Toko faha 25

1 Gne fanjakan'gne lanitry da mitovy amè virjiny folo izay nangala gne jirony ka nandeha nihaona tamè mpampakatry. 2 Mola gne dimy tamindreo fa gne dimy hafa kosa da hendry. 3 Ary rehefa ninday gne jirony ireo virijiny mola, da tsy ninday solika niaraka taminy. 4 Fa ireo virjiny manakagnà kosa da ninday fitahirizan-tsolika tamè jirony. 5 Ary raha tara gne mpampakatry, da rendremany indreo agnaby ka natory. 6 Fa tamè sasak'aly da nisy nangaiky mafy hoe: " Igny, gne mpampakatry, mijosoa hiaona aminy." 7 Avy teo nitrôtry ireo virijiny rehetra ka nandretry gne jirony. 8 Hoy ireo mola tamin'ireo manakagnà hoe: " Mba homeo kidikidy amè solikareo iahay fa efa ho faty gne jironay. 9 Fa namaly ireo hendry ka nizàka hoe: " Sao da tsy ho ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana kosa any amindreo mpivarotry ka mividiana ho an'gne tegnanareo." 10 Raha nandeha nivanga indreo, da avy gne mpampakatry, ary izay efa vonogny da niara-nandeha taminy ho ao amè fanasam-panambadia, ka nihidy gne vavahady. 11 Rehefa afaky izà da tonga koa ireo virijiny sasany ka nizàka hoe: ' Tompoko, Tompoko, mba vahao iahay'. 12 Fa namaly izy ka nizàka hoe: ' Zakaiko marina aminareo, tsy mahafantatry anareo iao.' 13 Ka noho izà mihambena, fa tsy fantatrareo gne andro na gne lera. 14 Fa izà da mitovy amè lehilahy raiky izay handeha ho any amè firenen-kafa. Nangaiky gne mpagnompony izy ka nampitantany andreo gne hareny. 15 Gneaiky tamindreo nomeny talenta dimy, gne raiky hafa nomeny roy, ary gne raiky hafa kosa da nomeny telenta raiky. Gne tsirairay da samy nandray gne talenta araka izay fahaizany avy, ary nandeha tamè diany izany lehilahy izany. 16 Gne raiky nanagny talenta dimy da nihainga teo noho eo ka nampiasa andreo ary nahazo talenta hafa. 17 Mitovy amin'izà koa gne raiky naharay talenta roy nahazo roy hafa. 18 Fa ilay mpanompo raiky izay naharay talenta raiky kosa, nandeha ka nangady lavaky tamè tany, ary nandevina gne volan'gne tompony. 19 Ary taorian'gne fotoa ela da nipody gne tompon'ireo mpanompo ireo ary nandamin-draharaha tamindreo. 20 Niditry ilay mpanompo izay naharay talenta dimy gne sady ninday talenta dimy hafa. Hoy izy hoe: " Tompoko, nomenao talenta dimy iao. Nefa, nagnatombo talenta dimy hafa iao." 21 Hoy gne tompony taminy hoe: " Tsara izà, ry mpanompo tsara sady mahatoky! Nahatoky tamè zavatry vitsivitsy anao. Iao hampihandraikitry anao amè zavatry maro. Midira amè fifalian'gne tomponao." 22 Ilay mpanompo izay naharay talenta roy da nagnato sy nizàka hoe: " Tompoko, Nomenao talenta roy iao, nefa nagnatombo talenta roy hafa iao". 23 Nizàka anazy gne tompony hoe: " Tsara izà, ry mpanompo tsara sady mahatoky! Nahatoky tamè zavatry vitsivitsy anao. Iao hampihandraikitry anao amè zavatry maro. Midira amè fifalian'gne tomponao.' 24 Avy teo ilay mpanompo izay naharay talenta raiky nagnato sady nizàka hoe: " Tompoko, fantatro fa lehilahy sarotiny anao. Mijinja eny amin'izay tsy namafazanao anao, gne sady manangom-bokatry eny amin'izay tsy nambolenao. 