Toko faha 6

1 Ô zanako, magneke an'iabanareo am'endrinareo am'i Tompo, satria tsara izany. 2 ''hajay i abanao sy i endrinao'' (izany gne didy voalohany misy fampagnantena), 3 ''mba hahita soa anareo sady mba ho lava andro iaigna ambony tany.'' 4 Anareo i aban'olo, ka hindesy ame gne havignira gne zanakareo. Fa tezay ame gne lala mahitsy sy ame gne fampianaran'ny Tompo indreo 5 Ô mpanompo, mankasitraha gne tomponareo ambon-tany ame gne fagnaja sy gne fataora farany ambony, ame gne sitraky gne fonareo. 6 Mankasitraha andreo mitovy gne hankasitranareo an'i Kristy. Mankasitraha tsy eo amason'gne tomponareo avao mba hankasitrandreo. Ka mankasitraha mitovy gne mpanompon'i Kristy, izay magnano gne sitrak'Andriamanitry ame gne fonareo manontolo. 7 Manompoa ame gne fonareo manontolo, mitovy ame hoe manompo an'i Tompo anareo fa tsy gn'olo, 8 satria fantatsika fa na ino na ino asa tsara hanin'olo tsiraikiraky, da handray valim-pitia avy amin'ny Tompo izy, na andevo izy na olon'afaky. 9 Anareo Tompo, magnanova mitovy amin'io raha io avakoa ame gne mpanomponareo. Ka hampitaoro indreo. Fantatrareo fa Izy izay sady Tomponareo gne tompo ndreo da hagny an-dagnitry, sady tsy misy fiangara Aminazy. 10 Farany, mahereza ao amin'ny tompo sy ame gne tanjaky gne heriny. 11 Sikino gne fiadian'Andriamanitry rehetra, mba afahanao mijoro manohitry gne tetiky gne devoly. 12 Fa gne adintsika da tsy manohitry gne nofo miaraky ame rà. Fa manohitry gne fanjaka sy gne fahefa ara-pagnaha sy gne mpanapaky gne fanjaka gne fahamizia ratsy, manohitry gne fagnaha ratsy hagny ame gne fitoeran-dagnitry. 13 Noho izany sikino gne fiadian'Andriamanitry rehetra, mba afahanareo mijoro amin'izao andron'gne ratsy izao, sady rehefa vitanareo gne raha rehetra, da hatohitry anareo. 14 Mijoroa, noho izany, rehefa avy nagnano gne hetry gne fahamarina sy gne fiarovan-tratran'gne fahitsia anareo. 15 Sady mitovy gne kiraro hoan'gne tombonareo, da hapetay gne fahavognona hitory gne filazantsaran'gne fihavana. 16 Ame gne toe-draha rehetra da gne ampingan'gne finoa, izay afahanareo manohitry gne zana-tsipiky mirehitr'afo gne ratsy. 17 Raiso gne aro-lohan'gne famonje sy gne sabatry gne fagnaha, izay zakan'Andriamanitry. 18 Ame gne vavaky sy fangataha rehetra, da mivavaha ame gne fagnaha ame gne fotoa rehetra. Amin'izany fomba fisaina izany, da miambena hatran'gne fahareta rehetra, raha manolotry vavaky hoan'gne olo-masin'Andriamanitry anareo. 19 Sady mivavaha ho ana, mba hisy hafatra home ana rehefa manokatry gne vavako i aho. Mivavaha mba afahako mampahafantatry ame gne fahasahia gne fahamarina mifiny momban'gne filazantsara. 20 Hoan'gne filazantsara gne maha-ambasadaoro voafatotry ame gne gadra ana, mba afahako magnambara izany am-pahasahia, raha tsy maintsy hizaka i aho. 21 Tykiko, rahalaha sy mpanompo mahatoky ao amin'ny Tompo, gne hampahafantatry anareo gne raha rehetra, hahalalanareo izay ataoko. 22 Nirako taminareo izy noho io tanjona io mintsy, mba hahafantaranareo gne raha momba anay, sady mba afahany mampahery gne fonareo. 23 Fiadana ho ame ndreo rahalaha, sady fitiava miaraky ame gne finoa avy amin'Andriamanitry Ray sy gne Tompo Jesosy Kristy. 24 Gne fahasoava ane ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika ame gne fitiava tsy maty mandrakizay.