy ary nizàka tamindreo izay teo hoe: " Ity lehilahy ity evakoa da niaraky tamin'i Jesosy avy any Nazareta." 72 Mbola nandà indraiky izy niaraky tamè tangè hoe: " Tsy fantatro izà lehilahy izà!" 73 Nonon'gne afaky kelikely da nagnato ireo izay nitsanga teo ary nizàka tamin'i Petera hoe: " Anao evakoa da tena raiky amindreo, fa gne fomba firesakao da miampanga anao." 74 Avy teo izy nanomboky namatry sy nitangè ka nagnano hoe: " Tsy fantatro izà lehilahy izà." Ary tselatsela teo da nagneno gn'akoho. 75 Tadidin'i Petera gne zakà nambaran'i Jesosy hoe: " Mbola tsy magneno akoho da handà Anah in-telo anao." Avy teo izy nijoso ary nitagny fatratry.