25 Nalia iao, ka nandeha ary nagnafigny gne talentanao tao agnatin'gne tany. Iteo, igny izay anao." 26 Ary namaly anazy gne tompony ka nagnano taminy hoe: " Anao ry mpanompo ratsy sady malay, fantatrao fa iao da mijinja eny amin'izay tsy namafazako sy manangom-bokatry eny amin'izay tsy namboleko. 27 Noho izà da tokotry nomenao gne mpanjana-bola gne volako, ka rehefa nipody iao da nandray gne anah miaraky amè tombony. 28 Noho izà alaivo any aminy gne talenta ary omeo ho an'ilay mpanompo izay managny talenta folo izà. 29 Fa izay rehetra managny da homegny maromaro kokoa - mihoatry lavitry aza. Fa ho an'ireo izay tsy mana na ino na ino kosa, na izay anagnany aza da ho esory aminy. 30 Ario any amè mizy any ivelany gne mpanompo tsy mendriky, any gne misy gne fitomania sy gne fikitroha-nify. 31 Ka rehefa tonga amè voninahiny gne Zanak'Olo sy gne anjely miaraky Aminy, da hidoboky eo amè seza fihandrihanan'gne voninahiny Izy. 32 Ary gne firenegny rehetra da hangoniny eo anatrehany, ary hanavaky gne olo raiky amin'iray hafa Izy, mitovy amè mpiandry ondry manavaky gne ondry amè osy. 33 Hametraky gne ondry ho eo ankavagnany izy, fa gne osy eo ankaviany. 34 Ary gne mpanjaka hizàka amindreo izay eo an-tagna ankavagnà hoe: " Avia, anareo izay notahian'gne Raiko, mandovà gne fanjakà izay efa voahomany ho anareo nanomboky gne namorogna an'izao tontolo izao. 35 Fa mosarè Iao da nomenareo sakafo; nivahiny Iao da nampandrosoinareo; 36 nikozy Iao da nampitafianareo; narary Iao nokarakarainareo; ary tany am-ponja Iao da negnagny Amiko anareo. 37 Ary ireo marina da hamaly sy hizàka hoe: 'Tompo, ovia iahay gne nahita Anao mosarè ka namahana Anao? Na ta-hindrano ka nampisotroinay? 38 Ovia Anao gne hitanay nivahiny ka nampandrosoanay? 39 Ovia iahay gne nahita Anao narary na tany am-ponja ka negnagny aminao? 40 Ary gne Mpanjaka namaly ka nizàka andreo hoe: " Zakaiko marina aminareo, izay naninareo tamin'ireny rahalahiko kidy indrindra ireny, da naninareo tamiko.' 41 Ary agnambara amindreo izay eo ankaviany hoe: ' Mishità Anah, Anareo izay voahozony, ho any amè afo mibalaky mandrakizay izay efa voahomany hoa an'gne devoly sy ireo anjeliny, 42 satria mosarè Iao, fa tsy nomenareo sakafo; ta-hindragno Iao, fa tsy nomenareo hindragno; 43 nivahiny Iao, fa tsy nampandrosoinareo; nikozy Iao, nefa tsy nampitafianareo; narary sy tao am-ponja Iao, fa tsy nokarakarainareo.' 44 Ary da hamaly koa indreo ka nizáka hoe:' Tompo! Ovia iahay gne nahita Anao mosarè, na te-hindragno, na nivahiny, na nikozy, na narary, na tany am-ponja, ka tsy nagnompo Anao? 45 Ary Izy hamaly andreo ka hizaka hoe: ' Zakaiko marina aminareo, fa izay tsy nataonareo tamin'iray tamin'ireo madiniky ireo, da tsy nanindreo tamiko.' 46 Indreo da halefa ho any amè fanasazia mandrakizay fa indreo marina kosa ao amè fiaigna mandrakizay."